‘Mitondra fitahiana maro ny fanehoana tsy fivadihana’
1 “Izay olona mahatoky tokoa [maneho tsy fivadihana, MN] dia ho be fitahiana.” (Ohab. 28:20). Ny mpitory maharitra rehetra dia afaka manaporofo ny fahamarinan’izany fampanantenan’Andriamanitra izany. Jehovah, ilay “Mpamorona tsy mivadika”, dia mifaly rehefa mahita ny fanehoana tsy fivadihan’ireo mpanompony izay manahaka azy, ka mitahy azy ireny izy (1 Pet. 4:19). Nilaza ny mpitory maharitra iray fa ny fanompoana manontolo andro dia nitondra ho azy “fifaliana hany ka tsy nisy antony ny zava-manahirana rehetra eo amin’ny fiainana”. Angamba izany mihitsy no tsapanao.
Fanampiana mba handresena ny zava-manahirana
2 Tena zava-dehibe raha mampahery sy manatanjaka ny mpitory maharitra mahatoky ireo loholona. Mitondra vokatra bebe kokoa amin’izay ny fiezahana ataon’ny Fikambanana ho tombontsoan’ny mpitory maharitra. Ao anatin’ny “fisasarana manan-tombo” ny mpitory maharitra; izany dia antony anankiray tokony hanehoana fiheverana azy ireny mihoatra noho ny mahazatra.—2 Kor. 11:23.
Manàna fahaiza-mandanjalanja amin’ny zavatra rehetra
3 Tsy mbola sarotra sy zava-dehibe toy izao mihitsy ny hananana fihetsika mahay mandanjalanja eo amin’ny fanompoantsika sy eo amin’ny fiainantsika. Marina indrindra izany ho an’ny mpitory maharitra izay manana fandaharam-potoana feno sy voatana mafy. Miantsoroka araka ny mety ny andraikitrao samy hafa ve ianao? Raha manan-janaka ianao, omenao azy ireny ve ny fiheverana sy ny fampiofanana ilainy? Nahay nanao fandaminana tsara ny ray aman-dreny sasany mba hanomezana fahafahampo tamin’ny zavatra ilain’ny zanany sady nitoetra ho mpitory maharitra mahita vokatra. Mitaky fahaiza-mandanjalanja tsara sy fiezahana be dia be anefa izany.
4 Mitantara ny Baiboly fa i Hezekia mpanjaka dia “nanao izay tsara sy mety ary marina eo anatrehan’i Jehovah Andriamaniny”, ary ‘nanao zavatra tamin’ny fony rehetra izy, ka nambinina [nahita fahombiazana, MN]’. (2 Tant. 31:20, 21.) Tsy nisy na inona na inona niova. Ilaina ny manao zavatra mitovy amin’izany amin’izao andro izao mba hahitana fahombiazana eo amin’ny asan’i Jehovah. Tao anatin’iny taom-piasana lasa iny angamba ianao dia tsy maintsy nandresy ny aretina, zava-manahirana ara-bola, eny fahakiviana na famoizam-po sasany mihitsy aza. Niaretanao anefa ireny fahasahiranana ireny tamin’ny fianteheranao tamin’i Jehovah.
5 Hetsehin’ny fitiavana ny fo tsy voazarazara. Mpitory maharitra ianao satria irinao ny hanao bebe kokoa eo amin’ny asan’i Jehovah. Tsaroanao ve ny fomba nahaterahan’izany faniriana izany tao aminao? Moa ve tsy satria, rehefa nianatra ny Tenin’i Jehovah sy nampitombo finoana azy ianao, dia nanjary nahafantatra azy ka nampiseho fankasitrahana azy? Mba hiarovana izany toe-po tsara izany, dia ilainao ny mitandrina ny toetrao ara-piraiketam-po sy ara-pitondrantena. Aza hadinoina na oviana na oviana àry ny maha-zava-dehibe ny fanarahana fandaharana tsy tapaka raha ny amin’ny fianarana manokana sy ny famakiana Baiboly.—Heb. 5:14; Ohab. 4:23.
‘Mambole sy manondraha’ amim-paharetana
6 Na dia sarotra aza ny faritaninao, na raha mahita vato misakana hafa ianao, dia aza mitsahatra ny mamboly sy manondraka amim-paharetana, dia hitahy anao be dia be i Jehovah ka tsy hijanona. (1 Kor. 3:6-9). Mba hahatongavana amin’izany dia ovaovao ny fomba fitorianao amin’ny fiahiana amim-pitandremana an’ireo fanoloran-kevitra tsara dia tsara raisintsika ao amin’ny Fanompoana ilay Fanjakana.
7 Mpitory maharitra mihamaro hatrany no miezaka manararaotra ny fahafahana rehetra hanaovana fanambarana, ary ny vokatra tsara dia tsara, azo dia mampisongadina ny tena hasarobidin’ny fanambarana tampotampoka. Mahita fahasahiranana ve ianao amin’ny fanombohana fampianarana Baiboly? Ny anabavy iray dia nanontany ilay vehivavy niara-nianatra taminy raha nahafantatra olon-kafa ho tia ny hianatra Baiboly koa izy. Fampianarana Baiboly efatra no natomboka tamin’izany niaraka tamin’ny naman’io ramatoa io. Nanomboka fampianarana anankiray hafa io anabavy io ihany. Nampirisika ilay mpianatra izy hanasa olon-kafa handray anjara amin’ny fianarana. Nanaraka izany, dia fampianarana efatra hafa no natomboka. Noho izany fomba fanao izany, ny fampianarana roa dia namela hanomboka folo, ary olona 46 no tonga tao amin’ny fahamarinana tamin’izany. Efa mba nanandrana izany fomba fanao izany ve ianao?
8 Tsy misy mihitsy asa mety hisy vidiny toy ny fanompoana tontosainao. ‘Rakitra amin’ny vilany tany’ izany. Izay rehetra tsy afaka mamonjy ny laharan’ny mpitory maharitra dia mahazo antoka koa fa ny “fanehoany tsy fivadihana” dia hitondra fitahiana tondraka ho azy, satria Jehovah dia tsy mba tsy marina ka hanadino ny asa tsara dia tsara tontosain’ny fitambaran’ny vahoakany.—2 Kor. 4:1-7; Heb. 6:10.