Fampandrenesana
● FANITSIANA: Fanompoana volana Desambra 1990, p. 1, lahatsoratra hoe Ampianarin’i Jehovah, fehin. 2: esory aza fady ny fehezanteny farany satria ny boky Toute Ecriture fanontana teo aloha ihany no hampiasaintsika.
● FANITSIANA: Ao amin’ny boky “Hiaina mandrakizay” pejy faha-178 ka hatramin’ny pejy 179 fehin. 8 - 11 dia ny fanazavana ao amin’ny boky kely velarana no tena izy. Ao amin’ny boky “Hiaina mandrakizay” pejy faha-155 fehintsoratra voalohany andalan-tsoratra faha-5 dia soloy hoe ho amin’“izao tontolo izao” vaovao sy marina ny hoe “fandehan-javatra” vaovao sy marina.
● Zavatra atolotra amin’ny Febroary 1991: Fiadanana sy Filaminana amin’ny sarany 300 FMG; boky fanao am-paosy amin’ny fiteny frantsay amn’ny sarany 300 FMG: Ecoutez le Grand Enseignant; Tout finit-il avec cette vie; Une bonne nouvelle...; Commentaire sur la lettre de Jacques; La vie a bien un but; Que ton Royaume vienne; ets.
● Zavatra atolotra amin’ny Martsa 1991: Vaovao tsara hahatonga anao ho sambatra amin’ny sarany 800 FMG.
● Zavatra atolotra amin’ny Aprily sy May 1991: Famandrihana amin’ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana. Ny saran’ny famandrihana herintaona dia 11.000 FMG ary ny enim-bolana 5.500 FMG. Rehefa lavina ny famandrihana dia azo atao ny manolotra gazety roa miaraka amin’ny bokikely iray be velarana (afa-tsy Ny sekoly sy ny Vavolombelon’i Jehovah) amin’ny sarany 540 FMG.
● Ireo mpiandraikitra mpitely faritany rehetra dia hamelabelatra izao foto-hevitra izao “Mahaiza miaina amim-pahendrena eto amin’ity tontolo ratsy fitondranlena ity” amin’ny fitsidehana volohany amin’ny taona 1991. Rehefa vita ny lahateny mitondra io foto-hevitra io dia hatao ny famelabelanana amin’ny alalan’ny “diapositives” raha tonga izany. Manaraka izany dia hatao ny lahateny mitondra ny foto-hevitra hoe: “Ny fahendren’Andriamanitra eo amin’ny tontolo iray nanolo-tena ho an’ny siansa”.
● Ny mpitantsoratra sy ny mpiandraikitra ny asa dia tokony hijery indray ny asan’ny mpitory maharitra mandavantaona rehetra. Raha sendra misy manana fahasahiranana eo amin’ny famenoana ny ora takina dia tokony handamina ny hisian’ny fanampiana homena ireo loholona. Jereo koa ny fehintsoratra faha-12 ka hatramin’ny faha-20 amin’ny Ny fanompoantsika ilay Fanjakana, tamin’ny volana Oktobra 1986.
● Mikasika ny asan’ny mpitory maharitra, dia nomena ireto fampahatsiahivana manaraka ireto:
○ Tokony hisy filazana hatao ho an’ny kongregasiona rehefa misy mpitory maharitra mandavantaona iray mitsahatra amin’ny asan’ny mpitory maharitra. Mety ho toy izao fotsiny ilay filazana fohy: “Ilazana ny kongregasiona fa [Ranona] dia tsy manompo amin’ny maha-mpitory maharitra mandavantaona intsony.”
○ Mbola 1000 ora ihany no takina isan-taona amin’ny mpitory maharitra mandavantaona.
○ Tsy maintsy tapitra ny taona iray manontolo nanaraka ny famerenana ny olona iray niharan’ny fameperana na ny fandraisana ny olona iray voaroaka vao azo ekena ho mpitory maharitra mandavantaona na mpanampy izy. — Jereo Ny fanompoantsika ilay Fanjakana tamin’ny Oktobra 1986, fehintsoratra faha-21 sy 23.
● Ny fankalazana ny Fahatsiarovana dia hatao ny Asabotsy 30 Martsa 1991. Na dia mety hanomboka aloha kokoa aza ny lahateny dia mba tadidio kely aza fady fa ny fampandalovana ny mofo sy ny divain’ny Fahatsiarovana dia tsy tokony hatomboka raha tsy aorian’ny filentehan’ny masoandro. Mijere fampahalalam-baovao eo an-toerana mba hamantarana ny ora hilentehan’ny masoandro ao amin’ny faritra misy anao. Tsy tokony hisy fivoriana hatao afa-tsy ny ho amin’ny asa fitoriana ihany amin’io andro io. Tsy hisy fiovana ny fandaharam-pivoriana ny Alahady.
● Ireo mpitory maniry ny hanao ny asan’ny mpitory maharitra mpanampy amin’ny Martsa sy Aprily dia tokony hanao ny planiny dieny izao ary hamerina aloha ny fangatahan’izy ireo. Izany dia hanampy ireo loholona hanao ireo fandaharana ilaina amin’ny asa fitoriana sy hanana zavatra vita an-tsoratra ampy eo am-pelatanany.
● Boky ananantsika ao amin’ny tahiry:
— Hiaina mandrakizay (kely velarana)
— Trakitra No. 13
— Trakitra No. 14
— Trakitra No. 15
— Trakitra No. 16