Fivoriamben’ny distrika “Ny toe-panahy araka an’Andriamanitra”
IZAO no nosoratan’ny apostoly Paoly: “Fa any am-parany any dia hisy andro mahory. Fa ny olona ho (...) tia fahafinaretana mihoatra noho ny fitiavany an’Andriamanitra, manana ny endriky ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, nefa nandà ny heriny.” — 2 Timoty 3:1-5.
Ireo teny ireo dia mihatra tsara amin’ny ankamaroan’ny mpikambana ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana. Araka ny filazan’ny mpitondra fivavahana iray, “amin’izao andro izao ireo fiangonana dia matetika loatra no tonga foibem-pilalaovana”. Tena mifanohitra amin’ireny olona ireny kosa ny tena mpianatr’i Kristy, satria mahaforona vahoaka “mazoto indrindra amin’ny asa tsara”. (Titosy 2:14.) “Fanasin’ny tany” sy “fahazavan’izao tontolo izao” ny mpianatr’i Jesosy. — Matio 5:13, 14.
Ireo fivoriambe fanaontsika isan-taona, fivoriamben’ny distrika, fivoriambem-pirenena na iraisam-pirenena, dia sasantsasany amin’ireo lafin’ny fanompoam-pivavahantsika mahatonga antsika ho olona miavaka. Araka izany, ny foto-kevitry ny fivoriamben’ny distrikantsika 1989, “Ny toe-panahy araka an’Andriamanitra” dia mampahatsiahy toetra iray mampiavaka ny fanompoam-pivavahantsika izay mahatonga antsika ho hafa noho izao tontolo izao.
Soritan’ny Soratra Masina ny maha-zava-dehibe ny toe-panahy araka an’Andriamanitra. Io fivoriambe io dia ho fahafahana amboniny ‘hampiasa ny tenantsika ho amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra. Mahasoa kely ihany tokoa ny fampiasana ny tena; fa ny toe-panahy araka an’Andriamanitra no mahasoa amin’ny zavatra rehetra ka [satria, MN ] manana ny teny fikasana ny amin’ny fiainana ankehitriny sy ny ho avy koa’. (1 Timoty 4:7, 8.) Izao no azo vakina ao amin’ny 1 Timoty 6:6: “Fa misy tombony lehibe tokoa ny toe-panahy araka an’Andriamanitra omban’ny fiainana.” Jesosy Kristy no ohatra tsara indrindra raha ny amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra. — 1 Timoty 3:16.
Ny teny grika nadika hoe “toe-panahy araka an’Andriamanitra” dia eusébéia. Amin’ny kristiana, dia izany no “karazam-pifikirana amin’Andriamanitra ambony indrindra”. Izany dia miavaka amin’ny zotom-po sy ny hafanam-po eo anoloan’ny adidy sy fanaon’ny fivavahana. Fihetsiky ny fo ny toe-panahy araka an’Andriamanitra. Manosika antsika hiaina amin’ny fomba ankasitrahan’Andriamanitra izany. Ny hoe manana ny toe-panahy araka an’Andriamanitra dia ny mitodika any amin’Andriamanitra. Noho izany dia tokony hitandrina isika, dia isika izay eo amin’izao tontolo izao, mba tsy ho naman’izao tontolo izao. Raha manosika antsika tsy manao ratsy ny tahotra an’Andriamanitra, ny toe-panahy araka an’Andriamanitra kosa dia mitarika antsika hanao izay ankasitrahany. Mandray fampaherezana isika avy amin’ny teny voarakitra ao amin’ny 2 Petera 2:9, (MN ), izay manome antoka antsika fa “hain’i Jehovah ny manafaka amin’ny fitsapana ny olona manana toe-panahy araka an’Andriamanitra”.
Mba hahazoana toe-panahy araka an’Andriamanitra, dia ilaina ny hiheverana ho zava-dehibe ny amin’Andriamanitra sy ny Teniny, satria raha tiana ny haneho an’io toetra io, dia ilaina ny hananana fahalalana marina ny Mpamorona, sy ny hanaovan-javatra mifanaraka amin’izany fahalalana izany. Tena ilaina àry ny hahatsapana ny zavatra ilain’ny tena ara-panahy. Koa satria zava-dehibe tokoa ny hanarahana ny tena toe-panahy araka an’Andriamanitra, dia tokony hohararaotintsika ny fanampiana rehetra azontsika raisina amin’io lafiny io; ary handray anjara lehibe amin’ny fitondrana ho antsika izany fanampiana izany ireo fivoriamben’ny distrikantsika. Hisy lahateny, fampisehoana sy fanadinadinana hampiseho amintsika ny fomba hanehoana toe-panahy araka an’Andriamanitra amin’ny lafiny rehetra eo amin’ny fiainana.
Tiantsika tokoa ny ho kristiana marina ka amin’izany dia tsy hitovy amin’izao tontolo izao. Izany no antony hanatrehantsika an’io fivoriambe io amim-pahazotoan-komana ara-panahy fatratra. Hataontsika izay hahatongavana raha vao ny zoma maraina ho amin’ny hira fanokafana, ka hatramin’ny hira sy ny vavaka famaranana ny alahady tolakandro. Mandritra ny fotoana rehetra haharetan’ny fotoam-pivoriana tsirairay avy, aoka ny saintsika ho voatanan’izay hitranga eny amin’ny lampihazo. Mirona hifampitady mandritra ireo fotoam-pivoriana ve isika? Tokony hanohitra izany fakam-panahy izany isika. Afa-tsy izany koa, aoka isika hanana izay ilaina mba handraisana fitadidiana an-tsoratra. Amin’ny fitandremana tsara izay ho hitantsika sy rentsika, dia mbola vao mainka ho haintsika kokoa ihany ny hampihatra ny toe-panahy araka an’Andriamanitra eo amin’ny lafiny rehetra amin’ny fahavelomantsika: na eo anivon’ny fianakaviana izany na ao anatin’ny kongregasiona, na eo amin’ny fifandraisantsika amin’ny tsy mpino.
Toerana sy datin’ireo fivoriambe “Ny toe-panahy araka an’Andriamanitra” amin’ny fiteny frantsay
Frantsa
30 jona ka hatramin’ny 2 jolay:
LE HAVRE: Stady Jules-Deschaseaux, 107, rue du Commandant-Abadie
MARSEILLE: Stade Vélodrome, 3, boulevard Michelet (hisy fandaharana amin’ny fitenin’ny moana marenina)
NANTES: Stade de la Beaujoire, boulevard de la Beaujoire
STRASBOURG: Stade de la Meinau, 12, rue Extenwoerth (hisy fandaharana amin’ny teny italiana sy fitenin’ny moana marenina)
TOULOUSE 1: Palais des Sports, 1, rue du Canon d’Arcole
7 ka hatramin’ny 9 jolay:
BORDEAUX: Salle Polyvalente de Bordeaux-Mériadeck, cours du Maréchal-Juin
DIJON: Parc des Expositions et Congrès, 3, boulevard de Champagne
GRENOBLE 1: Palais des Sports, boulevard Clemenceau
TOULOUSE 2: Palais des Sports, 1, rue du Canon d’Arcole
14 ka hatramin’ny 16 jolay
GRENOBLE 2: Palais des Sports, boulevard Clemenceau (hisy fandaharana amin’ny fitenin’ny moana marenina)
ORLÉANS: Parc des Expositions, 1, rue du Président-R.-Schuman (hisy fandaharana amin’ny fiteny portogay)
21 ka hatramin’ny 23 jolay:
LILLE 1: Foire de Lille, boulevard du Président-Hoover (hisy fandaharana amin’ny fiteny polonay)
28 ka hatramin’ny 30 jolay:
LILLE 2: Foire de Lille, boulevard du Président-Hoover
PARIS 1: Stade Yves-du-Manoir, 12, rue François-Faber, boulevard Pierre-de-Coubertin, Colombes (hisy fandaharana amin’ny teny arabo sy arameana)
4 ka hatramin’ny 6 aogositra:
AJACCIO: Stade François-Coty, route de Sartène
PARIS 2: Stade Yves-du-Manoir, 12, rue François-Faber, boulevard Pierre-de-Coubertin, Colombes (hisy fandaharana amin’ny teny anglisy, vietnamiana ary fitenin’ny moana marenina)
Guadeloupe
14 ka hatramin’ny 16 jolay:
LAMENTIN: Terrain des Congrès des Témoins de Jéhovah, Vincent
21 ka hatramin’ny 23 jolay:
LAMENTIN: Terrain des Congrès des Témoins de Jéhovah, Vincent
28 ka hatramin’ny 30 jolay:
LAMENTIN: Terrain des Congrès des Témoins de Jéhovah, Vincent
Guyane frantsay
28 ka hatramin’ny 30 jolay:
CAYENNE: Centre Cultuel des Témoins de Jéhovah de la Guyane, P.K. 2,5 route de Stoupan, Matoury
Martinique
14 ka hatramin’ny 16 jolay:
RIVIÈRE SALÉE: Centre Cultuel des Témoins de Jéhovah de la Martinique, Thoraille
21 ka hatramin’ny 23 jolay:
RIVIÈRE SALÉE: Centre Cultuel des Témoins de Jéhovah de la Martinique, Thoraille
Belgique
28 ka hatramin’ny 30 jolay:
BRUXELLES: Parc des Expositions
Suisse
14 ka hatramin’ny 16 jolay:
GENÈVE: Palexpo
Etazonia
30 jona ka hatramin’ny 2 jolay:
FORT LAUDERDALE, FLORIDE: Salle d’assemblées des Témoins de Jéhovah, 20850 Griffin Rd.
14 ka hatramin’ny 16 jolay:
JERSEY CITY, NEW JERSEY: Salle d’assemblées des Témoins de Jéhovah, 2932 Kennedy Blvd.
Canada
14 ka hatramin’ny 16 jolay:
MONTRÉAL, QUÉBEC: Olympic Stadium, Pie IX Blvd. & Sherbrooke St.
21 ka hatramin’ny 23 jolay:
QUÉBEC CITY, QUÉBEC: Colisée, Parc de l’Exposition, 2205 avenue du Colisée
28 ka hatramin’ny 30 jolay:
CALGARY, ALBERTA (programme partiel): Stampede Corral, Stampede Park, 12th Ave. & 4th St. S.E.
HULL, QUÉBEC: Hull arena, Allard St.
Madagascar (amin’ny fiteny malagasy)
8 ka hatramin’ny 10 septambra:
ANTANANARIVO
22 ka hatramin’ny 24 septambra:
ANTSIRANANA sy FIANARANTSOA