“Ny satroboninahitra sy ny vavolombelona”
“DIA nitondra ny zanakalahin’ny mpanjaka nivoaka [i Joiada mpisorona] ary nametraka teo amboniny ny satroboninahitra sy ny Vavolombelona; ary tamin’izany dia nataon’izy ireo mpanjaka sy nohosorany izy.” (2 Mpanjaka 11:12, MN). Toy izany no ilazalazan’ny bokin’ny Mpanjaka ny fanolorana satroboninahitra an’i Joasy mpanjaka. Voamarikao ve fa, ankoatra ny “satroboninahitra”, na satroky ny mpanjaka, dia nametraka “ny Vavolombelona” koa teo ambonin’ilay mpanjaka tanora i Joiada? Fa inona io Vavolombelona io? Ary nahoana izy io no anisan’io fombafomba amin’ny fanolorana satroboninahitra io?
Ny teny hebreo nadika eto hoe “Vavolombelona”, dia mazàna manondro ny Didy Folo na ny Lalàn’Andriamanitra amin’ny ankapobeny. (Eksodosy 31:18, fanamarihana ambany pejy; Salamo 78:5.) Mifanaraka amin’izany, dia vakina toy izao ny fitantarana mifanitsy amin’io ao amin’ny 2 Tantara 23:11 ao amin’ny Ny Baibolin’i Jerosalema (1966): “Dia nitondra ny zanaky ny mpanjaka nivoaka i Joiada, nampisatroka azy ny satroboninahitra, ary nametraka teo aminy ny Lalàna.” Kanefa ao amin’ny 2 Mpanjaka 11:12, io fandikan-teny io dia manolo ny teny hoe “ny Vavolombelona” amin’ny hoe “fehin-tanana”, na dia teny hebreo iray ihany aza no hita ao amin’ireo andininy roa ireo. Nahoana?
Ny fanazavana ny Baiboly amin’ny fiteny alemanina malaza iray, Herders Bibelkommentar, dia manazava fa tsy afaka maka sary an-tsaina ny mpanjaka nitondra ny Lalàna teo ambony lohany na teo amin’ny sandriny ny mpandika teny sasany. Koa satria rehefa miresaka ny amin’i Saoly mpanjaka ny 2 Samoela 1:10, dia manonona fehin-tanana (na haba) iray miaraka amin’ny satroboninahitra izay nanaovany, dia mino izy ireo fa ny teny ao amin’ny 2 Mpanjaka 11:12 dia tsy maintsy novakina hoe “ny satroboninahitra sy ny fehin-tanana” tany am-boalohany. Tombantombana ihany anefa izany. Ny fanoloana ny hoe “ny Vavolombelona” amin’ny hoe “fehin-tanana” dia fanovana tanteraka ny teny.
Ny Baibolin’i Jerosalema Vaovao (1985) àry dia mamerina amin’ny laoniny ny hevitra ny amin’ny Lalàna, na faneken’ny lalàna, ka mandika ilay fitenenana hoe: “ary nanome azy kopian’ny fanekena.” Kanefa, moa ve i Joiada nanome “ny Vavolombelona” an’i Joasy? Marina fa ny teny hebreo nadika hoe “nametraka” dia azo adika koa hoe “nanome”. Kanefa ao amin’ny bokin’ny Mpanjaka sy Tantara dia miseho indray mandeha monja izy io, ary mahakasika ny satroboninahitra sy ny Vavolombelona miaraka. Ambonin’izany, izy io dia arahin’ilay teny hebreo hoe “eo ambonin’ny” avy hatrany. Noho izany, dia ny hoe “nametraka teo amboniny” no tsy maintsy fandikan-teny mety. Samy ‘napetraka teo ambonin’i’ Joasy mpanjaka tanora na ny satroboninahitra na ny Vavolombelona, araka ny asehon’ny Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao.
Koa nahoana — ary tamin’ny fomba ahoana — no ‘nametrahan’ilay’ mpisoronabe ny Vavolombelona teo ambonin’ilay mpanjaka tanora? Hevero ny fanamarihana nataon’i Otto Thenius, manam-pahaizana alemanina: “Ny Lalàna, boky iray mirakitra ireo didin’i Mosesy. Notazonina ara-panoharana teo ambonin’ny lohan’ilay mpanjaka izany, rehefa avy noravahana tamin’ny satroboninahitra izy.” (Die Bücher der Könige). Toy izany koa, ny Profesora Ernst Bertheau dia nanao fanamarihana hoe: “Ny fametrahana ny Lalàna [teo ambonin’ny mpanjaka] dia marina tokoa fa nanana heviny ara-panoharana, dia ny hoe voatery nanapaka nifanaraka tamin’izy io ilay mpanjaka.” — Die Bücher der Chronik.
Nanome didy Andriamanitra fa, rehefa nipetraka teo amin’ny seza fiandrianana ny mpanjaka, dia tokony hanao kopia ny Lalàna ho an’ny tenany, hianarany sy hotandremany mandritra ny fiainany manontolo. (Deoteronomia 17:18-20). Ny fametrahana “ny Vavolombelona” teo ambonin’ilay mpanjaka vaovao dia nety ho fihetsika ara-panoharana kely fotsiny nampisehoana fa, na dia mpanjaka aza izy izao, dia tsy ambonin’ny Lalàn’i Jehovah akory. Nampalahelo fa, taorian’ny nahafatesan’i Joiada mpisoronabe, dia nanadino an’io fianarana tena lehibe io i Joasy ary nandao tsikelikely ny fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah, ka tamin’ny farany dia maty novonoin’olona. — 2 Tantara 24:17-25.