Fombafomba Iray Tsy Misy Heviny Ve?
FANAON’NY Katolika hatramin’ny taonjato maro ny sakramentan’ny konfesy na ny fieken-keloka. Na dia izany aza, ho an’ny maro izy io dia fanao mahazatra poaka aty. Raha nieritreritra ny amin’ny fahatanorany ny talen’ny lise iray antsoina hoe Bob, dia niteny hoe: “Zatovo aho tamin’izay, ary na dia tamin’izany aza, dia tsy nihevitra [ny konfesy] ho zava-dehibe aho.” Fa nahoana? Ho azy, ny konfesy dia nanjary fombafomba iray tsy nisy heviny. Manazava toy izao izy: “Ny konfesy dia toy ny fitondrana ny entanao rehetra feno fahotana mankany amin’ny mpiasan’ny ladoany eny amin’ny seranam-piaramanidina. Misy fanontaniana ataony aminao momba ny fahotanao, ary avy eo izy dia mandefa anao rehefa avy mandoa fadin-tseranana ianao ho an’ireo fitaovana haitraitra izay novidinao fony ianao tany ivelany.”
Toy izany koa i Frank Wessling, rehefa nanoratra tany amin’ny U.S. Catholic izy, dia nilazalaza ny fanao amin’ny konfesy ho “tari-dalana miandalana faran’izay notsorina, manomboka amin’ny fanilihana ny fahotana tsotsotra tsy hodinihina intsony amin’ny alalan’ny vavaka fibebahana hay tsianjery, ka hatramin’ny fanao misy fombafomba ho fivalozana ivelany fotsiny”. Inona no fanatsoahan-kevitra nataon’i Wessling? “Miaiky mafy aho fa ny Konfesy na ny Fieken-keloka dia zavatra tsara ho an’ny fanahy”, hoy izy. “Saingy ny fomba anaovan’ny Katolika azy io no olana.”
Mampiseho ny fieken-keloka amin’ny fomba hafa tanteraka ny Baiboly. Ny zava-dehibe indrindra dia ny fieken-keloka amin’Andriamanitra. (Salamo 32:1-5). Ary nanoratra toy izao i Jakoba mpianatra kristiana: “Misy marary va eo aminareo? Aoka izy hampaka ny loholon’ny fiangonana; ary aoka hanosotra diloilo azy amin’ny anaran’[i Jehovah, NW ] ireo sady hivavaka eo aminy. Koa mifaneke heloka hianareo, ary mifampivavaha, mba ho sitrana hianareo.” — Jakoba 5:14, 16.
Ny Kristiana iray vesaran’ny ota dia afaka miantso ireo mpiandraikitra ao amin’ny kongregasiona izay afaka manome torohevitra manokana sy azo ampiharina avy ao amin’ny Baiboly mba hanampiana an’ilay nanao ratsy hahafoy ny lalam-pitondran-tenany feno ota. Ireo mpiandraikitra dia afaka manome fampaherezana mifanentana eo am-pandinihany ny fandrosoana ataon’ilay marary ara-panahy. Endre ny fifanoheran’izany amin’ilay fombafomba amin’ny konfesy fanaon’ireo eglizy amin’izao andro izao! Noho izy mahazo tanjaka avy amin’ny fanampiana manokana ataon’ireo loholona ao amin’ny kongregasiona, dia mahazo fanamaivanana ilay nanao ratsy nibebaka, dia ilay fanamaivanana izay tsapan’i Davida, araka ny nambarany ao amin’ny salamo iray manao hoe: “Ny fahotako nambarako taminao, ary ny heloko tsy mba nafeniko. Hoy izao: Hiaiky ny fahadisoako amin’i Jehovah aho; ary Hianao dia namela ny heloky ny fahotako.” — Salamo 32:5.