“Efa nivoaka ho any amin’ny tany rehetra ny feony”
AO amin’ny Salamo fahasivy ambin’ny folo i Davida dia manandratra ny hakanton’ny zavatra hita maso noforonin’Andriamanitra, avy eo dia maneho fankasitrahana mafy ny lalàn’i Jehovah, ny fampahatsiahivany, ny baikony, ny didiny sy ny didim-pitsarany. Velom-pankasitrahana noho ireny zavatra ireny koa ny apostoly Paoly ka nanonona ilay salamo resahina, ary nanitatra ny fampiharana azy ho amin’ny asa tena lehibe ataon’ny kristiana marina, ary nilaza toy izao ny amin’izy ireo: “Efa nivoaka ho any amin’ny tany rehetra ny feony, ary ny teniny hatramin’ny faran’izao rehetra izao.” — Romana 10:18.
Amin’ny fotoana ahavelomantsika, dia zava-dehibe iankinan’ny aina ho an’ny olombelona rehetra izany ‘teny’ izany, satria madiva hampiharina amin’ny fandehan-javatra ratsy mitondra ny tany ankehitriny ny didim-pitsaran’i Jehovah (Zefania 2:2, 3; 3:8). Tsy isalasalana mihitsy fa mila mandre ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’i Jehovah ny olombelona. Na aiza na aiza itodihana ankehitriny, dia tsy ahitana afa-tsy fisaratsarahana, tsy firaharahana lalàna, heloka bevava, fahalotoam-pitondrantena, fianakaviana misaratsaraka. Marina fa resahina ny amin’ny fiadanana, nefa manohy manao fitaovam-piadiana be kojakojany kokoa ihany ireo fanjakana lehibe, ary tsy mitsahatra ny mitombo ny faritr’ireo tany manana fiadiana ataomika. Ny toe-piainana manjaka eto an-tany dia mifanitsy amin’ny filazalazana ny “am-parany” ataon’i Paoly ao amin’ny 2 Timoty 3:1-5.
Iza no ho voavonjy amin’izany raharaha misafotofoto izany, ary amin’ny fomba ahoana? Manome valin’io fanontaniana io mazava i Paoly amin’ny fanononana ny faminaniana voasoratra ao amin’ny Joela 3:5, manao hoe: “Izay rehetra miantso ny anaran’i Jehovah no hovonjena.” (Romana 10:13, MN ). Fa amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny mponina amin’ny planeta ‘miantso ny anaran’i Jehovah’? Maro be amin’izy ireny tokoa no tsy mahalala akory fa Jehovah no anaran’Andriamanitra! Araka ny valin-tenin’i Paoly, dia ilaina ny maniraka mpitory ho any amin’izy ireny. — Romana 10:14-16.
Soa ihany fa naniraka ireo Vavolombelony i Jehovah mba hampahafantatra amin’ny olombelona fa akaiky ny Fanjakany ka hitondra famonjena, fiainana mandrakizay ho an’ireo izay manaiky hahafantatra an’Andriamanitra sy ny Zanany, Jesosy Kristy (Isaia 43:10, 12; Lioka 21:25, 26, 31; Jaona 17:3). Re “amin’ny tany rehetra” ny akon’io vaovao tsara io.
Noho izany, dia olona an-tapitrisany maro no mihevitra io fitoriana io, porofon’izany ny fitambaran’ny isan’ny mpanatrika maneran-tany 9 201 071 tamin’ny fihaonambe ho fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy, tamin’ny 1 aprily 1988. Tamin’ny taona lasa, ny tampon’isan’ny mpitory maneran-tany dia nahatratra 3 592 654, ary mpitory vaovao 239 268 no natao batisa, ka mampiseho fitomboana 3,6% amin’ny tamin’ny taona teo aloha izany. Araka ny ho hitantsika eo aoriana kokoa, dia ireo misionera mahatoky indrindra no nanomana ny lalana ho amin’izany fitomboana izany. Tato anatin’izao taona faramparany izao anefa, dia Vavolombelona teratany ana hetsiny maro, tamin’ireo ‘nino ny zavatra reny’, no nanjary tia ny asan’ny mpitory maharitra koa ka manambara “ny vaovao tsaran’ny zavatra tsara” izao. Amin’ny antsalany, dia Vavolombelona 455 561 no efa mpitory maharitra, ka 4,4 % izany ny fitomboana tao anatin’ny taona. Noho izany, dia nomarihina ny 785 521 697 ora amin’ny fitambarany natokana ho amin’ny fitoriana, izany hoe avo roa heny mahery raha oharina amin’ny tamin’ny 6 taona lasa monja.
Ny tabilao ao amin’ireo pejy efatra manaraka dia mampiseho amin’ny andinindininy ny halehiben’ny fitoriana vita. Manasa anareo izahay handinika io filazana asa kristiana maneran-tany tamin’ny 1988 io.
[Tabilao, pejy 4-7]
RAPAORO MANERAN-TANIN’NY VAVOLOMBELON’I JEHOVAH, TAOM-PIASANA 1988
(Jereo ny gazety)