FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w95 1/11 p. 22-25
  • “Potraka, Nefa Tsy Maty”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • “Potraka, Nefa Tsy Maty”
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Tena tsy nandroso intsony
  • Fianakaviana sambatra
  • Fandresena paralisia ara-panahy
  • Fiezahana handresy tsy fandrosoana hafa
  • Fanaovana izay azoko atao
  • Nanome hery ahy i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
  • Feno Fankasitrahana ny Fanohanana Azo Antoka Omen’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
  • ‘Hitsambikina Tahaka ny Diera’ Aho
    Mifohaza!—2006
  • Mahery Aho na dia Malemy Aza
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2014
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
w95 1/11 p. 22-25

“Potraka, Nefa Tsy Maty”

NOTANTARAIN’I ULF HELGESSON

Tamin’ny Jolay 1983, dia nihiaka toy izao ireo dokotera niondrika teo amiko: “Mifoha izy!” Nisy zavatra nivonto, 12 santimetatra ny halavany, nesorina avy teo amin’ny tsokan-damosiko tamin’ny fandidiana sarotra iray naharitra adiny 15. Nanjary nalemy tanteraka aho.

ANDRO vitsivitsy taorian’izay, dia nafindra nankany amin’ny hopitaly iray efa ho 60 kilaometatra avy eto Hälsingborg, tanàna ipetrahako, atỳ atsimon’i Soeda, aho. Tao aho dia nanaraka fandaharana fanarenana. Nilaza ilay kinésithérapeute fa hitaky ezaka izaitsizy ilay izy, kanefa may erỳ aho hanomboka. Tena niriko tokoa ny handeha indray. Tamin’ny fanarahana tamim-pahazotoana fandaharana fampiasan-tena naharitra adiny dimy isan’andro, dia nanao fandrosoana haingana aho.

Iray volana tatỳ aoriana, rehefa nitsidika ny kongregasionanay ny mpiandraikitra mpitety faritany, dia nanao dia lavitra izy mbamin’ireo loholona kristiana hafa mba hanaovana ny fivorian’ny loholon’ny kongregasiona tao amin’ny efitranoko tao amin’ny hopitaly. Toy inona moa ny faharavoam-poko tamin’izany porofon’ny fitiavan-drahalahy izany! Nanolotra dite sy sakafo maivana ho an’ilay antokon’olona manontolo ireo mpitsabo mpanampy tao amin’ilay sampana nisy ahy, taorian’ilay fivoriana.

Tamin’ny voalohany dia gaga ireo dokotera noho ny fandrosoako. Taorian’ny telo volana dia afaka nipetraka teo amin’ny sezako mikorisa aho ary afaka nitsangana minitra vitsivitsy mihitsy aza. Faly aho ary tapa-kevitra tanteraka ny handeha indray. Nanome ahy fampaherezana be dia be ny fianakaviako sy ireo Kristiana tahaka ahy nandritra ny fitsidihan’izy ireo. Afaka nandeha nody mihitsy aza aho nandritra ny fe-potoana fohy.

Tena tsy nandroso intsony

Taorian’izany anefa dia tsy nanao fandrosoana hafa intsony aho. Tsy ela ilay kinésithérapeute dia nanome ahy ilay hafatra nampanaintaina hoe: “Tsy hihatsaratsara kokoa noho izao ianao!” Ny zava-nokendrena izao dia ny hanatanjahana ahy mba hamindrafindrako ny tenako samirery tamin’ny seza mikorisa iray. Nanontany tena aho hoe inona no hanjo ahy. Ahoana no hataon’ny vadiko? Nandia fandidiana lehibe ny tenany ka nila ny fanampiako. Hila fikarakarana raikitra any amin’ny toeram-pikarakarana voatokana ve aho?

Nanjary ketraka lalina aho. Nihalany ny tanjako sy ny herim-poko ary ny heriko. Lasa ny andro, ary nitoetra ho tsy nihetsika aho. Tsy vitan’ny hoe nalemy ara-batana fotsiny aho fa ngoly ara-pihetseham-po sy ara-panahy koa. “Potraka” aho. Nihevitra foana ny tenako ho natanjaka ara-panahy aho. Nanana finoana latsa-paka mafy ny Fanjakan’Andriamanitra aho. (Daniela 2:44; Matio 6:10). Niaiky aho fa marina ny fampanantenan’ny Baiboly hoe hositranina ny aretina sy ny kilema rehetra ao amin’ny tontolo vaovao marin’Andriamanitra ary haverina ho amin’ny fiainana tonga lafatra ny taranak’olombelona rehetra ao. (Isaia 25:8; 33:24; 2 Petera 3:13). Izao aho dia nahatsiaro tena ho nalemy, tsy ara-batana fotsiny, fa ara-panahy koa. Nahatsiaro tena ho “maty” aho. — 2 Korintiana 4:9.

Alohan’ny hanohizako ny tantarako, dia mamelà ahy hitantara fohy aminareo momba ny fiainako teo aloha.

Fianakaviana sambatra

Teraka tamin’ny 1934 aho, ary tsara foana ny fahasalamako. Teo am-piandohan’ireo taona 1950, dia nifankahita tamin’i Ingrid aho, ary nivady izahay tamin’ny 1958 ka nanorim-ponenana tao amin’ny tanànan’i Östersund, tany amin’ny faritra afovoan’i Soeda. Nisy fiovana lehibe nitranga teo amin’ny fiainanay tamin’ny 1963, rehefa nanomboka nianatra ny Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izahay. Tamin’izay dia nanan-janaka kely telo izahay — i Ewa sy i Björn ary i Lena. Tsy ela ny fianakavianay manontolo dia nianatra sy nandroso tsara tamin’ny fahalalana ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly.

Fotoana fohy taorian’ny nanombohanay nianatra, dia nifindra nanketo Hälsingborg izahay. Teto izahay mivady dia nanolo-tena ho an’i Jehovah ka natao batisa tamin’ny 1964. Nitombo ny fahasambaranay rehefa natao batisa i Ewa, zanakay vavimatoa, tamin’ny 1968. Fito taona tatỳ aoriana, tamin’ny 1975, dia natao batisa koa i Björn sy i Lena, ary voatendry ho loholona tao amin’ny kongregasiona kristiana aho ny taona nanaraka.

Nahatonga ahy ho afaka hanome tsara izay nilain’ny fianakaviako teo amin’ny lafiny ara-nofo ny asako tsy ara-pivavahana. Ary nitombo ny fahasambaranay rehefa nanomboka ny fanompoana manontolo andro i Björn sy i Lena. Tsy ela i Björn dia nasaina hanompo tao amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Arboga. Nitsiky taminay ny fiainana, raha azo atao ny milaza izany. Avy eo, teo am-piandohan’ny taona 1980, dia nanomboka tsapako teo amin’ny vatako ny vokatr’ilay zavatra nivonto, izay nesorina tamin’ny farany, tamin’io fandidiana lehibe tamin’ny 1983 io.

Fandresena paralisia ara-panahy

Rehefa nilazana aho fa tsy handeha indray intsony, dia toa nirodana ny fiainako. Ahoana no nahazoako tanjaka ara-panahy indray? Mora kokoa noho ny niheverako azy izany. Noraisiko fotsiny ny Baiboliko dia nanomboka namaky aho. Arakaraka ny namakiako no nahazoako tanjaka ara-panahy bebe kokoa. Ambonin’ny zava-drehetra, dia nanjary nankasitrahako indrindra ny Toritenin’i Jesosy teo An-tendrombohitra. Namerimberina namaky azy io aho ary nisaintsaina azy io.

Niverina tamin’ny laoniny ny fomba fijeriko falifaly ny fiainana. Tamin’ny alalan’ny famakiana sy ny fisaintsainana, dia nanomboka nahita fahafahana azo hararaotina aho fa tsy vato misakana. Azoko indray ny faniriako hizara ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly amin’ny hafa, ary nanome fahafaham-po io faniriana io aho tamin’ny fanaovana fanambarana tamin’ny mpiasan’ny hopitaly sy tamin’ny olon-kafa hitako. Nanohana ahy tamin’ny fomba feno ny fianakaviako ary nahazo fampiofanana ny amin’ny fomba hikarakarana ahy. Tamin’ny farany dia afaka nandao ny hopitaly aho.

Ela ny ela ka tonga tao an-trano aho. Andro nahafinaritra ho anay rehetra re izany! Nandamina fandaharam-potoana nahatafiditra ny fikarakarana ahy ny fianakaviako. Nanapa-kevitra ny handao ny asa tao amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah i Björn, zanako lahy, ka nody izy mba hanampy hikarakara ahy. Nampionona indrindra ny hoe niantefan’ny fitiavana sy ny fiahiana be dia be aoka izany avy tamin’ny fianakaviako ny tenako.

Fiezahana handresy tsy fandrosoana hafa

Kanefa, rehefa nandeha ny fotoana, dia niharatsy ny fahasalamako, ary sarotra tamiko ny nihetsika. Tamin’ny farany, na dia teo aza ny ezaka feno fandavan-tenan’ny fianakaviako, dia tsy afaka nikarakara ahy intsony tao an-trano izy ireo. Koa noheveriko àry fa ho tsara indrindra ho ahy ny miditra any amin’ny trano fitaizana ny be antitra. Teo indray koa, dia nidika ho fiovana sy fahazarana vaovao izany. Tsy namela izany ho tonga tsy fandrosoana ara-panahy anefa aho.

Tsy nampitsahatra mihitsy ny famakiana Baiboly sy ny fikarohana momba azy io aho. Nihevitra hatrany izay azoko natao aho, fa tsy izay tsy azoko natao. Nisaintsaina momba ny fitahiana ara-panahy raisin’ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra aho. Nitoetra ho akaiky an’i Jehovah tao amin’ny vavaka aho ary nampiasa ny fahafahana rehetra mba hitoriana tamin’ny hafa.

Ankehitriny aho dia mandany ireo alina sy ny tapany amin’ireo andro any amin’ilay trano fitaizana ny be antitra. Mandany ireo tolakandro sy takariva, na any an-trano, na any amin’ireo fivoriantsika kristiana, aho. Mandamina fitaterana tsy tapaka mandroso sy miverina mankany amin’ny fivoriana ary mandroso sy miverina mankany an-tranonay ny sampan-draharaham-panjakana iray. Mikarakara ahy amin’ny fomba mahatalanjona ny fianakaviako be fandavan-tena sy ireo rahalahy ao amin’ny kongregasiona ary ny mpiasan’ilay trano fitaizana ny be antitra.

Fanaovana izay azoko atao

Tsy mihevitra ny tenako ho sembana aho, ary tsy entin’ny fianakaviako, na ireo rahalahiko kristiana, ho toy izany aho. Karakaraina amim-pitiavana aho, ka mahatonga ahy ho afaka hanohy hanompo amin’ny fomba ahitam-bokatra amin’ny maha-loholona izany. Mitarika Fianarana ny Bokin’ny Kongregasiona isan-kerinandro aho, ary koa ny fianaran’ny kongregasiona isan-kerinandro Ny Tilikambo Fiambenana any amin’ny Efitrano Fanjakana. Sarotra amiko ny mamadika ireo pejy ao amin’ny Baiboly, koa misy olona iray voatendry hanampy ahy hanao izany any am-pivoriana. Mitarika fivoriana sy manao lahateny avy eo amin’ny sezako mikorisa aho.

Noho izany, dia mbola afaka manao ny maro amin’ireo zavatra nataoko teo aloha aho, dia zavatra nahafaly ahy ny nanao azy, anisan’izany ny fanaovana fitsidihan’ny mpiandry. (1 Petera 5:2). Manao izany aho rehefa misy rahalahy sy anabavy tonga manatona ahy mba hangataka fanampiana na torohevitra. Mampiasa ny telefaonina koa aho, ka manao ny dingana voalohany amin’ny fiantsoana an-telefaonina ny hafa. Mifamaly ny fampaherezana aterak’izany. (Romana 1:11, 12). Hoy ny namana iray vao haingana izay: “Tamin’ny fotoana nahatsiarovako tena ho rera-po indrindra no niantso ahy an-telefaonina ianao mba hampahery ahy.” Izaho koa anefa dia mahazo fampaherezana amin’ny fahafantarana fa mitahy ny fiezahako i Jehovah.

Aloha sy aorian’ireo fivoriana, dia manana fifaneraserana tsara dia tsara amin’ireo ankizy ao amin’ny kongregasiona aho. Koa satria aho mipetraka eo amin’ny sezako mikorisa, dia mifampiresaka amin’ny haavo mitovy izahay. Ankasitrahako ny fahatsoram-pon’izy ireo sy ny fitenenany tsy miolakolaka. Hoy ny zazalahy kely iray tamiko indray mandeha: “Miavaka raha samy sembana ianao, fa mahafinaritra!”

Amin’ny fifantohako amin’izay azoko atao, toy izay hanahy ny amin’izay tsy azoko atao, dia mahita fifaliana aho manompo an’i Jehovah. Nianatra zavatra be dia be avy tamin’izay nitranga tamiko aho. Takatro fa ampiofanina sy ampahatanjahina isika amin’ny alalan’ny fisedrana diavintsika. — 1 Petera 5:10, NW.

Olona salama maro no voamariko fa tsy mahatakatra ny hoe tsy maintsy mihevitra mandrakariva ny fanompoam-pivavahana amin’ilay Raintsika any an-danitra ho zava-dehibe isika. Raha tsy manao izany isika, dia mety ho tonga fahazarana fotsiny ny fandaharam-potoantsika amin’ny fianarana sy ny fivoriana ary ny fanompoana eny amin’ny saha. Heveriko ho tena zava-dehibe ireo fandaharana ireo ho amin’ny fahatafitana velona eo am-pamakivakiana ny faran’itỳ tontolo itỳ mba hidirana ao amin’ny Paradisa eto an-tany nampanantenain’Andriamanitra. — Salamo 37:9-11, 29; 1 Jaona 2:17.

Tsy maintsy mihazona mandrakariva ny fanantenana fiainana ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra ho avy, ho velona ao am-pontsika isika. (1 Tesaloniana 5:8). Nianarako koa ny tsy hiraviravy tanana eo amin’ny ady anoherana ny fironana rehetra hanjary ho kivy. Nianarako ny nihevitra an’i Jehovah ho Raiko ary ny fandaminany ho Reniko. Nanjary takatro fa raha manao ezaka isika, i Jehovah dia afaka mampiasa na iza na iza amintsika mba ho mpanompony mahita vokatra.

Na dia tsapako aza indraindray fa “potraka” aho, raha azo atao ny milaza izany, dia tsy “maty” aho. Tsy nafoin’i Jehovah sy ny fandaminany mihitsy aho, no sady tsy nafoin’ny fianakaviako sy ireo rahalahiko kristiana mihitsy koa. Noho ny nandraisako ny Baiboly sy ny nanombohako namaky azy io, dia nahazo tanjaka ara-panahy indray aho. Velom-pankasitrahana an’i Jehovah Andriamanitra aho, dia izy izay manome “hery mihoatra noho ny mahazatra” rehefa mitoky aminy isika. — 2 Korintiana 4:7, NW.

Amim-patokiana feno an’i Jehovah sy amim-pitokiana tanteraka aminy, dia miandrandra amim-pahadodonana ny hoavy aho. Matoky aho fa tena tsy ho ela intsony i Jehovah Andriamanitra dia hanatanteraka ny fampanantenany ny amin’ny paradisa iray ho tafaverina amin’ny laoniny eto an-tany, miaraka amin’ny fitahiana mahatalanjona rehetra hoentin’izy io. — Apokalypsy 21:3, 4.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara