FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w97 1/12 p. 21-24
  • Mpianatra Nahomby Tonga Misionera Mahomby

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mpianatra Nahomby Tonga Misionera Mahomby
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Mahita fifaliana eo amin’ny fanompoana ireo mpianatra be zotom-po
  • Nilaza ny tsiambaratelon’ny fahombiazany ireo misionera efa ela nihetezana
  • Mahatonga ny Olona Hankany Gileada ny Fahavononana Hanompo
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
  • Mifalia Amin’i Jehovah ary Ravoravoa
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
  • Voatosika mba Hanompo
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2000
  • Nahazo Diplaoma Ireo Mpianatra ny Tenin’Andriamanitra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
w97 1/12 p. 21-24

Mpianatra Nahomby Tonga Misionera Mahomby

“MBOLA tsy mety mino aho hoe nahazo io tombontsoa io izahay!”, hoy ny fihiakan’i Will. Ilay fiofanana vao vitan’izy mivady no noresahiny tamin’izay. Mpianatra tao amin’ny kilasy faha-103-n’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Watchtower mantsy izy sy i Patsy vadiny. Niombon-kevitra tamin’izany i Zahid sy i Jeni. “Nahatsiaro tena ho nahazo tombontsoa manokana izahay”, hoy izy ireo. Nianatra tsara avokoa ny mpianatra rehetra tao amin’ilay sekoly. Dodona izy ireo izao ny hanomboka ny asany amin’ny maha-misionera. Kanefa alohan’izany, tamin’ilay fandaharana fizarana diplaoma tamin’ny 6 Septambra 1997, dia nahazo torohevitra feno fitiavana izay hanampy azy ireo hahomby any amin’ireo toerana anendrena azy ho misionera, izy ireo.

I Theodore Jaracz, anisan’ny Fitambara-mpitantana, no mpitari-draharaha tamin’ilay fandaharana. Nasehony fa nanatrika teo mba hanome toky an’ireo mpianatra ny amin’ny fanohanany sy ny fitiavany, ireo havana aman-tsakaiza avy any Eoropa, Etazonia, Kanada sy Porto Rico — mbamin’ny mpianakavin’ny Betela sy solontena avy any amin’ny sampana 48 an’ny Fikambanana Watch Tower. Nomarihin’ny Rahalahy Jaracz fa ireo misionera navoakan’ireo fiangonana ao amin’ny Tontolo Lazaina fa Kristiana dia matetika no nivaona tamin’ny asa misionera ka nanomboka nandranto fianarana ambony na voasingotry ny politika mihitsy aza. Mifanohitra amin’izany ireo nahazo diplaoman’i Gileada, fa manao izay zavatra nampiofanana azy izy ireo. Mampianatra ny Baiboly amin’ny olona izy ireo.

Avy eo i Robert Butler, avy ao amin’ny biraon’ny Fikambanana ao Brooklyn, dia niresaka momba ilay loha hevitra hoe “Ataovy Mahomby ny Lalanao”. Nohazavainy fa na dia ny vola na fananana manokana hafa aza no anombanan’ny olona ny fahombiazana, ny tena zava-dehibe dia ny fomba anombanan’Andriamanitra ny fahombiazana. Nahomby ny fanompoan’i Jesosy, tsy noho izy nahavita nampiova finoana olona maro be, fa noho izy nahatoky tamin’ny asa nanendrena azy. Nitondra voninahitra ho an’i Jehovah i Jesosy, sady nitoetra ho tsy voaloton’izao tontolo izao. (Jaona 16:33; 17:4). Zavatra azon’ny Kristiana tsirairay atao izany.

“Aoka Ianareo ho Mpanompon’ny Olona Rehetra”, hoy ny torohevitr’i Robert Pevy, misionera tany Orient taloha. Misionera nahomby ny apostoly Paoly. Inona no tsiambaratelony? Nanao ny tenany ho mpanompon’ny rehetra izy. (1 Korintiana 9:19-23). Nanazava toy izao ilay mpandahateny: “Ny olona nahazo diplaoman’i Gileada ary manana izany toe-tsaina izany, dia tsy hihevitra ny fanompoan’ny misionera ho karazana asa fitadiavana fisondrotana, ho tohatra fiakarana ho amin’ny toerana ambony kokoa ao amin’ny fandaminana. Mankany amin’ny toerana anendrena azy ny misionera iray, tsy manana afa-tsy antony manosika iray ihany — ny hanompo, satria izany no ataon’ny mpanompo.”

Niompana betsaka tamin’ny 2 Korintiana toko faha-3 sy faha-4 ny torohevitr’i Gerrit Lösch, anisan’ny Fitambara-mpitantana, rehefa nampirisika ireo mpianatra ny tenany mba “Hanome toy ny Fitaratra ny Taratry ny Voninahitr’i Jehovah”. Nampahatsiahiviny azy ireo fa ny fahalalana an’Andriamanitra dia toy ny hazavana iray manazava ny Kristiana, rehefa manokatra ny fony mba handray izany izy. Manome taratr’izany hazavana izany isika amin’ny fitoriana ny vaovao tsara sy amin’ny fananana fitondran-tena tsara hatrany. “Mety hahatsiaro tena ho tsy ampy fahaizana ianareo indraindray”, hoy ny fiekeny. “Rehefa mipoitra ny fihetseham-po toy izany, dia miantehera amin’i Jehovah ‘mba ho ny an’Andriamanitra ny hery mihoatra noho ny mahazatra’.” (2 Korintiana 4:7, NW ). Raha namerina ny tenin’i Paoly voarakitra ao amin’ny 2 Korintiana 4:1 ny Rahalahy Lösch, dia niangavy ireo mpianatra toy izao: “Aza ketraka ka hamela ny fanendrena anareo ho misionera. Tano ho mangirana ny fitaratrareo!”

I Karl Adams, anisan’ny mpampianatra ao amin’i Gileada dia niresaka ny amin’ilay loha hevitra manitikitika ny saina hoe “Aiza i Jehovah?” Tsy mahakasika ny toerana misy an’i Jehovah eo amin’izao rehetra izao ilay fanontaniana, fa mahakasika ny ilana handinihana ny fomba fijerin’i Jehovah sy ireo zavatra manondro ny fitarihany. “Ao anatin’ny fihenjanana”, hoy izy, “dia mety hanadino izany, na dia ny olona iray efa nanompo an’i Jehovah hatramin’ny ela aza.” (Joba 35:10). Ahoana ny amin’izao andro maoderina misy antsika izao? Tamin’ny 1942, dia tena nila tari-dalana ny vahoakan’Andriamanitra. Nifarana ve ny asa fitoriana sa mbola nisy asa bebe kokoa tokony hatao? Inona no sitrapon’i Jehovah ho an’ny vahoakany? Arakaraka ny nianaran’izy ireo ny Tenin’Andriamanitra, dia nihanazava ny valin-teny. “Talohan’ny nifaranan’io taona io”, hoy ny fanambaran’ny Rahalahy Adams, “dia efa voavolavola ny planina ho an’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Watchtower.” Azo antoka fa nitahy ny asan’ireo misionera navoakan’io sekoly io i Jehovah.

I Mark Noumair no mpampianatra faharoa nandray ny fitenenana. Tao amin’ilay lahateniny nitondra ny lohateny hoe “Ahoana no Hampiasanao ny Talentanao?”, dia nampirisika ireo mpianatra izy mba hampihatra ny fiofanana azony tao Gileada raha vantany vao tonga any amin’ireo toerana vaovao anendrena azy. “Miezaha mifandray amin’ny hafa”, hoy izy. “Manehoa fahalianana amin’ny olona sy ny kolontsainy. Manàna faniriana miredareda ny hahafantatra ireo fomba amam-panao sy ny tantaran’ilay tany ary ireo zavatra heverin’ny olona any fa mampihomehy. Arakaraka ny hahaizanao haingana ilay fiteny no hahatamana anao kokoa.”

Mahita fifaliana eo amin’ny fanompoana ireo mpianatra be zotom-po

Ankoatra ny filofosan’izy ireo tamin’ny fianarany tao Gileada, dia notendrena hankany amin’ny kongregasiona 11 teo an-toerana ireo mpianatra. Tamin’ny faran’ny herinandro, dia nandray anjara tamin-jotom-po tamin’ny asa fitoriana izy ireo. I Wallace Liverance, mpampianatra ao amin’i Gileada, dia nanasa maromaro tamin’izy ireo mba hilaza fanandraman-javatra sasany tamin’ny mpanatrika. Niharihary ny fifalian’izy ireo teo am-pitantarany ireo fanandraman-javatra hitany fony izy ireo nitory teny amin’ireo tsena, teny amin’ny parking, teny amin’ireo faritany be toeram-piasana, teny amin’ny arabe sy isan-trano. Ny sasany tamin’izy ireo dia nitady hirika mba hanatratrarana ireo olona niteny vahiny izay nipetraka sy niasa tao amin’ny faritanin’ny kongregasionan’izy ireo. Fampianarana Baiboly ao an-tokantrano folo fara fahakeliny no natomboka sy notarihin’ireo anisan’ilay kilasy faha-103, nandritra ireo dimy volana niofanany.

Nilaza ny tsiambaratelon’ny fahombiazany ireo misionera efa ela nihetezana

Nanaraka io tapany nahafinaritra tamin’ny fandaharana io, dia nanasa olona fito anisan’ny Komitin’ny Sampana, i Patrick Lafranca sy i William Van de Wall, mba hilaza amin’ny ambangovangony ny lesona hitan’izy ireo tao amin’ny asa misionera, mba handraisan’ilay kilasy soa. Nananatra ireo nahazo diplaoma izy ireo mba hihevitra ny fanendrena azy ireo ho misionera ho avy amin’i Jehovah ka ho tapa-kevitra ny hifikitra amin’ilay fanendrena. Noresahin’izy ireo fa nisy vokany tsara teo amin’ny asa tany amin’ny tany hafa ireo misionera niofana tao Gileada.

Inona no nanampy ireny anisan’ny Komitin’ny Sampana ireny hanompo am-polony taona maro tamin’ny naha-misionera namokatra sy sambatra? Niara-niasa akaiky tamin’ireo rahalahy teo an-toerana ka niana-javatra taminy, izy ireny. Nilofo nianatra ilay fiteny izy ireo raha vantany vao tonga tany amin’ny toerana nanendrena azy. Nianatra ny hahay hiovaova araka izay nilaina izy ireo ary nianatra ny hifanaraka tamin’ireo fomba amam-panao teo an-toerana. I Charles Eisenhower, izay nahazo diplaoma tao amin’ny kilasy voalohan’i Gileada sady misionera nandritra ny 54 taona, dia nilaza “tsiambaratelo” dimy izay hitan’ireo misionera nahomby: 1) Mianatra tsy tapaka ny Baiboly, 2) mianatra ilay fiteny, 3) marisika eo amin’ny fanompoana, 4) manao izay hisian’ny fihavanana ao amin’ny tranon’ny misionera, ary 5) mivavaka tsy tapaka amin’i Jehovah. Tsy ilay torohevitra azo nampiharina ihany no nanaitra ny sain’ireo mpianatra, fa ilay fifaliana miharihary ananan’ireo misionera menavazana ireo koa eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Araka ny nilazan’i Armando sy i Lupe azy, dia “falifaly izy ireo rehefa miresaka ny fiainany”.

Lahateny iray sisa no taorian’ilay fanadinadinana. I Albert Schroeder, anisan’ny Fitambara-mpitantana dia nifidy ilay loha hevitra hoe “Mampiharihary Vatosoa Sarobidin’ny Fahamarinana ny Fitandremana Amim-pahatokiana ny Tenin’Andriamanitra”. Koa satria ny Baiboly no boky fianarana lehibe indrindran’ny Sekolin’i Gileada, dia liana tamin’izay nolazainy ireo mpianatra. Nasehon’ny Rahalahy Schroeder fa fony natomboka ny asa tamin’ny New World Translation of the Holy Scriptures (Ny Soratra Masina — Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao), 50 taona lasa izay, dia tsy nitady ny fankasitrahan’ny olona ireo voahosotra anisan’ny Komitin’ny Baiboly Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao, fa niantehitra kosa tamin’ny tari-dalan’ny fanahy masina. (Jeremia 17:5-8). Tsy ela anefa izay, dia nisy manam-pahaizana sasany niaiky ny amin’ny fari-pitsipika ambony narahin’ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao. Tao amin’ny taratasy iray nalefany ho an’ny Fikambanana, dia nanoratra toy izao ny manam-pahaizana manokana iray: “Fantatro fa ambony karazana ny zavatra vita an-tsoratra iray rehefa mahita anankiray aho, ary nahavita asa tsara ny ‘Komitin’ny Baiboly Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao’ ao aminareo.”

Taorian’io lahateny io, dia nahazo ny diplaomany ireo mpianatra, ary nambara tamin’ny mpanatrika ny toerana hanendrena azy ireo. Fotoana nampihetsi-po an’ireo anisan’ilay kilasy izany. Raha namaky taratasy fankasitrahana ny solontenan’ilay kilasy, dia maro no kendakendan’ny fihetseham-po sy latsa-dranomaso. Ny sasany tamin’ireo mpianatra dia efa niomana an-taonany maro ho amin’ny asa misionera. Noho ny fahatakarany fa hatao amin’ny teny anglisy ny fianarana ao Gileada, dia nisy sasantsasany nifindra toerana tany amin’ireo kongregasiona miteny anglisy mba hanatsarana ny fahaizany mampiasa ilay fiteny. Nisy hafa nifindra nankany amin’izay nilana mpisava lalana bebe kokoa, na tao amin’ny tanin’izy ireo izany, na tany ivelany. Nisy hafa koa niomana tamin’ny famakiana fitantarana zavatra niainan’ny hafa, tamin’ny fanaovana fikarohana, na tamin’ny famerimberenana nijery ilay vidéocassette-n’ny Fikambanana hoe Jusqu’aux extrémités de la terre (Hatrany Amin’ny Faran’ny Tany).

Nitolagaga tanteraka tamin’ilay fiahiana manokana naseho tamin’ireo mpianatra i Will sy i Patsy, voalaza terỳ am-piandohana. “Nisy olona izay tsy nahafantatra anay akory, namihina anay sy naka sary anay. Nandray tanana anay ny mpikambana iray ao amin’ny Fitambara-mpitantana sady nilaza hoe: ‘Mirehareha ny aminareo izahay!’ ” Tsy isalasalana fa tiana fatratra tokoa ireo mpianatra tao amin’ny kilasy faha-103. Tsara ofana izy ireo. Ny fianarana azon’izy ireo tao Gileada dia hamela azy ireo hanao ilay fiovana, dia ny hoe mpianatra nahomby tonga misionera mahomby.

[Efajoro, pejy 22]

Antontan’isa Momba Ilay Kilasy

Isan’ny tany nanana solontena: 9

Isan’ny tany nanendrena: 18

Isan’ny mpianatra: 48

Isan’ireo mpivady: 24

Salanisan’ny taona: 33

Salanisan’ny taona naha-tao amin’ny fahamarinana: 16

Salanisan’ny taona naha-tao amin’ny fanompoana manontolo andro: 12

[Sary, pejy 23]

Ny Kilasy Faha-103 Nahazo Diplaoman’ny Sekoly Ara-Baibolin’i Gileada An’ny Watchtower

Eo amin’ny lisitra eto ambany, ireo laharana dia asiana nomerao avy eo aloha mankany aoriana, ary ireo anarana tononina avy eo ankavia miankavanana isaky ny laharana.

1) Bunn, A.; Dahlstedt, M.; Campaña, Z.; Boyacioglu, R.; Ogando, G.; Nikonchuk, T.; Melvin, S. 2) May, M.; Mapula, M.; Lwin, J.; Hietamaa, D.; Hernandez, C.; Boyacioglu, N.; Sturm, A.; Melvin, K. 3) Thom, J.; Mapula, E.; Nault, M.; Teasdale, P.; Wright, P.; Pérez, L.; Shenefelt, M.; Pak, H. 4) Murphy, M.; Campaña, J.; Stewart, S.; Cereda, M.; Reed, M.; Pérez, A.; Teasdale, W.; Pak, J. 5) Stewart, D.; Wright, A.; Cereda, P.; Nikonchuk, F.; Reed, J.; Hietamaa, K.; Ogando, C.; Shenefelt, R. 6) Murphy, T.; Hernandez, J.; Nault, M.; Bunn, B.; Thom, R.; Dahlstedt, T.; Lwin, Z.; May, R.; Sturm, A.

[Sary, pejy 24]

Hankaiza izahay?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara