Indray mitopy maso amin’ny vaovao
Mpiray trano miady an-trano
Nilaza i Jesosy fa “raha misy mpiray trano miady an-trano”, dia tsy haharitra izany (Marka 3:25). Hita indrindra izany tarehin-javatra izany ao amin’ny Fiangonana tafatambatra any Kanada, ny fivavahana protestanta lehibe indrindra ao amin’io tany io, eo amin’ny raharaha momba ny sodomia sy ny fanokanana lehilahy sy vehivavy sodomita.
Ny Filan-kevitra lehibe faha-32 amin’ny Fiangonana tafatambatra any Kanada dia nandany fanapahan-kevitra izay manome lalana ireo sodomita (lehilahy mandry amin’ny lehilahy) fanta-bahoaka hanao ny asan’ny mpitondra fivavahana. Araka ny gazety kanadiana iray (The Globe and Mail), dia voalazan’ilay fanapahan-kevitra mazava tsara fa na inona na inona fironany momba ny lahy sy ny vavy, izay rehetra “mino an’i Jesosy Kristy sy mankatò azy dia raisina na horaisina ho anisan’ny Fiangonana manana ny maha-izy azy”, ary “ny mpiangona rehetra dia tokony hotolorana fahafahana ny hatokana ho minisitra”. Izao no vakina ao amin’ny tatitra 125 pejy nataon’ny Fiangonana tafatambatra: “Misy fironana momba ny lahy sy ny vavy maromaro: ny lehilahy mandry amin’ny lehilahy na vehivavy mandry amin’ny vehivavy, ny fetezana sady ho lahy no ho vavy, sy ny “hétérosexualité”. Tokony hoheverintsika ho araka ny natiora izany ka horaisina ho fanomezan’Andriamanitra.”
Matoa io Filan-kevitra io tapa-kevitra ny handray lehilahy mandry amin’ny lehilahy ho pastora, raha ny marina, hoy ny fanazavan’ny Globe and Mail, “ny raharaha lehibe indrindra dia ny fahafahan’ny Fiangonana mbola ho velona ihany”. Misy tatitra mampiharihary tokoa fa nanomboka tamin’ny 1972, ny Fiangonana dia milaza fialan’ny mpiangona tsy tapaka ary manana fahasahiranana ara-bola. Manome ny antony ilay mpitondra fivavahana atao hoe John Tweedie rehefa milaza fa “mamoy ny mpivavaka ao aminy ny Fiangonana ankehitriny satria hitan’izy ireo ny fialany amin’ireo fototra kristiana nananany”. Nilaza toy izao ny gazety kanadiana hafa iray koa (The Post): “Noho izany, amin’ny fanekena fanao tahaka ny fandrian’ny lehilahy amin’ny lehilahy, ny firaisan’ny olona tsy mpivady, ny fanalana zaza sy ny fanambadiana andrana, dia mivoha ho an’ny taranaka tanora kokoa ny Fiangonana.”
Araka izany voalaza izany, moa ve ny fankatoavana an’i Kristy azo ampiarahina amin’ny tsy fanajana ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly? Tsia, mifanohitra amin’izany, dia mazava ny Tenin’Andriamanitra hoe: “Aza mety hofitahina ianareo: ny olona maloto fitondrantena, (...) lehilahy mandry amin’ny lehilahy, (...) dia tsy hanan-toerana ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra.” — 1 Korintiana 6:9, 10, Français courant.
Fampiasana ny tsorakazo
“Mitsitsia tsorakazo, nefa tandremo ny vokany.” Teo ambanin’io lohateny io, ny lahatsoratra tao amin’ny gazety Natal Mercury any Afrika atsimo dia nitaraina noho ny fironan’ny ray aman-dreny sy ny mpampianatra amin’izao fotoana izao hanalavitra ny sazy ara-batana. Iza no tompon’andraikitra amin’izany fiovan’ny fihetsika eo anoloan’ny kapoka izany? Ilay profesora atao hoe Smythe, manam-pahaizana momba ny aretin-jaza ao amin’ny oniversite any Natal (Afrika Atsimo), dia miampanga tsotra izao ireo mpandinika toe-tsain-jaza. “Amin’ny ankapobeny, hoy ny fanazavany, rehefa jerena akaiky ny zava-manahirana momba ny fisehoan’ny firaiketam-po, dia hita fa misy hevitra inoana momba ny toe-tsaina, miteraka ny fiovam-pihetsika. Ireo izay nanohitra tamin’ny voalohany ny karazam-panasaziana ara-batana rehetra dia vaka izao eo anoloan’ny vokatry ny tsy fetezana hofehezina nateraky ny finoana hoe tsy mety ny manao izay mampalahelo na mandrara tsy hanao zavatra.”
Ny fahaiza-mandanjalanja no nolazain’Atoa Smythe fa mety. “Samy ratsy daholo ny tafahoatra na amin’ny fahamoramorainy na amin’ny fanasaziana. Kanefa, satria mora kokoa ny manohitra ny fahavoazana ateraky ny fifehezana mafy loatra noho ny an’ny tsy fisian’ny fifehezana, rehefa tonga ny fisalasalana dia toa tsaratsara kokoa ny mirona ho amin’ny fifehezana.” Nomarihin’io profesora io fa ny antony manosika hanasazy ara-batana dia tokony ho ny fiahiana ny hahasambatra ilay ankizy ankehitriny sy amin’ny ho avy.
Rehefa mahita izany fahatsapan-javatra tsy vaovao izany ny tena dia mahatsiaro ny torohevitra tsy mety diso omen’ny Baiboly manao hoe: “Izay mitsitsy ny tsorakazony dia tsy tia ny zanany; fa izay tia zanaka dia manafay azy, raha mbola kely.” — Ohabolana 13:24; jereo Ohabolana 23:13, 14.
Fa tsy fahotana ve akory ny filokana?
Tsy ela izay, ny Sheboygan Press dia nitantara fa ny paroasy katolika iray no tonga fikambanana ara-pivavahana voalohany tany Wisconsin (Etazonia) nangataka fahazoan-dalana hivarotra karatra loteria. Nasain’ilay gazety nomarihina fa na dia noheverina “hampitomboana” ny rakitra isan-kerinandro aza ny fivarotana izany, ny anton’izany fanolorana izany lehibe indrindra dia “ny hampitomboana ny isan’ny mpiloka amin’ny ‘bingo’ ”. Re fa io paroasy io dia efa mandray sahady avy amin’ireny filokana ireny, tombony “800 ka hatramin’ny 1 000 dôlara” isaky ny takariva.
Rehefa nanontaniana izy raha fahotana tokoa ny filokana, dia namaly i Robert Fleishman, pretra tao amin’ilay paroasy, fa tsy misy fantany ny amin’izany. Nanaiky izy fa ny fanaovan’ny Eglizy dokambarotra ho an’ny ‘bingo’ na ny fivarotana karatra amin’ny loteria dia “tsy isalasalana fa mivoaka kely tsy ho ao anatin’ny faritry ny fiantsoana antsika izay ara-panahy alohan’ny zavatra rehetra”, nefa nanampy teny izy hoe “raha tsy eto dia ho any an-toeran-kafa” ny olona no handany ny volany.
Moa ve tokony hitaona hiloka ny filoha ara-pivavahana iray milaza tena ho mpianatr’i Kristy? Azo antoka fa tsy izany! Ny filokana amin’ny endriny rehetra dia mampiasa ny anankiray amin’ireo fahazaran-dratsin’ny olombelona indrindra, dia: ny fieremana. Ireo izay manosika ny olona hiloka dia mitaona azy ireny hino fa tsara ny manararaotra ny fahavoazan’ny hafa. Antitranterin’ny Tenin’Andriamanitra mazava tsara anefa fa tsy handova ny Fanjakan’Andriamanitra mihitsy ny olona mpierina. — 1 Korintiana 6:9, 10; Efesiana 4:19; 5:3.