“Nirehitra ny hatezerako”
Nanoratra toy izao ny ankizivavy iray 15 taona avy any Knoxville, any Tennessee (Etazonia): “Naniry ny hisaotra anareo aho noho ilay boky vaovaonareo hoe Les jeunes s’interrogent — Réponses pratiques. Nahafinaritra be ahy ny namaky azy io.”
Avy eo izy dia nanazava ny antony nanosika azy hanoratra: “Nirehitra tamin’ny anadahiko ny hatezerako satria natorony aho fa tsy nanao zavatra iray tokony ho nataoko tao an-trano. Efa voalamina ilay izy izao, ary mahatsiaro tena ho meloka aho ka niakatra tato amin’ny efitranoko mba hanoratra atỳ aminareo sy mba hamaky ilay hoe ‘Nahoana no sarotra erỳ ny mifanaraka amin’ny zokiko na ny zandriko?’ (Toko faha-6). Fantatro fa hanampy ahy izany mba hiatrehako ireo zava-manahirana amin’ny hoavy.”
Miatrika fanontaniana maro izay mitaky fahaiza-mitsara zavatra ireo tanora: Efa vonona ho amin’ny fifaneraserana amin’ankizilahy na ankizivavy tsy tahaka ahy ve aho? Ahoana no hialako amin’izay heveriko fa fitiavana olona iray? Ahoana ny amin’ny firaisana alohan’ny fanambadiana? Ahoana no ahafantarako raha tena fitiavana izao? Asa atao antom-piainana inona no hofidiko? Ahoana no handreseko ny fanerena avy amin’ireo mitovy taona amiko? Raha ny amin’ny fanontaniana toy izany sy ny hafa koa, dia mila valiny mitondra vokany ny tanora.
Mihevitra izahay fa hahasoa anao be dia be ny boky hoe Les jeunes s’interrogent — Réponses pratiques, izay misy toko iray momba ny tsirairay amin’ireo fanontaniana ireo. Azonao atao ny hahazo iray amin’io zavatra vita an-tsoratra feno sary tsara tarehy io amin’ny famenoana sy fandefasana ilay tapakila eto ambany.
Maniry ny hahazo ilay boky mifono baoritra 320 pejy hoe Les jeunes s’interrogent — Réponses pratiques aho. (Raha mipetraka any ivelan’i Madagasikara ianao, dia manorata any amin’ny iray amin’ireo adiresy ao amin’ny pejy faha-2.)