‘Tsy nihevitra aho hoe ho tiako ilay izy’
IZANY no nosoratan’olona ho an’ny namana iray nandefa ho azy ny boky La vie: comment est-elle apparue? Evolution ou création?. “Azoko antoka fa nanontany tena ianao raha tena voaraiko tokoa ny bokinao, ary ho tianao ny hahafantatra raha novakiko ilay izy. Eny, tena voaraiko tokoa ilay izy ka misaotra anao aho. Namaky azy koa aho ka nahagaga ahy tokoa fa nahavariana ilay izy.
“Koa satria tsy nanampo ny ho tia an’io boky io mihitsy aho, dia nanomboka namaky haingana azy aho mba hilazana aminao fa mba hanandrana namaky azy ahay aho. Tsy afaka namela azy intsony aho (...). Voavakiko tao anatin’ny 10 andro ilay izy. Variana aoka izany aho. Avy hatrany dia niresaka ny amin’izy io tamin’ny sasantsasany amin’ireo namako aho. Roa tamin’izy ireo no efa nampindramiko azy ary nampanantena aho fa hampindrana amin’ny fahatelo. Efatra, fara fahakeliny, izahay no ho efa namaky azy, ary manantena aho fa hisy hafa handray soa aminy koa. Tena boky miavaka tokoa ilay izy. Mbola misaotra ihany.”
Mahafantatra olona ho tianao hampandraisin-tsoa amin’io boky mahavariana io ve ianao? Nahoana raha manolotra ho azy anankiray amin’io boky io, mitondra ny lohateny hoe La vie: comment est-elle apparue? Evolution ou création? Ampy anao amin’izany ny mameno sy mandefa ny tapakila eto ambany, miaraka amin’ny fandraisana anjara an-tsitrapo 1 800 FMG na 360 ariary.
Aza fady mba alefaso amin’ity adiresy ity, tsy misy fandoavam-bola eo am-pandraisana ny zavatra, anankiray amin’ny boky 256 pejy mitondra ny lohateny hoe La vie: comment est-elle apparue? Evolution ou création?, miaraka amin’ny taratasy manazava fa fanomezana avy amin-dRa (ny anaranao) ity. Ampiarahiko ny vola 1 800 FMG na 360 ariary.