Aza manadino ny zava-kendrena amin’ny fahasoavan’Andriamanitra amin’izay tsy mendrika akory!
HO an’ity mpivavaka ity, “ny firesahana ny amin’ny fivavahana, (...) dia anjara raharahan’ny pretra (Izahay no manipika.) Ny hafa manaiky fa vitsy dia vitsy “ireo kristiana maniry hampita ny finoany amin’ny hafa”. (Izahay no manipika.) Ny fanambarana mitovy amin’izany dia mampahafantatra mazava fa ankehitriny, ho an’ny mpivavaka sasantsasany, ny hoe kristiana dia midika fotsiny hoe mino an’Andriamanitra ary manaiky fa Jesosy no Mesia.
Ahoana no hevitrao? Nampiely ny finoany ireo mpianatr’i Jesosy (Lioka 8:1). Tokony ho toy izany koa ve no izy ny amin’ny kristiana amin’izao androntsika izao? Mifamadika amin’izany raha tsy mitaky intsony amin’ireo milaza tena ho kristiana ny hahatongavany ho evanjelistra Andriamanitra, inona no andrasany avy aminy? Manana asa nanirahana hankinina aminy ve izy ankehitriny? Azo antoka fa izany! Izany no antony mahavoakasika antsika koa amin’ilay fampitandremana nataon’i Paoly ho an’ny kristiana tany Korinto izay namporisihany azy ireo tsy “hanadino ny zava-kendrena amin’ny fahasoavan’Andriamanitra amin’izay tsy mendrika akory”. (2 Korintiana 6:1, MN.) Andeha hojerentsika ny antony.
Ambara ny fikasan’Andriamanitra
Toa an’i Paoly, ireo kristiana tany Korinto dia nanaiky ny avotra natolotr’i Jesosy Kristy, ary nambaran’i Jehovah fa marina izy ireo noho ny finoany an’io sorona io. Tamin’ny nanekeny ireo fahamarinana nampianarin’i Paoly azy momba ny Mesia, dia nafahana tamin’ny fanandevozan’ireo fanaon’ny mpanompo sampy ratsy fitondrantena sy diso, izay naharatsy laza an’i Korinto izy. Ho azy ireo, ny fahasoavan’Andriamanitra amin’izay tsy mendrika akory dia marina tokoa ho fanafahana azy ireo. Kanefa, tsy nanana zava-kendrena mihitsy ve io fahasoavan’Andriamanitra amin’izay tsy mendrika akory io?
Tsia dia tsia. Antony mitovy amin’ny nanafahan’i Jehovah an’i Paoly tamin’ireo lovan-tsofina tsy ara-baiboly fanaon’ireo razany no nanafahan’i Jehovah azy ireo. Toy izao no nanazavan’i Paoly ny zava-kendren’ny fanafahana azy: ‘Natao mpanompo aho araka ny fanomezan’ny fahasoavan’Andriamanitra izay nomena ahy, dia ny hitory amin’ny jentilisa ny haren’i Kristy tsy hita lany.’ (Efesiana 3:7, 8; jereo Galatiana 1:15, 16). Araka izany, raha naneho ny fahasoavany amin’izay tsy mendrika akory tamin’izy ireo Andriamanitra, dia naniry ny handraisan’ny mpanompony ny fivavahana marina, ny hiderany ny anarany hoe Jehovah, ary ny hampahafantarany izany amin’ny fanompoana kristiana, toy ny nataon’i Paoly. — Romana 10:10.
Tamin’ny fotoana nanoratan’i Paoly ny taratasiny voalohany ho azy ireo anefa dia toa nanadino ny zava-kendrena tamin’ny fahasoavan’Andriamanitra amin’izay tsy mendrika akory ny maro tamin’ireo Korintiana. Tamin’ny fomba ahoana? Resin’ny herin’ny fitondrantena ratsy narahin’ireo mponin’i Korinto izy ireo ka natoritory ary niato tsy nanolotra fanompoam-pivavahana madio sy ankasitrahana ho an’Andriamanitra intsony. Voamarika aza ny fisaratsarahana sy ny fijangajangana sasany teo amin’izy ireo (1 Korintiana 1:11; 5:1, 2). Afaka nanarina ny ankamaroan’ny mpikambana tao amin’izany kongregasiona izany ny torohevitr’i Paoly. Na dia izany aza, dia naniry ny tsy hialan’izy ireny intsony amin’ny fanompoana kristiana i Paoly. Izany no antony nampahatsiahivany azy tatỳ aoriana kokoa mba ‘tsy hanadino ny zava-kendrena amin’ny fahasoavan’Andriamanitra amin’izay tsy mendrika akory’. — 2 Korintiana 6:1, MN.
Ohatra iray tamin’ny lasa
Efa nitranga taonjato maro teo aloha ny fisehoan-javatra mitovy amin’izany. Tamin’ny lohataonan’ny taona 537 alohan’ny fanisan-taona iraisana, tamin’ny alalan’i Kyrosy, mpanjaka persiana, Jehovah Andriamanitra dia nanafaka ny vahoakany Isiraely, tamin’ny fahababoana tany Babylona. Tao amin’ny didy iray dia nampahafantatra ny zava-kendren’izany fanafahana izany i Kyrosy: “Koa iza avy moa aminareo rehetra no olony? Andriamaniny anie homba azy, fa aoka hiakatra any Jerosalema izay any Joda izy ka hanao ny tranon’i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely.” — Ezra 1:1-3.
Izay tokoa no fotoana nofidin’Andriamanitra mba hananganana indray ny fivavahana madio tao amin’ny tanin’ny Joda. Noho ny fahasoavan’Andriamanitra amin’izay tsy mendrika akory, ireo Jiosy niverina avy amin’ny fahababoana dia hahazo tombontsoa hanamboatra indray ny tempolin’Andriamanitra tany Jerosalema. Nanaiky izany fananganana indray izay ireo babo ka niverina tao amin’ny tany niaviany ary nanomboka ny asa fanorenana indray ny tempoly. — Ezra 1:5-11.
Tsy ela akory anefa dia namela ny fanoheran’ny fahavalony hanembatsembana ny asa ny vahoaka jiosy avy any amin’ny fahababoana. Hadinony ny zava-kendren’ny fanafahana azy ka nanomboka niteny izy hoe: “Tsy mbola tonga ny andro tokony hihaviana hanaovana ny tranon’i Jehovah.” (Hagay 1:2). Toy izany no nampiato ny asa fanorenana nandritra ny 16 taona teo ho eo.
Teo anelanelan’izany, ireo Jiosy dia nanomboka niahy ny raharahany manokana, nihevitra kokoa ny zavatra ara-nofo sy ny zavatra nampiadana azy manokana noho ny fanorenana indray ny trano natokana ho an’i Jehovah izy ireo (Hagay 1:3-9). Izao no vakina ao amin’ny Hagay 1:4: “Moa andro tokony hitoeran’ny tenanareo ao amin’ny tranonareo misy valin-drihana va izao, kanefa rava ity trano ity? Ny trano fanaovana fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah dia “rava”, tsy nisy afa-tsy ny fototra. Nifanohitra tamin’izany kosa fa nipetraka tao amin’ny trano nisy tafo natanjaka sy rindrina nisy fanambaniny hazo karazany ambony ireo Jiosy.
Tamin’ny alalan’i Hagay sy Zakaria mpaminany, Jehovah dia nampahatsiahy ireo Jiosy ny zava-kendren’ny fanafahana azy. Tamin’ny farany, dia notontosaina tsara ny asa fanamboarana indray. Na dia izany aza, ireo izay nikiry hihevitra ny zavatra ara-nofo ho zava-dehibe noho ny tombontsoa handray anjara amin’ny fanorenana ny fivavahana madio tany Jerosalema dia miharihary fa nanadino ny zava-nokendrena tamin’ny fahasoavan’Andriamanitra amin’izay tsy mendrika akory.
Ny zava-kendren’ny fanafahana antsika
Fianarana inona no azontsika tsoahina avy amin’ny ohatr’ireo Jiosy tafaverina tao amin’ny taniny tamin’ny 537 alohan’ny fanisan-taona iraisana sy ireo kristiana tany Korinto niara-belona tamin’i Paoly? Nafahana koa isika izay nanolo-tena ho an’i Jehovah. Ny fahasoavan’Andriamanitra amin’izay tsy mendrika akory no nanafahana antsika tamin’ny fanandevozan’ny fampianaran-diso, ny lovantsofin’i Babylona Lehibe ary ny faharatsian’ny fandehan-javatra ankehitriny (Jaona 8:32; 2 Korintiana 2:4-6). Izany famotsorana izany, sy ny fahafahana azo avy aminy, dia manome antsika antony hanehoana ny fankasitrahantsika an’Andriamanitra noho ny fitiavany (1 Jaona 4:9). Ahoana no azontsika anaovana izany?
Amin’ny tsy fanadinoana ny zava-kendrena amin’ny fahasoavan’Andriamanitra amin’izay tsy mendrika akory. Araka ny ohatr’ireo mpanompon’i Jehovah tamin’ny andro taloha, isika koa dia tokony hanaraka ny fivavahana madio. Ny dikan’izany dia hoe: tsy maintsy mitory amin’ny jentilisa ny haren’i Kristy tsy hita lany” toy ny tamin’ny andron’i Paoly isika. (Efesiana 3:8.) Noho izany, izay rehetra manaiky ny fahasoavan’Andriamanitra amin’izay tsy mendrika akory dia tsy maintsy mandray anjara amin’ny fanompoana kristiana. Koa satria isika nanolo-tena ho an’Andriamanitra mba hanao ny sitrapony, dia adidintsika ny mampahafantatra ny fahamarinana amin’ny hafa, ny manome voninahitra sy midera ny anaran’Andriamanitra sady manolotra ho azy fanompoam-pivavahana madio sy masina. — Matio 28:19, 20; Hebreo 13:15; Jakoba 1:27.
‘Aza manadino ny zava-kendrena amin’izany’
Mety ‘hanadino ny zava-kendrena’ amin’ny fahasoavan’Andriamanitra amin’izay tsy mendrika akory toa an’ireo kristiana tany Korinto ve isika? Eny tokoa, na any an-tsekoly na any amin’ny toeram-piasana, dia maro amintsika no tsy maintsy miaraka amin’ny olona maloto fitondrantena, mangalatra, mandainga, mamitaka sy manaraka fanao hafa ankahalain’i Jehovah (1 Korintiana 6:9, 10; Galatiana 5:19-21). Iankinan’ny aina àry ny tsy hifaneraserantsika amin’ireny olona ireny, satria mety hanjary ho tia ny ratsy isika (1 Korintiana 15:33). Tsy hanao afa-tsy hampihena ny finoantsika ny fifaneraserana toy izany. Araka ny mety tokoa dia nanoratra toy izao ho an’i Titosy i Paoly: “Fa efa miseho ny fahasoavan’Andriamanitra, izay famonjena ny olona rehetra, mampianatra antsika handa izay toe-panahy tsy araka an’Andriamanitra sy ny filan’izao tontolo izao ary ho velona amin’ny onony sy ny marina ary ny toe-panahy araka an’Andriamanitra amin’izao fiainana ankehitriny izao.” — Titosy 2:11, 12.
Mety hihevitra ny sasany fa mahatontosa tsara ny fanompoany satria manatrika ireo fivoriana alamina ao amin’ny Efitrano Fanjakana, mandray anjara tsy tapaka amin’ny fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakana ary tsy manana fitondrantena ratsy. Tsy maintsy heverina anefa ny endriny hafa amin’ny toe-javatra. Nanambara toy izao i Jesosy: “Tsy misy olona mahay manompo tompo roa.” (Matio 6:24). Inona no tiany holazaina? Te-hilaza izy fa na dia manokana tapany amin’ny fotoanantsika hampielezana ny vaovao tsara aza isika, dia mety ho ny hitady hahazo fananana ara-nofo betsaka kokoa no zava-kendrentsika lehibe indrindra. Mety ho hitantsika ho tena manintona ny fahatsinjovana ny hiaina ao amin’ny fandehan-javatra vaovao eo ambanin’ny fanapahan’i Kristy. Nefa, etsy an-danin’izany dia mety haniry ny handray tombony faran’izay betsaka amin’izao tontolo izao ankehitriny isika raha mbola tsy mifarana izy. Izany fihetsika izany dia tsy manao afa-tsy ny hampiala antsika amin’ny tena zava-kendren’ny fanafafahana antsika. Moa ve tsy fihetsika toy izany no nampiala ny Jiosy tafaverina avy amin’ny fahababoana tamin’ny zava-kendren’ny fanafahana azy?
Moa ve ny zavatra ataontsika mampiseho fa hadinontsika ny zava-kendrena tamin’ny nanafahana antsika tamin’izao tontolo izao ratsy ankehitriny sy ny fivavahan-disony? Nanazava tamin’ny Korintiana i Paoly fa “ankehitriny no fotoana tena mety” mba hanampiana ny hafa hahazo ny famonjena (2 Korintiana 6:2, MN ). Mandodona tokoa ireo teny ireo, indrindra fa satria efa antomotra dia antomotra ny fandravana ny fandehan-javatra ankehitriny. Na dia tsy maniry hampita ny finoany amin’ny hafa aza ny ankamaroan’ny mpivavaka, ireo kristiana izay hetsehin’ny fitiavana amim-pahatsorana an’i Jehovah dia mihevitra ho tombontsoa ny fanatanterahana amin’ny fomba feno ny fanompoana nankinina taminy. Izay rehetra manambara amim-pahatokiana ny vaovao tsara amin’ny fotoana mahamety azy izao sy manolotra fanompoam-pivavahana madio sy masina ho an’i Jehovah dia afaka mahazo antoka fa tsy ‘nandray ny fahasoavan’Andriamanitra amin’izay tsy mendrika akory izy nefa nanadino ny zava-kendrena amin’izany’. — 2 Korintiana 6:1, MN.