Fianarana avy Amin’ny Vorona sy ny Voninkazo
INONA matetika no ahin’ny olona indrindra amin’izao andro izao? Ho an’ny ankamaroany, izany dia ny hananana ny ampy mba hamelomana ny fianakaviany, na hahafahana hanatsara ny fari-piainany.
Fiahiana lehibe koa ny hahazoana vola ampy mba hivelomana, fony i Jesosy Kristy teto an-tany. Kanefa dia nampitandrina izy fa io fiahiana ara-dalàna io dia mety ho tonga fanahiana tafahoatra misakana ny fidiran’ireo zavatra ara-panahy. Mba hanazavana ny heviny, dia nasain’i Jesosy nandinika akaiky ny vorona sy ny voninkazo, ireo mpianany.
Mila misakafo isan’andro ny vorona — raha ampitahaina amin’ny habeny dia betsaka lavitra noho izay ilaintsika ny azy noho ny tahan-kafanana ambony dia ambony avoakan’ny vatany. Ambonin’izany, dia tsy afaka mamafy voa na mijinja na mitahiry sakafo ho fitsinjovana ny hoavy, izy ireo. Kanefa, araka ny fanamarihan’i Jesosy, “ny Rain[tsika] Izay any an-danitra mamelona azy”. (Matio 6:26). Toy izany koa no ampitafian’Andriamanitra amin’ny fitafiana faran’izay tsara ireo “lilia” tsara tarehy “any an-tsaha”. — Matio 6:28-30, fanamarihana ambany pejy.
Manome toky antsika i Jesosy fa raha mitana ireo zavatra ilaina ara-nofo amin’ny fomba fijery araka ny tokony ho izy isika, ary manome ny laharam-pahamehana ho an’ireo zavatra ara-panahy, dia hataon’Andriamanitra izay hananantsika koa ny sakafo sy fitafiana ilaina. Raha mikarakara ny vorona sy ny voninkazo i Jehovah Andriamanitra, dia azo antoka fa hikarakara ireo izay tia azy sy ‘tsy mitsahatra mikatsaka voalohany indrindra ilay fanjakana sy ny fahamarinany’, izy. (Matio 6:33, NW ). Mametraka ny tombontsoan’ny Fanjakan’Andriamanitra eo amin’ny toerana voalohany eo amin’ny fiainanao ve ianao?