Ny anaran’Andriamanitra sy ny mpandika tenin’ny Baiboly
TAMIN’NY 1952, Ny mpandika tenin’ny Baiboly (anglisy) dia namoaka soratra momba ny fiadian-kevitra ny amin’izao “olana” manaraka izao: Tokony hatao ao amin’ireo fandikan-tenin’ny Baiboly fampiasan’ny faritanin’ny misiona ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana ve ny anaran’Andriamanitra? Niaiky ny amin’ny maha-zava-dehibe ny Anaran’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly ireo mpiara-miasa tao amin’ilay revio, satria eo amin’ny im-7 000 no ahitana izany ao amin’ny Soratra hebreo, kanefa tsy afaka nifanaraka izy ireo ny amin’ny fomba handikana azy amin’ny fiteny ankehitriny. Ny sasany nirona ho amin’ny fitenenana toy ny hoe “ny Mandrakizay”; ny hafa nifidy ny anaram-boninahitra hoe “Tompo”; tsy nisy nanohana ny handikana izany amin’ny hoe “Jehovah” na “Iaveh”. Nahoana?
Nilaza antony roa i H. Rosin, anankiray tamin’ireo mpiara-miasa. Voalohany indrindra, dia nieritreritra izy fa tao amin’ny fandikan-tenin’ny Baiboly voalohany amin’ny teny hebreo ho amin’ny teny grika (ny fandikan-tenin’ny Septante talohan’ny andro kristiana), ireo mpandika teny grika nandika ny anaran’Andriamanitra tamin’ny teny grika nadika hoe “Tompo”. Faharoa manaraka izany, dia ‘natahotra izy ny hampisaratsarahana koa ny Fiangonana’ amin’ny fampidirana ny anarana hoe Jehovah ao amin’ireo fandikan-teny. Moa tokoa ve, hoy ny nanampiny, “tsy mpanohitra ny trinite ny ‘Vavolombelon’i Jehovah’ ”?
Nisy fahitan-javatra araka ny arkeolojia nanaporofo fa diso hevitra Atoa Rosin tamin’ny hevitra voalohany. Raha ny marina, ireo mpandika tenin’ny Septante dia tsy tena nampiseho ny anaran’Andriamanitra tamin’ny teny grika izay ny dikany dia hoe “Tompo”. Mifanohitra amin’izany fa nampidiriny mivantana ao amin’ny soratra grika ireo soratra hebreo tany am-boalohany, hany ka nirakitra ny anaran’Andriamanitra ireo kopian’ny fandikan-tenin’ny Septante nampiasain’ny kristiana voalohany.
Aoka homarihintsika fa rehefa nanonona ny Septante ireo kristiana voalohany, dia tena tsy azo inoana fa hoe zatra ny nanafoana ny anaran’Andriamanitra tao amin’ny teny notononiny izy ireo. Noho izany, dia azo inoana tokoa fa nirakitra ny anaran’Andriamanitra ireo sora-tanana voalohany amin’ny Soratra grika kristiana (ny “Testamenta Vaovao”). Tao amin’ny lahatsoratra iray amin’ny Revio momba ny arkeolojian’ny Baiboly (anglisy) tamin’ny martsa 1978, dia nanolotra fanaporofoan-kevitra mafy orina fa fanohanana an’io fanatsoahan-kevitra io ny profesora George Howard. Ohatra, notononiny ny “soratry ny raby be mpahalala (Talmud Shabbat 13.5)” izay “mandinika ny olana nateraky ny nanafoanana ireo soratra manohitra ny finoana (azo inoana tokoa fa nahafaoka ireo bokin’ny kristiana jiosy)”. Inona moa ilay olana? “Mirakitra ny anaran’Andriamanitra ireo soratra manohitra ny finoana, ka ny fanafoanana izany indray miaraka dia hilaza koa fanafoanana ny anaran’Andriamanitra.”
Fa inona no fanoherana faharoa nataon’Atoa Rosin? Moa ve hiteraka fahasahiranana ho an’ny fivavahana lazaina fa kristiana ny fampiasana ny anaran’Andriamanitra? Aoka hojerentsika izay nitranga rehefa nesorina ilay Anarana. Taorian’ny taonjato I, ireo mpanao kopia “kristiana” dia nanolo ny anaran’Andriamanitra tamin’ny anaram-boninahitra toy ny hoe “Andriamanitra” sy “Tompo”, na tao amin’ny Septante na tao amin’ny Soratra grika kristiana. Araka ny voalazan’ny profesora Howard, dia azo inoana fa izany dia anankiray tamin’ireo antony nahatonga fikorontanana hitan’ny fivavahana lazaina fa kristiana tao anatin’ireo taona nanaraka: “Ny fanafoanana ny Litera efatra [ny anaran’Andriamanitra amin’ny teny hebreo] dia nety ho nandray anjara be dia be tamin’ny fiadian-kevitra tatỳ aoriana momba ny kristolojia sy ny Trinite izay nikiky ny Fiangonana tao anatin’ireo taonjato kristiana voalohany.”
Tsy isalasalana mihitsy fa tamin’ny fanafoanana ny anaran’Andriamaitra tsy ho ao amin’ireo pejin’ny Baiboly, dia mora lavitra tamin’ny fivavahana lazaina fa kristiana ny nanaraka ny fampianarana momba ny Trinite. Noho izany, raha naniry hampiditra indray ny anaran’Andriamanitra ao amin’ireo fandikan-tenin’ny Baiboly izy, manomboka amin’ny voalohany ka hatramin’ny farany, sy ao amin’ny fanompoam-pivavahana, dia hahita fahasahiranana. Jehovah, araka ny ampiharihariana izany ao amin’ny Soratra hebreo sy grika, dia miavaka mazava amin’i Jesosy ary tsy anisan’ny trinite iray.
Izao koa no nolazain’ny profesora Howard: “Azo inoana fa ny fanafoanana ny Litera efatra dia niteraka rivo-piainana ara-pivavahana hafa noho izay nisy nandritra ny vanim-potoan’ny Testamenta Vaovao, tamin’ny taonjato I. Rehefa nofoanana ny Litera efatra, ilay Andriamanitra jiosy izay navahana tsara foana tamin’ny hafa rehetra noho ny fampiasana ny anarany tamin’ny teny hebreo dia namoy ny tapany amin’ny maha-tsy manam-paharoa azy.” Namerina indray ny anaran’Andriamanitra ny Vavolombelon’i Jehovah, tsy tao amin’ny Baiboly manontolo fotsiny, fa eo amin’ny fanompoam-pivavahany isan’andro koa. Araka izany, dia ‘avahany tsara’ ilay Andriamanitra marina sy ireo andriamanitra sandoka eo amin’izao tontolo izao. Tamin’izany fomba izany no nahafahan’izy ireo nanorina indray ny “rivo-piainana ara-pivavahana” nisy teo amin’ny Fiangonana kristiana tamin’ny taonjato I.