Fanontanian’ny Mpamaky
Inona no tian’i Jakoba mpianatra holazaina rehefa niteny toy izao izy: “Ry rahalahiko, aza dia samy ho mpampianatra be ihany hianareo, satria fantatrareo fa ho mafimafy kokoa no hitsarana anay mpampianatra”? — Jakoba 3:1.
Azo antoka fa tsy nanakivy ny Kristiana mba tsy hampianatra ny fahamarinana amin’ny hafa, i Jakoba. Ao amin’ny Matio 28:19, 20, i Jesosy dia nandidy ny mpianany mba hanao “mpianatra ny firenena rehetra (...) mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo”. Noho izany, dia tokony ho mpampianatra ny Kristiana rehetra. Nanoro hevitra an’ireo Kristiana hebreo noho izy ireo mbola tsy mpampianatra, ny apostoly Paoly. Nanoratra toy izao izy: “Fa na dia tokony ho efa mpampianatra aza hianareo noho ny fahelan’ny andro, dia mbola mila izay hampianatra anareo ny abidim-pianaran’ny tenin’Andriamanitra indray”. — Hebreo 5:12.
Koa ny amin’inona àry no noresahin’i Jakoba? Nanisy fitenenana ny amin’ireo izay nanana tombontsoam-pampianarana manokana ao amin’ny kongregasiona, izy. Izao no vakintsika ao amin’ny Efesiana 4:11: “Izy [Jesosy Kristy, Lohan’ny kongregasiona] no nanome ny sasany ho Apostoly, ary ny sasany ho mpaminany, ary ny sasany ho evanjelista, ary ny sasany ho mpiandry sy mpampianatra”. Nisy tombontsoam-pampianarana manokana teo amin’ireo kongregasiona tamin’ny taonjato voalohany toy izay misy amin’izao andro izao. Ohatra, ny Fitambara-mpitantana dia misolo tena ny “mpanompo mahatoky sy malina” ary manana andraikitra manokana mba hanara-maso ny fampianarana ny kongregasiona maneran-tany. (Matio 24:45, NW ). Ireo mpiandraikitra mpitety faritany sy ireo loholona ao amin’ny kongregasiona koa dia manana andraikitra manokana amin’ny fampianarana.
Moa ve i Jakoba nilaza tamin’ireo lehilahy kristiana nahafeno fepetra fa tsy tokony hanaiky ny anjara asan’ny mpampianatra izy ireo noho ny fahatahorana ny fitsarana mafimafy kokoa avy amin’Andriamanitra? Tsy izany velively. Ny asan’ny loholona dia tombontsoa lehibe araka izay asehon’ny 1 Timoty 3:1 manao hoe: “Raha misy olona maniry ny asan’ny mpitandrina, dia maniry asa tsara izy.” Iray amin’ireo fepetra takina amin’ny fanendrena ho loholona ao amin’ny kongregasiona ny hoe lehilahy “mahay mampianatra”. (1 Timoty 3:2). Tsy nanohitra ny teny ara-tsindrimandry nataon’i Paoly i Jakoba.
Kanefa, dia toa nisy olona sasany tamin’ny taonjato voalohany am.f.i. nanendry tena ho mpampianatra, na dia tsy nahafeno fepetra aza izy ireo, no sady tsy voatendry. Azo inoana fa nihevitra izy ireo hoe nisy laza tao amin’io anjara asa io, ary naniry voninahitra manokana izy ireo. (Ampitahao amin’ny Marka 12:38-40; 1 Timoty 5:17.) Ny apostoly Jaona dia nanonona an’i Diotrefa izay ‘te-ho lohany, ka tsy mba nandray an’i Jaona’. (3 Jaona 9). Ny 1 Timoty 1:7 dia miresaka ny amin’ny olona sasany izay ‘te-ho mpampiana-dalàna, kanefa tsy nahafantatra akory izay nolazainy na izay nitompoany’. Ny teny ao amin’ny Jakoba 3:1 dia mety indrindra ho an’ireo lehilahy izay maniry ny ho mpampianatra, kanefa manana antony manosika ratsy. Ny olona toy izany dia afaka manimba dia manimba ny andian’ondry ary hahazo fitsarana mafimafy kokoa mifanaraka amin’izany. — Romana 2:17-21; 14:12.
Fampahatsiarovana tsara koa ny Jakoba 3:1 ho an’ireo izay mahafeno fepetra ary manompo amin’ny maha-mpampianatra. Koa satria be no nankinina tamin’izy ireo, dia be no hotakina aminy. (Lioka 12:48). Hoy i Jesosy: “Hampamoahina ny olona amin’ny andro fitsarana noho ny amin’ny teny foana rehetra izay ataony.” (Matio 12:36). Marina indrindra izany ho an’ireo izay misy lanjany kokoa ny teniny, dia ireo loholona voatendry.
Hampamoahina ny amin’ny fomba itondrany ny ondrin’i Jehovah ireo loholona. (Hebreo 13:17). Misy fiantraikany eo amin’ny fiainan’olona maro izay lazain’izy ireo. Noho izany, dia tokony hitandrina ireo loholona mba tsy hampandroso ny fomba fiheviny manokana na hanao ratsy fitondra ny ondry, toy ny nataon’ny Fariseo. Tokony hikely aina mba hampiseho fitiavana lalina mitovy amin’ilay nasehon’i Jesosy izy ireo. Amin’ny tarehin-javatra ampianarany rehetra, indrindra fa rehefa tafiditra amin’ny raharaha ara-pitsarana, dia tokony handanjalanja ny teniny ny loholona iray, tsy amin’ny fanaovana resaka tsy voahevitra, na amin’ny filazana ny heviny manokana ranofotsiny. Amin’ny fianteherana mafy amin’i Jehovah sy ny Teniny ary ny fitarihany amin’ny alalan’ny fandaminany, ny mpiandry dia handray fitahiana tondraka avy amin’Andriamanitra, fa tsy ‘fitsarana mafimafy kokoa’.