FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w89 1/12 p. 23-30
  • Nanao ny fanompoana manontolo andro ho anton’asako aho

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nanao ny fanompoana manontolo andro ho anton’asako aho
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Izay namolavola ny fiainako
  • Nifidy ny anton’asako aho
  • Ny faritaniko voalohany
  • Fianakaviana mpitory maharitra
  • Maniry hanompo bebe kokoa aho
  • Ny fanompoako teto amin’ny Betela
  • Teo anatrehan’ny manam-pahefana
  • Niitatra ny fanontam-pirinty
  • Fividianana trano fitantanan-draharaha
  • Trano fonenana hafa
  • Fanompoana mahasambatra eto amin’ny Betela
  • Nandray Fitahiana Aho fa Nanompo Manontolo Andro
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2014
  • ‘Nanao Izay Tokony ho Nataonay Izahay’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • Ny fiainako tao anatin’ny fandaminana tarihin’ny fanahin’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Manankarena Amin’ny Fanompoana an’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
w89 1/12 p. 23-30

Nanao ny fanompoana manontolo andro ho anton’asako aho

NOSORATAN’I MAX LARSON

NANDAO an’i Danemarka ary niondrana ho any Etazonia tamin’ny 1910 ny reniko izay namoy ny ray aman-dreniny. Vao 18 taona izy ary tsy nahay niteny anglisy sady tsy nahalala na iza na iza tao amin’ilay tany.

Rehefa tonga tao New York izy dia nandray ny fiarandalamby nankany Dakota Atsimo ary nanao dia 2 400 kilaometatra. Tao amin’io Fanjakana io, izay nanorena’ny zanatany danoa fonenana, no nifankahitany tamin’ilay lehilahy izay ho tonga raiko. Nivady tamin’ny 20 septambra 1911 izy ireo.

Teo amin’ny fiandohan’ny 1913 ny raiko dia nandeha irery tamin’ny kalesy nisy labasy nankany Montana, ary nipetraka teo amin’ny faritra mbola nalalaka ka nanorina teo trano kotona tsy nanana afa-tsy efitra iray. Rehefa vitany izany tamin’ny lohataona, dia namonjy azy tamin’ny fiarandalamby ny reniko niaraka tamin’i Norman rahalahiko izay vao teraka amam-bolana monja.

Roa taona tatỳ aoriana dia tonga ny zaza faharoa. Araka ny vazivazy filazako matetika tatỳ aoriana dia “nanampy” ny reniko hametaka ny tafo aho: izany tokoa no nataony ny andro an-katoky ny nahaterahako, tamin’ny efitrano iray natovana tamin’ny tranonay. Ny ampitso àry, ny 29 aprily 1915, rehefa nody avy any an-tsaha mba hisakafo antoandro ny raiko dia nilaza taminy ny reniko nanao hoe: “Angamba hiteraka aho izany.” Ary dia niteraka ahy izy ny tolakandro. Ny hariva anefa, tamin’ny fahatongavan’ny raiko, dia efa nitsangana sady nahaomana ny sakafo izy!

Telo taona tatỳ aoriana dia tonga i Jeanne anabaviko, tao amin’io trano io ihany. Ny taona nanaraka, dia nankany atsinanan’i Montana izay nanofan’ny raiko toeram-piompiana izahay. Tamin’ny 1921 no teraka i Laverna anabaviko faharoa. Nihalehibe tao amin’ny tany lemaka midadasik’i Montana izahay efatra mianadahy.

Izay namolavola ny fiainako

Loteriana ny ray aman-dreniko ary nankany am-piangonana isaky ny alahady izahay enina mianaka. Tsy ela anefa dia notsidihin’ny mpifanolobodirindrina anisan’ny Fikambanana iraisam-pirenen’ny Mpianatra ny Baiboly (anaran’ny Vavolombelon’i Jehovah taloha) izay nanomboka niara-nianatra ny Baiboly taminy ny reniko. Rehefa afaka roa taona teo ho eo, dia nanaraka ireo fahamarinana ao amin’ny Baiboly izay nianarany ny reniko ary natao batisa tao anatin’ny fitoeran-drano fisotron-tsoavaly tamin’ny 1925. Tsy nisy nanaraka an’io finoany vaovao io na ny raiko, na ny rahalahiko, na ireo anabaviko na ny tenako; kanefa dia faly daholo izahay rehefa tsy niangona intsony tany amin’ny Fiangonana loteriana. Nilaza taminay mandrakariva i Neny hoe: “Tsy maniry hanompo an’i Jehovah ianareo, nefa aza mandika na oviana na ireo lalàny.” Niaro anay tamin’ny fahasahiranana maro ny toroheviny.

Enina izahay no nitrandraka tany 320 hektara niaraka tamin’ny soavaly 14 sy fiara mpitarika (tracteur) iray. Tsy nanana herin’aratra na rano izahay ka voatery nantsaka ny rano rehetra nilainay tany amin’ny fantsakana izay tany amin’ny efatra kilaometatra avy eo aminay. Taorian’ny haintany teo am-piandohan’ireo taona 30 sy efa-taona tsy nisian’ny vokatra, dia nanapa-kevitra ny ho any amin’ny Fanjakan’i Washington izahay. Tsy maintsy namindra ireo fitaovam-pambolena sy ny entana tao an-trano avy tany Montana nankany Washington izahay. Nanaraka ny “wagon” nitondra izany ary nanome hanina sy rano ny soavaly no anjarako. Henemana taorian’izay aho vao tonga tany amin’ny moron-tsiraka andrefan’i Washington.

Teo dia nanampy ny raiko hanangana sy hitantana toeram-piompiana namokatra ronono aho. Rehefa afaka herintaona teo ho eo, teo amin’ny faha-20 taonako, dia naniry ny hahaleo tena aho; lasa mpamily kamiôn’ny fanatsofana hazo tany an-tendrombohitra àry aho, ary nanao koa ny asan’ny mpampandeha milina teo amin’ny sambo iray tany Alaska nandritra ny enim-bolana. Tamin’ny 1938, dia nahazo asa tany Seattle izahay sy i Jeanne anabaviko ka nanorim-ponenana tao amin’ny sambokely iray teo amin’ny farihy Union. Tamin’io lohataona io, ny reniko, izay nipetraka tany amin’ny 80 kilaometatra niala avy eo aminay, dia tsy maintsy nanatrika ny fivoriambe isan-taonan’ny Vavolombelon’i Jehovah tao Seattle. Koa satria indroa mandingana avy eo amin’ny sambokelinay no nisy ny toeran’ny fivoriambe, dia nanasa azy hiantrano ao aminay izahay. Nekeny izany ary nanaiky hanatrika ny fivoriambe izahay.

Nifidy ny anton’asako aho

Ny asabotsy hariva, i Joseph Rutherford, prezidàn’ny Watch Tower Bible and Tract Society tamin’izay, dia nanao lahateny nitondra ny lohateny hoe “Ireo izay tia ny rariny”. Niresaka ny amin’ny fanompoana manontolo andro, izany hoe ny asan’ny mpitory maharitra, izy tamin’izay. Avy eo dia nilaza tamiko i Bill Griffith izay nipetraka teo anilako nanao hoe: “Eny tokoa ry Max! Andao isika hanao ny asan’ny mpitory maharitra!”

“Okay, andao àry, hoy ny navaliko.

— Vivazivazinao ve izany?

— Tsia. Taorian’iny lahateny iny dia niaiky mafy aho fa izany no safidy tsara tokony hatao.

— Ianao anefa mbola tsy la mpitory na vita batisa akory.

— Marina izany, nefa nilaza izy ireo hoe hisy fanaovana batisa rahampitso. Ho any aho.”

Nientanentana ery izahay sy i Bill nankany amin’ny sampan-draharaha mikarakara ny fitoriana haka fangatahana fanaovana ny asan’ny mpitory maharitra. Tao izahay dia nifanena tamin’i William Van Amburgh, mpitantsoratra sady mpitahiry volan’ny Fikambanana. Rehefa avy nanazava taminy ny fikasanay izahay, dia nitondra anay nitokana izy ary niresaka taminay toy ny ray nanao hoe: “Aoka ianareo tsy hiditra amin’io asa io toy ny manao fanandraman-javatra na mandeha amin’ny kisendrasendra. Manao ny safidy tsara ianareo, nefa ataovy toy ny anton’asa eo amin’ny fiainanareo izany.” Torohevitra izay nanampy ahy foana izany. Napetrakay sy i Bill àry ny fangatahanay ary, ny ampitso, ny 5 jona 1938, dia natao batisa aho.

Ny faritaniko voalohany

Ny andro nanaraka, izany hoe ny alatsinainy, dia nampahafantariko ny mpampiasa ahy fa hiala amin’ny asako aho mba ho tonga minisitra ara-pivavahana. Nandany an’io herinandro voalohany io aho tamin’ny fandinihana tamim-pitandremana ilay boky navoakan’ny Fikambanana farany indrindra nitondra ny lohateny hoe Fahavalo, sady nanatrika ny fivoriana rehetra. Nianatra ny Harena, ilay boky nivoaka talohan’ny farany aho ny herinandro faharoa. Nahazo ny faritany nanendrena ahy aho ny herinandro fahatelo: Raymond ao Washington.

Tao Raymond izahay sy i Bill dia nifankahita tamin’antokona Vavolombelona 27 izay nanao fivoriana tany an-tranon’ny iray taminy. Nahazo toromarika izahay hitarika ny fivoriana rehetra sy hanampy ireo mpitory ary hampiofana azy amin’ny fitarihana fampianarana Baiboly, izay asa vaovao tamin’izany fotoana izany.

Tamin’ny fivoriana momba ny asa voalohany, ny alakamisy, dia nangataka ny mpikarakara ny andiany, izany no fiantso ny mpiandraikitra prezidà tamin’izany, aho mba hiaraka amiko ny ampitso hariva hanandrana hitarika fampianarana Baiboly. Koa satria nilaza tamiko izy fa tsy afaka dia niaraka tamin’i Bill tany aho. Rehefa niverina izahay dia voasakan’ny filaharan’ny Legiona amerikana teo amin’ny fihaonan-dalana iray. Fahatairana re izany! Ny mpikarakara ny andiany no filohan’ilay filaharana.

Ny alahadin’iny ihany dia nanomboka ny fampianarana Baiboly voalohany tany an-tokantrano aho tamin’ny lehilahy iray. Avy eo dia nitarika vao voalohany ny fianarana Ny Tilikambo Fiambenana aho. Ambonin’izany, ilay izy dia ny nomerao 1 jona 1938 (frantsay) izay nampiditra ny fandaharana teokratika ao anatin’ny kongregasiona. Tamin’ireo mpikambana 27 tamin’ilay andiany, dia 3 monja no nanaiky ireo fandaharana teokratika vaovao ireo.

Fianakaviana mpitory maharitra

Vao haingana ny naha-mpitory maharitra ahy raha nanao ny fanompoana manontolo andro koa ireo anabaviko sy i Norman rahalahiko. Namidin’i Norman sy ny vadiny ny toeram-piompiany ary nividy trano fiara (caravane) mirefy 3,70 metatra izy dia lasa nitory niaraka tamin’i Joan, zanany vavy telo taona. Mikasika izany dia nanoratra tamiko i Norman, rehefa nandalo tao Raymond tamin’ny 1941, fa ireo Vavolombelona 24 izay nanda ny fandaharana teokratika tamin’ny 1938, dia nandao ny fahamarinana mba hiaraka amin’antokona mpivadi-pinoana. Fa ilay lehilahy voalohany niara-nianatra tamiko kosa no lasa mpikarakara ny andiany.

Efa ho hatramin’ny 24 taona izao, i Joan, zanak’i Norman vavy, sy i Maurice O’Callaghan vadiny dia mitsidika kongregasiona amin’ny maha-mpitety faritany ao amin’ny fizaran-tany. Tamin’ny 1949, dia nanaraka ny fianarana nataon’ny kilasy faha-12 an’i Gileada, sekoly ho an’ny misionera, i Laverna zandriko faravavy ary nalefa any Italia. Nanakoako haingana ny asa misionera tamin’izany fotoana izany tao amin’io tany io ka noroahina nankany Soisa izy, ary mbola any foana izy mivady no mipetraka.

Maniry hanompo bebe kokoa aho

Mpitory maharitra mandavantaona nandritra ny roa volana aho, avy eo dia voatendry ho mpitory maharitra manokana. Tamin’izany fotoana izany izahay sy i Bill dia nanana namana hafa iray, i Warren Henschel, zokin’i Milton Henschel lahimatoa. Mpikambana ao amin’ny Kolejy foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah i Milton amin’izao fotoana izao.

Mbola tsy ampy iray volana no naha-mpitory maharitra manokana ahy raha nijanona indray takariva tao amin’i Albert Hoffman aho. Izy no mpiandraikitra ny faritra, na mpitety faritany, ary nonina niaraka tamin’i Zola vadiny tao anaty trano fiara izay napetrany teo anoloan’ny Efitrano Fanjakana. Tamin’izany fotoana izany, nandritra ny fahasahiranana lehibe, dia natakalonay sakafo matetika ny zavatra vita an-tsoratra nanananay. Tamin’io andro io anefa dia nisy nanome ahy poara iray harona lehibe ary naniry hanolotra ny sasany an’i Albert aho. Faly izy ary nanasa ahy handroso.

Efa tokony ho tamin’ny 9 ora alina i Albert no nanomboka niresaka ny amin’ny Tranon’ny Baiboly (antsoina hoe Betela ankehitriny), ny foibe maneran-tanin’ny Vavolombelon’i Jehovah any Brooklyn (New York). Ny vadiny no nanapaka ny teninay tamin’ny farany nanao hoe: “Fantatrareo moa hoe amin’ny firy izao? Amin’ny 4 ora sy sasany!” Niresaka nandritra ny alina manontolo izahay! Talohan’ny nandehanako hatory tao amin’ny rihana ambany tafon’ny Efitrano Fanjakana, dia nanoratra tany amin’ny Betela aho mba hahazo taratasy fangatahana fidirana, ary avy teo dia nivoaka avy hatrany mba handefa ilay taratasy.

Noresahiko tao amin’ny vavaka nataoko tamin’i Jehovah isan’andro izany, ary telo volana tatỳ aoriana dia naharay tamim-pihetseham-po taratasy nanasa ahy ho any amin’ny Betelan’i Brooklyn aho. Talohan’ny nandehanako dia nomeko an’i Jeanne, anabaviko, izay tonga mpitory maharitra manokana koa teo anelanelan’izay, ny fiarakodiako. Rehefa afaka henemana nandehanana tamin’ny fiarabe namakivaky an’i Montana sy ireo Dakota roa tao anatin’ny tafio-dranomandry roa aho, dia tonga tany New York ihany ny 14 janoary 1939.

Ny fanompoako teto amin’ny Betela

Noraisin’i Grant Suiter, mpiandraikitra ny Betela aho ary avy teo dia nalefa tany amin’ny fanontam-printy mba hisehoako teo anatrehan’i Nathan Knorr, mpiandraikitra ny fanontam-printy. Namatotra baoritra feno boky tao amin’ny fandefasana entana ny asako voalohany. Ny herinandro nanaraka dia nafindra tany amin’ny rihana nisy ny milina fanontana mihodina aho. Nilaza tamiko i Nathan Knorr hoe: “Raha mianatra mitondra an’io milina fanontana io ianao ao anatin’ny enim-bolana, dia hankinina aminao izany satria ilay mpitondra azy amin’izao fotoana izao dia hafindra any amin’ny milina fanontana vaovao.” Nianatra nitondra ny milina fanontana aho ary nahafinaritra ahy tokoa io asa io.

Tao amin’ny milina fanontana mihodina aho hatramin’ny herintaona sy tapany rehefa nanatona ny milina fanontana i Nathan Knorr indray andro ka nanao tamiko hoe: “Max a, ahoana no eritreritrao raha miasa any amin’ny birao ianao?”

“Oadray ry rahalahy Knorr, tsy hifidy asa toy izany mihitsy aho! Nefa raha ankinina amiko izany dia hataoko ho ny zavatra hilofosako voalohany.”

“Tongava ao amiko any amin’ny birao amin’ny alatsinainy maraina.”

Ao amin’ny birao foana aho hatramin’izay. Tamin’ny voalohany dia lefitr’i Nathan Knorr aho. Avy eo, rehefa nanjary prezidà i Nathan Knorr tamin’ny nahafatesan’i Joseph Rutherford, tamin’ny 8 janoary 1942, dia notendrena ho mpiandraikitra ny fanontam-printy aho. 26 taona aho tamin’izay ary vao telo taona no nahatongavako tao amin’ny Betela. Toa tena navesatra tamiko àry ny andraikitra.

Nitondra ho ahy ny fanohanany feno fitiavana anefa ireo mpiandraikitra voahosotra tao amin’ny sampan-draharaha samy hafa tao amin’ny fanontam-printy. Nanana fihetsika feno fanetren-tena sy tia fiaraha-miasa izy ireo ka izany dia nampitombo ny fitiavako sy ny fanajako azy. I Nathan Knorr anefa no nanampy sy nampiofana ahy indrindra. Nandritra ny 35 taona mahery, hatramin’ny nahafatesany tamin’ny 1977, dia nanana tombontsoa niara-niasa taminy aho teo amin’ireo raharaha rehetra nahakasika ny fanontana sy ny fanorenana. Nanana fahaizana mandamin-javatra niavaka izy ary nanampy ahy betsaka tamin’ny famitako ny asako.

Teo anatrehan’ny manam-pahefana

Nandritra ny Ady Lehibe Faharoa, dia nisy tsy fahampiana lehibe teo amin’ny akoran-javatra nilainay mba hanohizana ny asa fanontana nataonay. Noho izany dia imbetsaka isan-taona aho nankany Washington renivohitra mba hihaona amin’ny mpanolo-tsaina momba ny famokarana nandritra ny ady sy ny vaomieran’ny Antenimieran-doholona. Nangataka mafy tamin’ireny fandaminana ireny ny fahazoana taratasy sy fitaovana hafa aho ary notahin’i Jehovah tokoa ireny fiezahana ireny.

Indray andro dia nanao ny fangatahako aho tamin’ny fampisehoana pejin-gazety nalaza izay nisy dokam-barotra mikasika zavatra tsy misy antony. Nanondro ny dokam-barotra pejy iray manontolo momba ny kapaoty volom-biby, izay nivoaka tao amin’ny gazety nalaza indrindra tao New York aho ka niteny hoe: “Ny habetsahan’ny taratasy nampiasaina tamin’ity dokam-barotra ity ao amin’ny fanontana indray alahady monja dia mitovy amin’ny lanja fanampiny rehetra izay angatahanay mandritra ny iray taona maninjitra.”

“Tsara ny teninao”, hoy ny navalin’ny senatera iray. Noho ny nitahian’i Jehovah izay nataoko, dia tsy nisy mihitsy fotoana nandritra ny ady nahavoatery anay hampijanona ny milina fanontana noho ny tsy fahampian’ny taratasy na fitaovana hafa. Miharihary anefa fa tsy nila taratasy be dia be toy ny amin’izao fotoana izao izahay.

Niitatra ny fanontam-pirinty

Roa ambin’ny folo taona talohan’ny nahatongavako tao amin’ny Betela, ny Fikambanana dia nanorina teo amin’ny 117 Adams Street ny fanontam-printiny voalohany, nisy rihana fito izay naka ny antsasaky ny tany voahodidin’ny arabe. Tamin’ny 1949 anefa, dia tsy maintsy naorina teo amin’ny tapany faharoa amin’io tany io, ny trano be nisy rihana valo ka ny tapany taminy dia natokana ho an’ny fanontam-printy ary ny sisa ho an’ny birao. Voaforon’ny fanontam-printy lehibe nanana velaran-gorodona 15 000 metatra tora-droa àry ny fitambarany manontolo.

Tamin’izay fotoana izay no nampiandraiketina ahy ny fitarihana ny fanorenana ho an’ny foiben’ny Fikambanana. Tamin’izay izahay dia tsy nanana tao Brooklyn afa-tsy trano tokana ho an’ny birao sy ny fanontam-printy, ary trano fonenana iray. Amin’izao fotoana izao anefa, 40 taona atỳ aoriana, dia manana trano folo izahay ho an’ny asa fanaovana printy sy fitantanana, ary eo amin’ny roapolo ny trano fonenana, ao Brooklyn fotsiny!

Teo amin’ny fiandohan’ireo taona 50, dia nanandrana nividy tany teo anoloan’i Adams Street izahay, teo ambony kokoa noho ilay nisy ny tranonay teo amin’ny 117 ary terỳ ampitan’ny arabe, nefa tsy nanaiky ny vidiny natolotray ny tompony. Raha ny marina dia tsy vonona ny hifampiraharaha mihitsy izy, satria nihevitra fa handoa ny vidiny lafo be notakiny ny Fikambanana. Nitodika tany amin’ny fitambaran-tany teo atsinanan’ny fanontam-printin’i Adams Street àry izahay, terỳ amin’ny ilany nisy an’i Pearl Street. Izany dia tany voaforon’ny tapany valo niavaka tsara. Voatery nifampiraharaha nitokana tamin’ny tompon’ny tany tsirairay avy izahay. Nataon’i Jehovah anefa izay hisian’ny lalana hahazoanay ireo tany valo ireo tao anatin’ny herintaona tamin’ny vidiny 97 dôlara monja ny metatra tora-droa!

Nandritra ireo taona 1955 sy 1956, ny Fikambanana dia nanorina teo amin’io toerana io trano fanontana printy misy rihana 12 izay manana fidirana avy eo amin’ny 77 Sands Street. Io no trano fanontam-printy faharoa nanananay izay nampitombo maherin’ny avo roa heny ny velaran-gorodonay, izany hoe 33 000 metatra tora-droa. Kanefa satria nitatra haingana ny asanay, dia takatray fa tsy ela dia hila toerana lehibe kokoa izahay. Noho izany, tamin’ny 1958 izahay dia nividy ny trano fanontam-printy efa nisy teo amin’ny zoron’i Prospect Street sy Pearl Street izay nataonay fitoeran’entana tamin’ny voalohany.

Tamin’io fotoana io, ny hany toerana azonay nampifandraisana ireo trano hafa nananany tamin’ny alalan’ny tetezana, dia ilay tany terỳ ambony kokoa ary efa nandramanay novidina. Takatray anefa fa tsy maintsy hanandrana haka vola tsy toko tsy forohana foana ilay tompony raha miverina mangataka ny Fikambanana Watch Tower. Nangataka mpanera àry izahay hanandrana hividy io tany io; nahazo izany tamin’ny vidiny ambany lavitra noho izay nanombananay azy izy. Tsy lazaina intsony ny hatezeran’ilay tompony rehefa fantany fa nomena ny Fikambanana Watch Tower ny filazana fananan-tany!

Tamin’ny 1966 sy 1967, dia nanorina trano fanontam-printy misy rihana sivy manome velaran-gorodona 21 000 metatra tora-droa teo amin’io tany io izahay. Hatramin’izay izahay dia nanana fanontam-printy voaforon’ny fitambaran-trano efatra izay samy ampifandraisin’ny tetezana. Tatỳ aoriana, tamin’ny 1983 sy 1986, dia nividy trano fanaovan-taozavatra roa terỳ ambany kokoa izahay. Nanorenanay tetezana 49 metatra mampitohy an’ireo trano ireo tamin’ireo efatra hafa teo ambonin’ilay arabe izay nampisaraka azy. Ireo trano enina mifandray ireo dia manana velaran-gorodona 95 000 metatra tora-droa amin’ny fitambarany, izany hoe maherin’ny sivy hektara. Tamin’ny 1983, dia nividy ilay trano lehibe teo amin’ny 360 Furman Street koa izahay (velaran-gorodona 93 000 metatra tora-droa) fitambaran-trano vitsivitsy erỳ lavidavitra kokoa, eo amoron’ny fitodian-tsambo, izay anaovana ny fandefasana entana amin’izao fotoana izao.

Fividianana trano fitantanan-draharaha

Zavatra mahaliana hafa iray koa tamin’izany vanim-potoana fividianan-trano na tany izany dia ny an’ny fitambaran-trano fanamboarana fanafody Squibb, voaforon’ny trano folo mifandray. Nazeranay ny efatra taminy, ary nanorina trano iray mifanila amin’ny iray hafa izay efa nisy izahay mba hahaforona ny fitambaran-trano eo amin’ny 25 Columbia Heights, ny foibe maneran-tanin’ny Fikambanana Watch Tower amin’izao fotoana izao. Tamin’izao fomba izao no nanaovanay izany fividianana izany:

Nikasa ny mbola hanitatra ihany ny tranonay izahay tany amin’ny 1969. Tsy nihilangilana anefa ny toe-karena, hany ka tsy naniry hivarotra ireo tompon-tany na trano izay nohatoniko teo amin’ny faritanàna.

Tamin’izany fotoana izany dia nankany Caroline Avaratra aho mba hihaona amin’ilay mpamatsy taratasy fanaovana Baiboly anay. Tany, dia anjoanjo fotsiny no nitenenako tamin’ny mpiasa iray fa mitady trano hovidina any Brooklyn izahay. Ny rahalahin’io lehilahy io anefa dia mpinamana akaiky amin’ny iray tamin’ireo tompon’ny fitambaran-trano fiasana Squibb. Nataony izay hisian’ny fifandraisana nilaina, avy eo dia nasainy niantso an’io lehilahy io aho raha vao tonga tany Brooklyn.

Izany no nataoko, ary nanamafy tamiko io tompony io fa nikasa hivarotra ny tranony ao Brooklyn ny Squibb ato ho ato, mba hiorim-ponenana any ivelan’ny tanàn-dehibe. Rehefa ho vonona ny zava-drehetra hoy izy tamiko, dia hiantso antsika izy ary hataontsika ny ady varotra. Nandeha ny volana, dia nandray ny antso an-telefaonina nampanantenaina izahay: niomana ny hivarotra ireo tompon’ny trano ary nifanao fotoana tany amin’ny biraony izahay ny ampitson’iny.

Nifandinika izahay sy i Nathan Knorr mba hanombanana izay vidiny hatolotray. Tamin’ny fotoana nifanaovanay ny ampitso dia nilaza taminay ireo tompon’ny trano fa tsy azo iadiana varotra ny vidiny: “Mila telo tapitrisa dôlara tolo-botsitra izahay.” Mody tsy niseho ho taitra izahay sy i Nathan Knorr; ambany lavitra tokoa noho izay noheverinay sy i Nathan Knorr tokoa ilay izy. Tsy ilaina ny milaza fa raikitra haingana ny varotra. Vao nahavita ny trano fanaovana printy izay nandanianay vola efatra tapitrisa dôlara izahay tamin’izay fotoana izay, nefa rehefa hitan’ireo mpanompon’ny Tompo fa mbola nila vola izahay, dia niolomay nanome anay izay nilaina izy ireo.

Trano fonenana hafa

Tany amin’ireo taona 50 dia nividy tany mifanatrika amin’ny 124 Columbia Heights izahay ary nanorina trano be fonenana tamin’ny 1959 ka hatramin’ny 1960. Nanomboka tamin’ny 1965 anefa, dia nanjary nanahirana kokoa ny fanorenana trano fonenana. Tamin’io taona io dia nambaran’ny mpiandraikitra ny faribohitra ho toerana manan-tantara ilay faritanàna misy ny Betela. Nitondra fameperana mafy teo amin’ny fanorenana sy fanavaozana trano io fanapahan-kevitra io. Noho Jehovah anefa, dia nahavita izay nilainay hatrany izahay.

Tamin’ny 1967 ohatra, dia nametraka fangatahana hanorina trano be fonenana misy rihana dimy eo amin’ny 119 Columbia Heights izahay. Noho ny fitsipika vaovao dia efa nampihena ho dimy ny rihana 11 nomanina tany am-piandohana izahay. Na dia izany aza, dia naniry ny mbola hanesoranay rihana iray ihany ireo manam-pahefana teo amin’ny faribohitra.

Nifandray tamin’ny prezidàn’ny distrikan’i Brooklyn aho tamin’ny jona. Nilaza tamiko izy fa raha mety ho vitanay ny fototra alohan’ny septambra, daty ivorian’ny Komity mikarakara ny tanàn-dehibe, ny filan-kevitra ambony indrindra momba ny tanàn-dehibe, dia hanandrana hiaro ny rihana dimy amin’ny tranonay izy. Nohafainganina ny fanomanana ny fanorenana, ary tamin’ny septambra dia voapetraka ny fanorenana.

Niantso ahy ny prezidàn’ny distrika ny an-katoky ny andro hanaovana ny fihainoana ampahibemaso ny raharahanay. Nangataka anay izy ho tonga any amin’ny lapan’ny tanàna adiny roa alohan’ny hanokafan’ny Komity mikarakara ny tanàn-dehibe ny fivoriana ampahibemaso, mba hihaona aminy any amin’ny efitrano iray any ambadika. Ny ampitson’iny, dia tonga aloha be teo amin’ny lapan’ny tanàna i Nathan Knorr niaraka tamin’i Grant Suiter, mpitantsoratra sady mpitahiry volan’ny Fikambanana, ary ny tenako. Mbola teo am-pitadiavana ny fomba tsara indrindra hanazavana ny toe-javatra misy anay teo anatrehan’ny Komity mikarakara ny tanàn-dehibe izahay raha nitranga ny zava-nanahirana ara-teknika: nahakasika ny vaomieran’ny drafitry ny tanàn-dehibe izany. Tsy maintsy niantso olona mba hanazava ilay raharaha. Nilaza avy hatrany ny kaomiseran’ny drafitry ny tanàn-dehibe fa ny tenany ihany no hikarakara ilay raharaha. “Koa satria hahita fanoherana betsaka ny raharahanareo, hoy izy, dia vonona ny hisolo tena ny Fikambanana Watchtower eo anatrehan’ny Komity aho.”

Niharihary fa nahafaly anay ny fanoloran-keviny. Toy izao anefa ny fomba fanaon’ny Komity mikarakara ny tanàn-dehibe: antsoina tsirairay ny raharaha hita ao amin’ny fandaharana ho an’ny andro, ary raha misy fanoherana tokony hohainoina dia ahemotra ny tolakandro ny fandinihana ilay raharaha. Raha tsy misy fanoherana dia tapahiny avy hatrany ilay raharaha. Nantsoina vao maraina be àry ny raharahanay; nitsangana ilay kaomiseran’ny drafitry ny tanàn-dehibe ka nilaza tamin’ny lehiben’ny tanàna nanao hoe: “Maniry hisolo vava ny Fikambanana Watchtower aho.”

“Fantatrao fa tsy mamela ny isian’ny fiadian-kevitra mandritra ny fiantsoana voalohany ilay raharaha ny fomba fanaontsika [satria mazàna dia avela ho amin’ny tolakandro ny fiadian-kevitra], hoy ny navalin’ny lehiben’ny tanàna. Fantatro anefa fa tena sahirana ianao kaomisera, noho izany dia tsy hanao toy ny mahazatra aho fa manaiky ny fangatahanao.” Nanazava ny toerana misy anay àry ilay kaomisera, ary niray hevitra tanteraka ny Komity mikarakara ny tanàn-dehibe rehefa nifidy hanaiky ny fangatahanay. Tamin’ny fotoana nandaozanay ny efitrano fitsarana dia nihazakazaka tao an-dalan-tsara ilay mpisolovava nanohitra sady nikiakiaka nanao hoe: “Manana lahateny maharitra adiny iray manohitra an’io raharaha io aho.” Diso aoriana loatra anefa ny fahatongavany! Nanohy fotsiny ny lalanay izahay, nisaotra an’i Jehovah noho io fandresena io.

Voatery miaiky aho fa tena tombontsoa lehibe ho ahy ny misolo tena ny Fikambanana amin’ny fikarakarana raharaha toy izany isan-taona. Ary fifaliana toy inona izany hoe vavolombelon’ny fitomboana lehibe eo amin’ny fitoriana maneran-tany izay nahatonga ny fividianana ireny trano rehetra ireny hilaina! Nisy zavatra nanampy ahy betsaka tamin’ny fikarakarana ireny raharaha ireny dia ny fanendrena ahy ho prezidà lefitry ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, ny 1 janoary 1977.

Fanompoana mahasambatra eto amin’ny Betela

Hatramin’ny nahatongavako teto amin’ny Betela tamin’ny 1939, ny mpianakavian’ny Betela izay 185 dia tafakatra ho 2 800 ao Brooklyn ary maherin’ny 900 any amin’ny Toeram-piompian’ny Fikambanana Watchtower. Matetika no misy manontany ahy manao hoe: “Inona no nanampy anao hijanona ao amin’ny Betela nandritra ireo 50 taona ireo?” Tsy miova ny valinteniko manao hoe: “Tsy nisaina zavatra hafa mihitsy ankoatra ny fanompoana eto amin’ny Betela aho.”

Ambonin’izany, tao amin’ny fangatahana fidirana ho ao amin’ny Betela izay nofenoiko sy nosoniaviko dia nisy izao fanontaniana izao: “Manaiky ny hijanona ao amin’ny Betela mandra-pakan’ny Tompo anao ve ianao?” Tsy naka ahy ny Tompo; mbola ao àry aho, sambatra manompo an’i Jehovah. Hatramin’ny andro nanolorako tena ho an’Andriamanitra dia tapa-kevitra ny hanao ny fanompoana manontolo andro ho anton’asako aho.

Nandritra ireo taona voalohany naha-teto amin’ny Betela ahy, dia tsy noheverina fa ho azo atao ny manambady; noho izany, toy ny maro hafa dia nahita fifaliana tamin’ny fijanonana ho mpitovo sy ny fanompoana teto amin’ny Betela aho. Rehefa niova anefa ny fomba fijerin’ny Betela ny fanambadiana, dia nanambady an’i Helen Lapshanski aho ny 7 aprily 1956. Tonga tao amin’ny Betela tamin’ny 1951 izy. Hatramin’izay dia mihevitra ho zava-dehibe ny fiarahana sy ny fifanohanana izahay.

Vao haingana no nivadianay raha voan’ny “sclérose en plaques” i Helen; tao anatin’izao taona faramparany izao dia nihombo be ny aretiny. Nefa noho ny milina fampandehanana sy ny seza mandeha amin’ny aratra dia afaka mandehandeha izy. Nitana toe-tsaina mendri-piderana sy falifaly mandrakariva izy, ary manatontosa isan’andro ny asany ao amin’ny biraon’ny Betela.

Nandritra ny fahazazanay dia tsy nifankafoy tokoa izahay sy i Jeanne anabaviko ary nanao zavatra maro niaraka. Naniry foana ny hanaraka ahy àry i Jeanne, ary toy izany no nahatonga azy nasaina ho eto amin’ny Betela tamin’ny 1943. Nanambady an’i Russell Mock izy tamin’ny 1952; samy anisan’ny fianakavian’ny Betela izy roa ary manompo an’Andriamanitra eo anilanay.

Mino mafy aho fa ny Betela no toerana tsara indrindra azo iainana alohan’ny fanorenana ny Paradisa eto an-tany. Tsy nanenenako mihitsy na dia segondra iray aza ny nanaovako ny fanompoana manontolo andro ho anton’asako. Nahita fifaliana lehibe aho nankasitraka sy nandray anjara tamin’ny fitomboana mahafinaritra hitan’ny fandaminan’i Jehovah eto an-tany. Tapa-kevitra ny hanohy hanao ny Betela ho fonenako ary hanolotra ny fanahiko manontolo ho amin’ny fanompoana ny tombontsoan’ilay Fanjakana aho, noho ny fanampian’i Jehovah.

[Teny notsongaina, pejy 30]

“Mino mafy aho fa ny Betela no toerana tsara indrindra azo iainana alohan’ny fanorenana ny Paradisa eto an-tany.”

[Sary, pejy 24, 25]

Etsy ambony: Ny trano eo amin’ny 360 Furman Street, novidina tamin’ny 1983.

Eto ambany: Ny trano eo amin’ny Columbia Heights izay novidina tamin’ny fikambanana mpanamboatra fanafody Squibb tamin’ny 1969.

Eo ankavia: Nanampy sy nampiofana ahy betsaka indrindra i Nathan Knorr.

Etsy ambany: Nanomboka tamin’ny 1986 izahay dia nanana fitambaran-trano enina mifampitohy amin’ny alalan’ny tetezana ho an’ny fanontam-printy.

[Sary, pejy 27]

Ny trano fanontam-printy taorian’ny fanitarana azy tamin’ny 1949.

[Sary, pejy 30]

Ny andron’ny fampakaram-badianay.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara