Ilay Mpamorona Antsika Lehibe sy Ireo Asany
FATRATRA RE IZANY! Ireo rian-drano mitalakotrok’i Iguaçú na i Niagara, ireo hadilanana midezan’i Colorado na i Hawaii, ireo fjords (helodranomasina tery sady lalina) kanton’i Norvezy na i Nouvelle-Zélande — antsoantsom-pahatalanjonana toy inona moa no aterak’ireny zava-mahatalanjona voajanahary ireny! Moa ve anefa vokatra kisendrasendran’izay antsoina hoe Natiora fotsiny izy ireny? Tsia, mihoatra lavitra noho izany izy ireo! Izy ireny dia asa mahatalanjona nataon’ny Mpamorona Lehibe iray, dia Ray be fitiavana iray any an-danitra. Nanoratra toy izao ny aminy i Solomona Mpanjaka: “Nanao ny zava-drehetra ho tsara tarehy amin’ny fotoany avy izy. Na dia ny fotoana tsy voafetra aza dia napetrany tao am-pon’izy ireo, mba tsy hahafantaran’ny olombelona na oviana na oviana ny asa nataon’ilay Andriamanitra marina hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany.” (Mpitoriteny 3:11, NW ). Marina tokoa fa hila fotoana lava tsy voafetra ny olombelona mba hitadiavana hahafantatra ireo asa be voninahitra rehetra izay namenoan’ny Mpamorona antsika an’izao rehetra izao.
Mpamorona Lehibe toy inona moa no ananantsika! Ary toy inona ny fifaliantsika noho io Andriamanitra manana ny hery rehetra io “niresaka tamintsika tamin’ny faran’izao andro izao tamin’ny alalan’ny Zanaka iray, izay notendreny ho mpandova ny zava-drehetra, ary tamin’ny alalany no nanaovany ireo fandehan-javatra”. (Hebreo 1:2, NW ). Io Zanaka io, i Jesosy Kristy, dia nankasitraka ireo zavatra kanto noforonin-dRainy. Nanisy firesahana matetika ny amin’izy ireny izy rehefa nanazava ny fikasan’ny Rainy sy rehefa nanao teny fampaherezana ho an’ireo mpihaino azy. (Matio 6:28-30; Jaona 4:35, 36). “Finoana” no nahatsinjovan’ny maro fa “ny tenin’Andriamanitra no nanaovana” ireo zava-mahatalanjona teo amin’ny famoronana. (Hebreo 11:3). Tokony hanome taratr’izany finoana izany ny fiainantsika andavanandro. — Jakoba 2:14, 26.
Fatratra marina tokoa ireo zavatra noforonin’ilay Andriamanitsika. Maneho taratra amin’ny fomba mahatalanjona ny fahendreny sy ny heriny, ny fahamarinany ary ny fitiavany izy ireny. Nataony mihilana ny tanintsika ary nampihodina azy manodidina ny masoandro izy mba hahafahan’ny zavatra hoforoniny amin’ny hoavy, dia ny olombelona, hifaly amin’ny fifandimbasana mahafinaritra eo amin’ireo vanin-taona. Hoy Andriamanitra: “Raha mbola maharitra koa ny tany, dia tsy hanam-pitsaharana ny taom-pamafazana sy ny taom-pijinjana, ary ny hatsiaka sy ny hafanana ary ny fahavaratra sy ny ririnina, ary ny andro sy ny alina.” (Genesisy 8:22). Ankoatra izany, Andriamanitra dia nanome tamim-pahalalahan-tanana tahirina mineraly sarobidy ho an’ny tanintsika. Tamin’ny fomba manokana, dia nanome rano tondraka izy mba ho tonga tapany tena ilaina sy mpanohana tena lehibe ho an’ny zavamiaina rehetra eto an-tany.
Tao anatin’ny ‘andro famoronana’ enina nisesy tamin’ny fomba nilamina, izay naharitra an’arivony taona maro avy ny tsirairay aminy, dia nanomana ny tany mba honenan’ny olona ny “hery miasan’Andriamanitra”. Ny hazavana ahafahantsika mahita, ny rivotra fohintsika, ny tany maina onenantsika, ny zavamaniry, ny fifandimbasan’ny andro sy ny alina, ny trondro, ny vorona, ny biby — ireo rehetra ireo dia nataon’Ilay Mpamorona antsika Lehibe nifanarakaraka mba hampiasain’ny olombelona sy hahitany fahafinaretana. (Genesisy 1:2-25, NW ). Azo antoka fa afaka miara-mihiaka amin’ny mpanao salamo toy izao isika: “Endrey ny hamaroan’ny asanao, Jehovah ô! Fahendrena no nanaovanao azy rehetra; henika ny zavatra nataonao ny tany.” — Salamo 104:24.
Sangan’asan’Andriamanitra teo amin’ny famoronana
Rehefa nadiva hifarana ny “andro” famoronana fahenina, dia nanao ny lehilahy Andriamanitra, ary avy eo dia ny vehivavy, vady mpanampy azy. Fiafarana malaza nampiseho fahaizana sy fahakingan-tsaina miavaka toy inona ho an’ny asa famoronana teto an-tany moa izany! Zavatra mahatalanjona lavitra noho izay famoronana fizika rehetra nitranga talohan’izay! Mampahafantatra antsika ny Salamo 115:16 fa: “Ny lanitra dia an’i Jehovah; fa ny tany nomeny ho an’ny zanak’olombelona.” Mifanaraka amin’izany, dia namolavola antsika ho fanahy (âme) olombelona i Jehovah, mba hahafahantsika hampiasa sy hahita fahafinaretana amin’ireo zavatra noforoniny taloha kokoa teto an-tany. Toy inona moa ny tokony ho fankasitrahantsika noho ireo masontsika — be kojakojany kokoa noho ny fakantsary tsara indrindra — izay afaka mandray ao an-tsaina ny tontolo miloko manodidina antsika! Manan-tsofina isika — tsara kokoa noho izay mety ho fitaovana fandraisana na fandefasam-peo nataon’olombelona — mba hanampy antsika hankafy resadresaka, mozika, ary ny hira mahafinaritra ataon’ny vorona. Manana rafi-pitenenana anaty isika, anisan’izany ny lela izay manana asa maro. Ireo marokoroko fandrenesana tsiron-javatra amin’ny lela, miaraka amin’ny fanamboloana, dia natao koa mba hahitana fahafinaretana eo am-pankafizana karazan-tsakafo tsy manam-petra. Ary ankasitrahantsika toy inona moa ny fikasihan’ny tanana iray feno fitiavana! Azo antoka fa afaka misaotra ny Mpamorona antsika toy ny nataon’ny mpanao salamo isika manao hoe: “Hidera Anao aho; fa mahatahotra sy mahatalanjona ny nanaovana ahy; mahagaga ny asanao; ary fantatry ny fanahiko marimarina izany.” — Salamo 139:14.
Ny hatsaram-panahin’ny Mpamorona antsika miharo fitiavana
Nanoratra toy izao ny mpanao salamo: “Manolora fisaorana an’i Jehovah ianareo, ry olona, fa tsara izy (...); an’ilay Mpanao samy irery zavatra mahatalanjona sy lehibe: fa hatramin’ny fotoana tsy voafetra ny hatsaram-panahiny miharo fitiavana”. (Salamo 136:1-4, NW ). Io hatsaram-panahiny miharo fitiavana io izao dia manosika azy hanao zava-mahatalanjona lehibe lavitra noho ireo zavatra noforoniny rehetra vao avy nolazalazaintsika teo. Eny, na dia eo am-pitsaharana amin’ny famoronana zavatra ara-batana aza izy, dia manao famoronana eo amin’ny lafiny ara-panahy. Manao izany izy ho valin’ny fihaikana ratsy iray izay navantana tany aminy. Ahoana izany?
Napetraka tao amin’ny paradisa iray be voninahitra, tao Edena, ny lehilahy sy ny vehivavy voalohany. Nanandra-tena ho andriamanitra anefa ny anjely nivadika iray, i Satana, ary nitarika io mpivady olombelona io hikomy tamin’i Jehovah. Nanameloka ara-drariny azy ireo ho faty Andriamanitra. Ho vokany, dia nateraka ho mpanota, mety maty, ny zanak’izy ireo, dia ny taranak’olombelona iray manontolo. (Salamo 51:5). Milaza ny fitantarana ao amin’ny Baiboly mikasika an’i Joba fa nihaika an’Andriamanitra i Satana, tamin’ny fanantitranterana fa tsy misy olona afaka mitana ny tsy fivadihana Aminy ao anatin’ny fitsapana. Noporofoin’i Joba anefa fa mpandainga miharihary i Satana, toy ny nataon’ny mpanompon’Andriamanitra nahatoky maro hafa tamin’ny andron’ny Baiboly sy mandraka androany. (Joba 1:7-12; 2:2-5, 9, 10; 27:5, NW ). Tamin’ny naha-olombelona tanteraka azy, dia nanome ohatra tsy nanan-tsahala ny amin’ny fitanana ny tsy fivadihana i Jesosy. — 1 Petera 2:21-23.
Noho izany, dia afaka niteny i Jesosy hoe: ‘Tsy manana na inona na inona ato amiko ny andrianan’izao tontolo izao [i Satana]’. (Jaona 14:30). Na dia izany aza, mandraka androany, “izao tontolo izao (...) dia mipetraka eo amin’ilay ratsy avokoa”. (1 Jaona 5:19). Noho izy nanda ny maha-ara-drariny ny fiandrianan’i Jehovah, dia nomena 6 000 taona teo ho eo i Satana mba hampisehoana raha afaka hahomby ny fanapahan’ny tenany ny taranak’olombelona. Endre ny tsy fahombiazany tamin’ny fomba nampahonena! Tsy mitsahatra manaporofo izany ireo toe-piainana miharatsy hatrany eo amin’izao tontolo izao! Tsy ho ela i Jehovah, ilay Andriamanitsika be fitiavana, dia hanaisotra ity fitambaran’olona eo amin’izao tontolo izao ratsy fitondran-tena ity, amin’ny fampanekena ny fiandrianany ara-drariny eto an-tany. Ho fanamaivanana mahasambatra toy inona moa izany ho an’ireo olona maniry mafy fanapahana iray feno fiadanana sy ara-drariny! — Salamo 37:9-11; 83:17, 18.
Tsy izany ihany anefa! Mbola haseho koa ny hatsaram-panahin’Andriamanitra miharo fitiavana miorina amin’ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Jaona 3:16 hoe: “Toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.” Io famerenana amin’ny taranak’olombelona ny fanantenana fiainana mandrakizay eto an-tany io dia mahatafiditra ilay famoronana zava-baovao. Inona izany? Ahoana no itondran’izany soa ho an’ny taranak’olombelona misento? Hilaza izany ny lahatsoratra manaraka.