Ireo fivoriana manampy antsika hanao mpianatra
HERINANDRO MANOMBOKA NY 4 MARTSA
Hira 40
10 min: Filazana eo an-toerana sy Fampandrenesana nofantenana avy ato amin’ny Ny Fanompoantsika ilay Fanjakana. Lazao amin’ny ambangovangony ny fandaharana amin’ny fanompoana amin’ity faran’ny herinandro ity.
20 min: “Fanampiana amin’ny fotoana ilàna izany”. Mandinika ireo fanazavana hita ao amin’ny lahatsoratra miaraka amin’ny mpanatrika ny mpiandraikitra ny asa. Asongadino ireo soa azo avy amin’ny fandaharana atao rehefa mitsidika ireo fianarana ny bokin’ny kongregasiona ny mpiandraikitra ny asa. Ampirisiho ny rehetra mba hanao fiezahana manokana mba handraisany anjara amin’ireo asa atao mandritra ny herinandron’ny fitsidihan’ny mpiandraikitra ny asa.
15 min: Diniho ny foto-dresaka ary aoha hisy mpitory za-draharaha hanao fampisehoana roa amin’ny fampiasana ny zavatra atolotra amin’ny volana.
Hira 7 sy vavaka famaranana.
HERINANDRO MANOMBOKA NY 11 MARTSA
Hira 22
10 min: Filazana eo an-toerana sy rapaoron’ny toe-bola. Asio teny fankasitrahana noho ireo fanomezana. Ampahatsiahivo ny rehetra fa hatao amin’ny harivan’ny asabotsy 30 Martsa ny Fahatsiarovana. Lazao ny ora sy ny toerana marina. Anontanio ny kongregasiona ny amin’izay fomba noheveriny hanasana ireo vaovao ho amin’ny Fahatsiarovana ary asehoy ny fomba hahafahana manao izany. Ampahatsiahivo ny kongregasiona fa hisy taratasy fanasana vita pirinty ho azo ampiasaina.
15 min: Zavatra ilaina eo an-toerana na lahateny miorina amin’ny lahatsoratra hoe: “Tohizo hatrany ny fanitsianao ny toetranao” ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 Febroary 1991. Na lahateny iray izay mifanitsy amin’izay zavatra ilain’ny kongregasiona.
20 min: “Ilay andro lehibe indrindra amin’ny taona 1991”. Fiaraha-midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny. Fampisehoana mafana sy feno hafanam-po mampirisika ny kongregasiona mba hahazo an-tsaina tsara ny tena hevitr’io andro lehibe indrindra amin’ny taona io. Asongadino ny maha-zava-dehibe ny hanaovana fandaharana tsara mba hanarahana ny fahalianana asehon’ireo olona izay vao voalohany no hanatrika ny Fahatsiarovana.
Hira 66 sy vavaka famaranana.
HERINANDRO MANOMBOKA NY 18 MARTSA
Hira 72
10 min: Filazana eo an-toerana sy Vaovao teokratika. Lazao ny fandaharana ho amin’ny fanompoana ary resaho ireo hevitra misongadina amin’ireo gazety vao haingana izay mety ho azo ampiasaina amin’ny fizarana gazety. Azo tantaraina ireo fanandraman-javatra hita tamin’ny fampisehoana ny zavatra atolotra amin’ny volana. Ampirisiho ny fanaovana ny asan’ny mpitory maharitra mpanampy amin’ny volana Aprily.
20 min: Manomàna fampidiran-dresaka mandaitra. Manampy ireo mpitory hanomana ireo fampidiran-dresaka izay mety hifanentana amin’ny faritany eo an-toerana ny loholona iray mahomby amin’ny fanompoana. Aoreno amin’ny pejy faha-9-15 amin’ny boky Comment raisonner ireo fanoloran-kevitra. Miresaha ny amin’ny fampidiran-dresaka roa na telo izay azo ampiasaina miaraka amin’ny Foto-dresaka amin’ny volana na lohahevitra hafa mety tsara amin’ny toe-javatra. Manasà mpitory manana fanandraman-javatra hanao fampisehoana roa eo amin’ny isan-trano amin’ny fampiasana ireo fanoloran-kevitra hita ao amin’ny boky Comment raisonner pejy faha-9-15. Araka ny amelan’ny fotoana, dia mitantarà fohy fanandraman-javatra avy eo an-toerana manaporofo ny hasarobidin’ny fampidiran-dresaka izay misarika ny fahalianan’ny tompon-trano.
15 min: Lahateny momba ny hasarobidin’ny famakiana ireo andininy ao amin’ny Soratra masina momba ny Fahatsiarovana izay voasoratra eo amin’ny Calendrier 1991 ho an’ny 25-30 Martsa. Mety haniry hiara-mamaky azy ireo ny fianakaviana ary hiresaka ny amin’ny maha-zava-dehibe io fisehoan-javatra io. Mety hanampy ny famakiana izay voalaza eo ambanin’ny lohateny hoe: “Repas du Seigneur” ao amin’ny boky Auxiliaire, volume NI-RI, p. 1280-1283. Ny fiomanana toy izany dia afaka mampitombo ny fankasitrahana ny Fahatsiarovana ary mampifanakaiky kokoa ireo mpikambana ao amin’ny fianakaviana ao amin’ny fatoran’ny fanompoam-pivavahana marina.
Hira 51 (vaovao) sy vavaka famaranana.
HERINANDRO MANOMBOKA NY 25 MARTSA
Hira 46 (vaovao)
10 min: Filazana eo an-toerana. Lazao amin’ny ambangovangony ireo fandaharana amin’ny Fahatsiarovana. Ampahatsiahivo ny mpanatrika mba hitondra ireo fianakaviany sy ireo olona liana any amin’ny Efitrano Fanjakana aloha araka izay azo atao mba hahafahan’izy ireo mahazo toerana. Any amin’izay hisian’ny Kongregasiona roa na mihoatra mampiasa Efitrano iray ihany amin’ny Fahatsiarovana, dia hanome toromarika ireo loholona ny amin’ny ora tokony hahatongavan’ny kongregasiona tsirairay. Ampifankahalalao amin’ny rahalahy ireo vaovao ary ampahafantaro azy ny momba ny Efitrano Fanjakana raha izany no fotoana voalohany nahatongavany tao. Lazao ireo fandaharana ho an’ny fanompoana ny asabotsy sy alahady amin’ny fampirisihana ny rehetra hanana faran’ny herinandro feno amin’ny ara-panahy.
15 min: “Ny fomba hanampiana ireo hetraha hahita fifaliana indray”. — Haseho toy ny lahateny (wMG 15/06/90 pp. 27-30).
20 min: “Aoka isika handroso amin’ny fanompoana”. Dinidinika ifanaovan’ny loholona manana fanandraman-javatra iray sy ny rahalahy iray maka ny toeran’ny olona iray izay tao amin’ny fahamarinana hatramin’ny fotoana elaela ihany nefa tsy nandroso. Aoka izy ireo hampiseho fohy ilay fanaovana fanazaran-tena resahina ao amin’ny fehintsoratra faha-3. Amin’ny fandinihana ny fehintsoratra faha-4, dia manasà mpitory maharitra iray na mpitory mahita vokatra tsara hafa hampiseho amin’ny mpitory iray tsy ampy fanandraman-javatra kokoa ny fomba hiatrehina sy handresena ny tarehin-javatra hita indraindray ao amin’ny faritany eo an-toerana. Ampidiro ao amin’ny dinidinika ny fanoloran-kevitra sasantsasany hita ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 Novambra 1985, pejy faha-15-20, ny amin’ny fanohinana ny fo. Farano amin’ny fampirisihana ny rehetra hanao volavolan-kevitra voafaritra tsara mba hanatsarana ny fahaiza-miresaka amin’ny olona sy ny fahaiza-manolokolo ny fahalianany.
Hira 30 sy vavaka famaranana.