Indray mitopy maso amin’ny vaovao
“Tsy naman’izao tontolo izao”
Teo am-pifaranan’ny fotoana nihaonan’ny Fiangonana evanjelika alemanina, ny prezidan’ny Fiangonana, Helmut Simon, dia nampirisika ireo olona iray hetsy mahery nivory tao amin’ny Kianja Olimpikan’i Berlin andrefana, mba handray anjara amin’ny politika.
Notanisain’i Simon ny karazan-draharaha toy ny fampiasana tsara ny fananana, ny fiarovana ny tontolo iainana, ny fanorenana fandehan-javatra ara-toe-karena marina, ny famaranana ny fifaninanana manao fitaovam-piadiana, ary ny fanafoanana ny tsy fananana asa. Tsapany fa izany dia anisan’ny fandrahonana ny taranak’olombelona tsy ahitam-panafodiny. Mba hitarihana ny mpihaino azy hanaiky fa mahadodona ireo raharaha ireo, dia “nilaza izy”, hoy ny gazety alemanina Frankfurter Allgemeine Zeitung, fa “tsy hisy zavatra tsara kokoa mety hitranga amin’ny fitambaran’olona any andrefana sy any atsinanana noho ny fandraisan’ny olom-pireneny anjara amin’ny politika”. Nampirisika ny mpanatrika rehetra i Simon “mba hihevitra izany filatsahana izany ho toy ny adidy ary io fihaonan’ny fiangonana io ho toy ny fihetsiketsehana protestanta ho an’ny zon’ny olom-pirenena”.
Kanefa, moa ve ny tena kristiana afaka handray anjara ara-drariny amin’ny fihetsiketsehana ara-politika toy izany? Moa ve i Jesosy tsy nilaza fa ny mpanara-dia azy dia “tsy naman’izao tontolo izao, tahaka [azy] tsy naman’izao tontolo izao”? (Jaona 17:16.) Nampianatra ny mpanaraka azy mba hivavaka ny amin’ny Fanjakan’Andriamanitra, hany fanantenana marina ho an’ny olombelona, i Jesosy. Nahoana? Satria, araka ny voalazan’i Daniela mpaminany fahiny ela be, ny Fanjakan’Andriamanitra dia ‘hanorotoro sy handevona’ ireo fitondram-panjakana maneran-tany tsy mahomby, fa “izy kosa hitoetra mandrakizay”. — Daniela 2:44.
Moa ve tsy fahotana ny mangalatra?
Fahotana ve ny mangalatra? Tsy toy izany foana no izy araka ny voalazan’ilay pretra katolika atao hoe Ivo Storniolo. Ny gazety breziliana O Estado de S. Paulo dia nanonona ny tenin’i Storniolo izay nanambara fa “Andriamanitra dia mitahy sy manaiky ny maha-ara-dalàna ny halatra ataon’ny mahantra”. Tatỳ aoriana, izy dia nilaza fa tsy nanisy fitenenana afa-tsy “ny amin’ny mahantra izay nangalatra mba hahavelona”. Araka ny hevitr’io pretra io, ny ankizy maditra izay mangalatra dia tsy tokony hofaizina, noho izy ireo “norobain’ny mahery teo aloha”. Manamarika ny gazety O Estado fa “araka ny heviny manokana”, ny marginais [ny olona hamavoina na tsy mendrika eo amin’ny fiaraha-monina, amin’ny ankapobeny, dia mahantra sy tsy an’asa] koa dia ‘anisan’ny olom-boafidin’Andriamanitra’.”
Manohana ny fomba fihevitra toy izany ve ny Baiboly? Tsia dia tsia tokoa. Raha nampirisika ny mpanara-dia azy mba hampiseho fangorahana ny mahantra i Jesosy, dia tsy nilaza na oviana na oviana fa ny zava-manahirana ara-tsosialy toy ny fahantrana dia manamarina ny halatra. Nanoratra toy izao kosa ny apostoly Paoly: “Aoka izay nangalatra tsy hangalatra intsony; fa aleo hikely aina ka hiasa izay tsara amin’ny tanany, mba hisy homeny izay tsy manana.” — Efesiana 4:28.
Varotra sampy
Ny fampisehoam-pirenena ny amin’ny zavatra sy fanaka ara-pivavahana natao tany avaratr’i Italia dia nahafahan’ny fikambanam-barotra 97 nampiseho ny zava-bitany. Anisan’ny zavatra naseho ny toerana fanaovana konfesy nohafanaina sy tsy mamoaka feo ho ren’ny any ivelany, nisy makarakara ho fitandremam-pahasalamana ary seza misy kidorony. Nisy koa labozia fanalam-boady misy sarin’ny “papa Joany”, tsy misy fofona sy maharitra efapolo ora vao lany, fitambaram-peon-dakolosim-piangonana avoakan’ny ôrdinatera; vatakely vy fitehirizan-drakitra lazaina fa “voaro mafy”; ao koa ny “vidéo” fanabezana ankizy (ohatra, Ny Baiboly araka an’i Jaona kely, anglisy); ary ny kitapo kely vita amin’ny solon-koditra misy izay ilaina amin’ny lamesa an-kalamanjana.
Hita tao amin’io tsena lehibe io ihany koa ny lamaody ho an’ny klerjy. “Mpamorona lamaody ara-pivavahana” roa no nanazava tao amin’ny gazety italiana La Stampa fa ‘ambonin’ny zavatra rehetra, ny pretra tanora dia maniry fisehoana ivelany vaovao, hitafy tena volonondry misy amboradara alemanina, didiny mahitsy, tsotra na dia ambony vidy aza. Ary mandeha tsara ny varotra noho ny fitahian’Andriamanitra.’
Ny fizahan-tany ara-pivavahana koa dia mampitombo ny vola miditra ho an’ny varotra. Mitantara ny gazety italiana La Repubblica fa “isan-taona dia olona 15 tapitrisa no mandeha lavitra noho ny antony ara-pivavahana, ary ireo mpikarakara ireny dia ireny, na ara-pivavahana na tsia, dia mifaninana mba hahazo azy.” Ho ohatra ny amin’izany, ny gazety italiana II Messaggero dia milaza ny amin’ny bazilikan’i “Masindahy” Antoine de Padoue, fa “mandany vola an-tapitrisany maro ny olona, tsy any amin’ny hotely ihany fa indrindra ao amin’ny fitehirizan-drakitry ny bazilika mba hividianana sary masina sy fahatsiarovana”.
Tsy mahagaga àry, rehefa horavana ny fivavahana lazaina fa kristiana miaraka amin’ny fivavahan-diso rehetra, raha ‘hitomany sy hisaona azy ny mpandranto amin’ny tany.’ Manohy toy izao ny Apokalypsy 18:11: “Fa tsy hisy mpividy intsony ny entany.”