Fotoam-pijinjana!
NAHOANA ny tantaran’ny “Kristianisma” no tsy kristiana velively? Manontany an’izany ireo olona maro misaina, ary novalian’i Jesosy izany efa ho 2 000 taona lasa izay, tao amin’ny fanoharana iray. Niresaka ny amin’ny “lehilahy anankiray izay namafy voa tsara tany an-tanimbariny” izy. Avy eo, “dia avy ny fahavalony ka namafy voan-tsimparifary teny amin’ny vary”. Rehefa naniry ireo voa, dia voamarik’ireo mpiasa ireo tsimparifary ka nitady hanongotra izany izy ireo. Nefa niteny ilay lehilahy hoe: “Aoka ihany hiara-maniry izy roroa ambara-pihavin’ny fararano”. Amin’ny fotoam-pijinjana, ny vary dia havahana amin’ny tsimparifary. — Matio 13:24-30.
Tamin’ny fanazavany an’ilay fanoharana dia nilaza i Jesosy fa ny tenany no ilay namafy “voa tsara” — Kristiana marina. Ilay fahavalo dia i Satana, izay namafy teny amboniny “voan-tsimparifary” — nampitsofoka Kristiana anarana tao anatin’ny kongregasiona. Namela ny Kristiana sandoka sy ny Kristiana marina hiaraka hisy i Jesosy — nefa hatramin’ny fararano ihany. Amin’izay dia havahana izy ireo. — Matio 24:36-44.
Noho izany dia tsy gaga isika rehefa mahafantatra fa ireo fandaminana “kristiana” dia nanala baraka an’Andriamanitra nandritra ireo taonjato tamin’ny fanekena fampianarana avy tamin’ny mpanompo sampy, tamin’ny fanalan-tsiny ny fahalotoam-pitondran-tena, sy tamin’ny fanohanana ireo ady fakana tany an-keriny ary tamin’ny fitarihana inquisitions lozabe. Fantatsika amin’izany ny voa ratsy nafafin’i Satana. Kanefa rehefa mamaky isika ny amin’ny isam-batan’olona izay niaritra fanaovana an-tranomaizina na fahafatesana toy izay hampanaiky lembenana ireo fotopoto-pitsipika ara-baiboly, dia hitantsika fa tsy foana tsy akory ny voa tsara.
Nilaza i Jesosy fa ny fararano dia “ny fifaranan’ny fandehan-javatra iray” (NW ). Koa satria isika miaina ao anatin’ny fifaranan’ny fandehan-javatr’itỳ tontolo ankehitriny itỳ, dia izao no tsy maintsy fotoam-pijinjana! Noho izany, dia tsy maintsy efa nisy ny fanavahana eo amin’ny Kristiana marina sy ny Kristiana sandoka. Ankehitriny dia tsy maintsy misy vahoaka iray, fa tsy isam-batan’olona mitsitokantokana fotsiny, izay mifanaraka amin’ny filazalazan’i Jesosy ny amin’ny Kristiana marina — izay olom-pehezin’ny Fanjakan’Andriamanitra sady mitory ny vaovao tsara mahakasika azy io, izay manandratra ny fahadiovam-pitondran-tena mifototra amin’ny Baiboly sady mandà ireo fampianarana avy tamin’ny mpanompo sampy ho tombontsoan’ny fahamarinana ara-baiboly, izay mampiharihary ny anaran’Andriamanitra sady tsy naman’izao tontolo izao. — Matio 6:33; 24:14; Jaona 3:20; 8:32; 17:6, 16.
Manome toky anao izahay fa, misy ny vahoaka toy izany! Irinao ve ny hanompo an’Andriamanitra amin’ny fomba ekeny? Tadiavo àry io vahoaka io ary manompoa an’Andriamanitra miaraka aminy.