Vaovao Teokratika
◆ Barbade: Tampon’isa vaovao tamin’ny mpitory 1 800 tamin’ny Septambra.
◆ Côte d’Ivoire: Tampon’isa faha-12 nisesy tamin’ny mpitory 3 465 teo amin’ny fanombo han’ny taom-piasana tamin’ny Septambra. Ny rahalahy any koa dia manampy rahalahy sy anabavy mpitsoa-ponenana maro be avy any Liberia noho ny fahasahiranana mitranga any amin’io tany rotidrotiky ny ady io.
◆ Japana: Tampon’isa vaovao tamin’ny mpitory 148 452 tamin’ny Septambra. Mpitory maharitra mandavantaona vaovao 3 582 no nisoratra anarana tamin’ny fiandohan’ny Septambra. Nandritra ny volana Septambra, dia sekolin’ny mpitory maharitra nisy kilasy 165 no natao tao amin’ny fizarantany 111, ary mpitory maharitra mandavan-taona 3 920 no nandray tombontsoa tamin’ny fianarana.
◆ Kenya: Tampon’isa vaovao tamin’ny mpitory 5 610 tamin’ny Septambra. 11 027 ny isan’ny mpanatrika tamin’ny fifaranan’ny andron’ny fivoriambe manokana ary 172 no natao batisa.
◆ Lesotho: Tampon’isa vaovao tamin’ny mpitory 1 347 tamin’ny Septambra. Ny antsalan’ny oran’ny mpitory isaky ny kongregasiona 13,1 dia mampiseho fa miezaka mafy amin’ny asan’i Jehovah izy ireo.
◆ Maurice: Mpitory 907 tamin’ny Septambra: Tampon’isa vaovao!
◆ Nigéria: Tampon’isa vaovao tamin’ny mpitory 146 703 tamin’ny Septambra. Izany dia fitomboana mihoatra ny 4 600 ambonin’ny tampon’isa tamin’ny Aogositra.
◆ La Réunion: Mpitory 1 854 tamin’ny Septambra. Tampon’isa vaovao! Mpanatrika ny fivoriamben’ny distrika: 3 591, batisa: 114.
◆ St. Vincent: Tampon’isa tamin’ny mpitory 208 tamin’ny Septambra. Nisy fitomboana 14% tamin’izany. Antsalan’ny oran’ny mpitorin’ny kongregasiona: 14,2.