FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w91 15/5 p. 3-4
  • Ny ady hevitra momba ny fahafatesan’i Jesosy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny ady hevitra momba ny fahafatesan’i Jesosy
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
  • Mitovitovy Aminy
  • Fanavotana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Ny avotra — Ilay fampianarana nafoy ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
  • Ahoana no anazavana ny Trinite?
    Tokony Hino ny Trinite ve Ianao?
  • Andriamanitra tokana misy persona telo ve?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
w91 15/5 p. 3-4

Ny ady hevitra momba ny fahafatesan’i Jesosy

NY ANDRO Paska taona 33 am.fan.ir., dia nisy famonoana olona telo nitranga. Nentina teo amin’ny toerana iray ivelan’ny mandan’i Jerosalema ny lehilahy voaheloka telo ary novonoina ho faty tamin’ny fomba faran’izay nampijalijaly sy nahamenatra indrindra: fanomboana teo amin’ny tsato-kazo. Nahazatra ny famonoana olona toy izany tamin’ny andron’ny Romana, koa azo ampoizina àry fa ireo famonoana olona tamin’ny Paska dia nohadinoina hatramin’ny ela izao. Iray tamin’ireo lehilahy novonoina anefa i Jesosy Kristy. Nampipoitra fiovana ara-pivavahana sy ady hevitra lehibe ny fahafatesany.

Efa ho roa arivo taona izay no lasa hatramin’io zava-nitranga io, koa mety hirona hihevitra izany ho tantara tranainy fotsiny ianao. Kanefa fantatrao ve fa tsy mbola voalamina velively ny ady hevitra izay nipoitra?

Araka ny mety ho fantatrao, dia misy olona an-tapitrisany maro mihevitra fa maty ho azy ireo i Jesosy. Mino amin-kafanam-po izy ireo fa fanalahidin’ny fanavotana sy ny famelan-keloka ny fahafatesan’i Kristy; fa zavatra tena ilaina mba hahazoana ny famonjena ny finoana ny fahafatesany. Mahagaga anefa fa nanao tatitra ny lahatsoratra iray tao amin’ny Revio Teôlôjika Anglikana (angl.) hoe “mahita zava-manahirana” io fampianarana ankamamina io. Ary ilay “zava-manahirana” dia avy any amin’ireo filoha ara-pivavahana.

Manazava toy izao ilay Revio Teôlôjika Anglikana: “Ao amin’ny fisainana kristiana, ny fampianarana ny amin’ny fanavotana dia mahita zava-manahirana satria ny fotony ara-baiboly dia iadiana hevitra, ny fomba filazana azy dia nanjary novesarana hevitra mihelina maro (...), ary ny fisehoany eo amin’ny ara-panahin’ny besinimaro dia naka ny endriky ny fampisehoana fihetsehampo manokana tafahoatra sy fanamarinan-tena tsy azo kianina.” Marina tokoa fa, na ny teôlôjiana protestanta, na ny katolika, dia samy tsy tonga tamin’ny fifanarahan-kevitra mihitsy ny amin’ny dikan’ny fahafatesan’i Jesosy Kristy, raha toa ka nisy aza izany ho azy ireo.

Mety hihevitra ianao fa ady an-tsanga ataon’ny manam-pahaizana amin’ny teôlôjia vitsivitsy fotsiny izany, fa tsy misy ifandraisany amin’ny fiainanao. Eritrereto anefa izao: Raha mifandray marina amin’ny fahafatesan’i Jesosy tokoa ny toeranao eo anatrehan’Andriamanitra sy ny fahatsinjovanao fiainana mandrakizay (any an-danitra na any an-toeran-kafa), dia mitaky fandinihana tsara avy aminao io ady hevitra io.

Nahoana ireo teôlôjiana no mbola miady hevitra ny amin’ilay raharaha ihany? Diniho, ohatra, ny Eglizy katolika romana. Manana fampianarana voafaritra tsara izy mikasika ny tsy fahafatesan’ny fanahy sy ny Trinite. Kanefa dia misalasala amin’ny fomba mahagaga izy raha ny amin’ny fanavotana amin’ny alalan’ny fahafatesan’i Kristy. Manaiky toy izao ny Firaketana katolika vaovao (angl.): “Nisy fitambaram-pampianarana maro be sady tsy mitovy novelabelarina mba hanazavana ny fomba hahavoavonjy ny olombelona amin’ny lozan’ny ota sy hiverenany ho amin’ny fankasitrahana indray (...) Kanefa, tsy nisy na dia iray aza tamin’ireny fitambaram-pampianarana ireny nahita fahombiazana tanteraka. (...) Ny teôlôjia momba ny Fanavotana dia mbola tsy vita amin’ny lafiny sasany, ary mbola mitoetra ho zava-manahirana ao amin’ny teôlôjia.”

Tsy tokony hahagaga anao àry raha, amin’ireo olona an-tapitrisany maro miventy amin-kafanam-po hoe ‘maty ho antsika i Jesosy’, dia vitsy no zara raha manana fahatakarana manjavozavo ny amin’ny tena hevitr’izany. Toy izao no ilazan’ilay Revio Teôlôjika Anglikana azy: “Rehefa terena (...) ny kristiana mino dia mazàna tsy afaka manonona ny fiandohan’io fampianarana io avy ao amin’ny Baiboly, na manazava ny fomba fiasany”. Vesaran’ny fampianarana izay sady tsy takany no tsy hainy hazavaina ireo mpivavaka any amin’ireo fiangonana ka sahirana mafy hahita hoe amin’ny ahoana ny fahafatesan’i Jesosy no mifandray amin’ny fiainany.

Tsy nampandaitra koa ny fiezahany hanatratra ny Jiosy sy ny Hindoa ary ny Bodista sy ny hafa tamin’ny hafatra kristiana ny tsy fahaizan’ny fivavahana lazaina fa kristiana milaza mazava ny fampianarana iray mikasika ny fanavotana. Na dia midera sy manaja fampianaran’i Jesosy maro aza ny maro amin’izy ireny, ny fifanjevoana manodidina ny fahafatesan’i Jesosy sy ny hevitr’izany dia vato misakana ho amin’ny finoana.

Moa ve ny dikan’ny fahafatesan’i Kristy zava-miafina fotsiny — tsy takatry ny sain’olombelona? Sa misy fanazavana miorina ao amin’ny Baiboly araka ny marina ny amin’izy io? Mendrika ny fiheveranao ireo fanontaniana ireo, satria manao izao filazana manaitra izao ny amin’i Kristy ny Baiboly: “Tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay”. — Jaona 3:16.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara