Ireo fivoriana manampy antsika hanao mpianatra
HERINANDRO MANOMBOKA NY 6 MAY
Hira 15
10 min: Filazana eo an-toerana sy Fampandrenesana avy ao amin’ny Fanompoantsika ilay Fanjakana mahakasika ny kongregasiona. Lazao hoe fandaharana inona no nomanina ho amin’ny asa fitoriana. Mitantarà fisehoan-javatra iray na roa mahakasika ireo famandrihana azo hatramin’izay.
25 min: “Afaho avy ao amin’ny haizina ho amin’ny mazava ny olona” — Fiaraha-mandinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny. Rehefa mandinika ny fehintsoratra faha-6, dia anontanio ny mpanatrika roa fara fahakeliny hoe inona no soa nentin’ny Ny Tilikambo Fiambenana ho azy ireo na ho an’ny fianakaviany. Rehefa mandinika ny fehintsoratra faha-7, dia asongadino ny fomba hahafantarana raha liana ilay olona alohan’ny hanolorana azy famandrihana; ampiasao ny Fanompoantsika ilay Fanjakana tamin’ny Septambra 1990 pejy faha-3. Misy fanoloran-kevitra hafa ilaina ihany koa nivoaka tao amin’ny Fanompoantsika ilay Fanjakana Aprily 1991.
10 min: Valin’ny fanontanianareo. Fiaraha-mandinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny. Asongadino ireo soa raisina amin’ny fanarahana ireo torolalana teokratika.
Hira 13 sy vavaka famaranana.
HERINANDRO MANOMBOKA NY 13 MAY
Hira 73
8 min: Filazana eo an-toerana sy rapaoron’ny toe-bola. Ampidiro ao ny fisaorana ny kongregasiona noho ireo fanomezana voarain’ny Fikambanana. Derao amin-kafanam-po izy ireo noho ny fanohanany ara-bola ny tombontsoan’ilay Fanjakana, na eo an-toerana izany na maneran-tany. Lazao ireo fandaharana manokana nomanina ho amin’ny asa fitoriana ny 20 May.
15 min: “Fomba fampiseho ny vaovao tsara: Amin’ny takariva” — Fandinihana atao amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny. Resaho ny amin’ireo fandaharana nomanin’ny kongregasiona momba ny fitoriana takariva. Azo atao ny milaza zava-nitranga fohy teo an-toerana mba hampisehoana ireo tombony azo amin’ny fitoriana takariva.
20 min: Ilaina tanteraka ny hiorenana mafy — Lahateny ataon’ny loholona. I Jehovah dia eo am-panangonana olona avy amin’ny firenena rehetra ho andiany iray tafaray eo ambany fitarihan’ilay Mpiandry tsara, Jesosy Kristy (Jaona 10:14, 16, 27, 28). Fantatry ny Devoly fa kely sisa ny androny. Noho izany antony izany, dia ilaina tanteraka ny hiorenantsika mafy hanohitra ireo fanafihany sady manantontosa ny asa fanangonana. Sahala amin’ny Isiraely fahiny, ireo izay angonina amin’izao fotoana izao dia manana antony tsara hihainoana ny feon’i Jehovah (Deot. 28:1, 2; Isaia 55:1-3). Jehovah, Mpiandry lehibe antsika, dia mampahafantatra antsika ny amin’ny fandodonan’ny fotoana sy ny ilàna hiorenana mafy. Nahoana no tokony hiorina mafy isika? 1) Mba hanohanana ny fiandrianan’i Jehovah manerana izao rehetra izao (1 Tantara 29:11; Sal. 103:19; Isaia 33:22; kc pp. 30, 31). 2) Mba ho Vavombelony sy ho mpianatr’ilay Kristiny, mba hanohanana ny fahamarinana, mba hanambarana ny Fanjakany sy mba hanompoana azy amin’ny fanompoana masina (Jaona 18:37b; Heb. 12:28). 3) Mba hanohizana milaza amin-kerim-po ny Tenin’Andriamanitra sy mba hitandremana ireo fotopoto-pitsipiny marina na dia eo aza ny fanoherana sy ny fitsapana (Asa. 4:29; Fil. 1:14). Izany rehetra izany no tafiditra amin’ny hoe miorina mafy eo anoloan’ireo fiezahan’ny Devoly mihamirehitra hatrany, izay maniry hanala baraka ny anaran’i Jehovah, hanapaka ny tsy fivadihan’ireo Vavolombelony ary hanakantsakana ny asan’ilay Fanjakana eto an-tany. Mampiasa hafetsena ny Devoly, ary mampiasa zavatra maro eo amin’izao tontolo izao mba hampialana ny sasany. Tafiditra ao amin’ny tena ady isika, ady ara-panahy. Mba handresena, dia tsy maintsy manohitra ny toe-tsain’izao tontolo izao ratsy isika ka miorina mafy toy ny andiany iray monja amin’ny fanoherana ny Devoly — Efes. 6:10-13.
Hira 85 sy vavaka famaranana.
HERINANDRO MANOMBOKA NY 20 MAY
Hira 13 (vaovao)
5 min: Filazana eo an-toerana. Asongadino ny hevitra iray na roa izay azo resahina eny amin’ny saha fitoriana ao amin’ireo gazety faramparany.
15 min: “Aoka isika hanampy ny hafa eny amin’ny saha fitoriana” — Lahateny miaraka amin’ny fandraisana anjara vitsivitsy avy amin’ny mpanatrika. Fanadinadinana fohy mpitory iray faka tahaka izay hamelabelatra ireo soa raisiny amin’ny fiaraha-mitory amin’ny hafa.
25 min: “Fandaharana manampy antsika hiorina mafy” — Lahateny ataon’ny loholona iray. Koa satria Loharanon’ny fanomezana tanteraka rehetra i Jehovah, dia omeny izay ilaintsika rehetra, anisan’izany izay ilaintsika mba hiorenana mafy (Jak. 1:17; Matio 6:8). Omena antsika be dia be sy amin’ny fotoana mety, amin’ny alalan’ny “mpanompo mahatoky sy malina” ny sakafo ara-panahy. (Matio 24:45-47. MN.) Tanisao sy lazalazao ny sasantsasany amin’ireto fandaharana manaraka ireto: Avoaka “Ny Tilikambo Fiambenana” mba hampahafantarana antsika hatrany ny fahamarinana. Misy zavatra vita an-tsoratra samihafa milaza amin’ny andinindininy faminaniana lehibe sy ny fahatanterahany. Izany no hita amin’ny boky “Révélation: dénouement”. Manazava ireo foto-pampianarana sy ireo fampianaran’ny Baiboly ny boky toy ny “Hiaina mandrakizay” sy “Ho tonga anie ny fanjakanao!”. Mamelabelatra fotopoto-pitsipika natao hitarihana antsika eo amin’ny fiainantsika andavanandro sy hitarihan-dalana antsika eo amin’ny fifandraisantsika amin’ny hafa ny boky toy ny “Tafaray ao amin’ny fanompoam-pivavahana” sy “Fiadanana”. Ny boky “Fiainam-pianakaviana”, “Jeunesse” sy “Grand Enseingant” mbamin’ny “Ny Tilikambo Fiambenana” sy “Mifohaza!” dia mirakitra torohevitra hentitra sy azo ampiharina mba hampandrosoana ankohonana ao amin’ny kristianisma. Mivaofy raharaha mahakasika ny fandaminana ny boky “Voalamina”. Raisintsika isam-bolana koa “Ny Fanompoantsika ilay Fanjakana” izay mampahafantatra antsika ireo vaovao farany sy mahatonga antsika ho ampy fitaovana mba hanatanteraka ny fanompoantsika. Ambonin’izany rehetra izany, dia mandray soa amin’ ny Sekolin’ny fanompoana ilay Fanjakana ireo loholona sy ireo mpikarakara momba ny asa. Manana tombontsoa ireo mpitory maharitra manatrika ny Sekoly ho an’ny mpitory maharitra sy ny fivoriana manokana nalamina vao haingana ho azy ireo. Azontsika ampiasaina ireo boky amin’ny “Auxiliaire” sy ny boky hafa. Natao hanampiana antsika hiorina mafy amin’ny maha-andiany iray ihany izany sakafo ara-panahy rehetra izany. Mampahery ny mahatsapa fa misy toe-tsaina tsara dia tsara manjaka eo amin’ireo rahalahy: fitiavana firaisan-tsaina, fihavanana, fitokiana amin’i Jehovah sy zotom-po ho an’ny asan’ilay Fanjakana. Ireo izay mandray soa amin’ny fomba feno amin’ireo fandaharana nataon’i Jehovah mba hitanana azy ireny ho salama tsara eo amin’ny lafiny ara-panahy dia miady ny ady tsaran’ny finoana. Mihevitra ny tenantsika ho mahazo tombontsoa ambony avy amin’Andriamanitra isika, satria mahaforona fandaminana iraisam-pirenen’ny mpianakavin’ny finoana, ary velom-pankasitrahana an’i Jehovah isika noho ny fandaharana ataony rehetra. Mijery ny zavatra tena misy anefa isika na dia izany aza: fantatsika fa milofo mafy hampiala olona amin’ny fanompoam-pivavahana marina na mba hanao izay hahalavo azy ilay Fahavalo. Mitranga ny fahasahiranana maro rehefa atao tsirambina ny famahanan-tena tsara eo amin’ny latabatr’i Jehovah ka tsy vakina ireo zavatra vita an-tsoratra. Nahoana no manantitrantitra izany izahay? Fampitandremana ho antsika izay nitranga tamin’ireo mpanjaka teo amin’ny Isiraely tsy nanaraka ny baiko voarakitra ao amin’ny Deoteronomia 17:18, 19. Mariho fa nanana adidy hamaky tao amin’ny bokin’ny lalàna ny mpanjaka. Nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah ny ankamaroan’ireo mpanjaka. Ny anankiray tamin’ ireo antony lehibe indrindra nahatonga azy ireny hanao zavatra ratsy dia ny nanaovany tsirambina ny famakiana ireo toromarik’ Andriamanitra sy ny tsy niraharahany izany. Niavaka tamin’ireo ny mpanjaka nankat vitsivitsy izay namaky ny Lalàn’Andriamanitra: ireo no nanohana na namerina tamin’ny laoniny ny fanompoam-pivavahana madio. Resaho indrindra ny ohatra ny amin’i Hezekia sy i Josia. Asehoy fa taorian’ny famakiana fa nanameloka ny fanompoan-tsampy i Jehovah, dia nanomboka nanjera avy hatrany ireo tsato-kazo masina i Hezekia ary nanafoana ireo toerana avo. Rehefa namaky izay notakin’ny Lalàna, ny amin’ny Paska ankoatra ny zavatra hafa, i Josia, dia nanomboka nanova niaraka tamin’izay ireo fahazarana narahina tao amin’ilay tany. Manomeza ohatra ny amin’ny zavatra nataon’ireo izay mihaino ny torohevitr’i Jehovah amin’izao androntsika izao. Angamba izy ireny namaky ireo torohevitra ireo tao amin’ny Baiboly, tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana, tao amin’ireo boky hafa, nanandre izany tao amin’ireo fivoriana na fivoriambe. Amin’ny fampiharana izany, dia hisy angamba ho nahalamina zava-nanahirana lehibe ara-pianakaviana. Ny sasany namoy ny fikendrena hanana anton’asa eo amin’izao tontolo izao, hahazo fisondrotana na ho tonga eo amin’ny toerana ambony iray satria nandatsaka am-po fotopoto-pitsipika ao amin’ny Babiboly nasongadina tao amin’ireo zavatra vita an-tsoratra. Noho ny famakiany ny Baiboly sy ireo zavatra vita an-tsoratry ny fandaminana, dia tanora maro no niorina mafy sy nandositra ny naman-dratsy izay nety hitarika azy ireny hampiasa zavatra mahadomelina, hanao fitondrantena maloto sy hanaram-po amin’ny fanao mampietry hafa. Manaova fanadinadinana telo na fampisehoana fohy eo amin’ny roa minitra avy; ny iray hampiseho mpitory vaovao iray, ny faharoa hahitana tanora iray ary ny fahatelo hanadinadinana ray na reny iray. Asehoy ny hoe tamin’ny ahoana ireo fandaharana nataon’i Jehovah no manampy ny tsirairay avy hiorina mafy, ireo antony nahatonga azy hahavita izany sy ny fomba nahatoheran’ilay mpitory ireo fanerena nampiharin’izao tontolo izao ka nanaovany fanapahan-kevitra mifanaraka amin’ny Tenin’Andriamanitra. Tsy tokony hihevitra mihitsy ireo fandaharan’i Jehovah ho tsy dia manao ahoana isika, na hanamaivana ny heriny na ny vidiny. Misaotra an’i Jehovah isika satria fantany izay ilaintsika ka manao fandaharana maro mba hanomezana fahafaham-po amin’izany izy. Asehoy ny fankasitrahanao noho ireny fandaharana ireny amin’ny fiorenana mafy, ho fiderana an’i Jehovah.
Hira 14 sy vavaka famaranana.
HERINANDRO MANOMBOKA NY 27 MAY
Hira 95
10 min: Filazana eo an-toerana. Vaovao teokratika. Ampahatsiahivo ny zavatra hatolotra amin’ny Jona sy ny fomba hampifandraisana izany amin’ny foto-dresaka: “Izao no fotoana hitadiavana an’Andriamanitra.” Ireo andinin-teny atolotra dia ny Isaia 55:6, 7 (azo atao ny mahita ilay Andriamanitra marina) sy ny Asan’ny apostoly 17:26, 27 (Amin’izao fotoana izao ny olombelona dia tokony hitady an’Andriamanitra).
20 min: “Ampiasao ny Baiboly eny amin’ny saha fitoriana” — Fiaraha-mandinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny. Mifanaraka amin’ny fehintsoratra faha-6, manaova fampisehoana fohy momba ny fomba fampiseho ny zavatra hatolotra amin’ny Jona. Vakio fotsiny ny iray amin’ireo andininy amin’ny foto-dresaka vaovao.
15 min: “Ny ilàn’ny fianakaviana ireo Index” — Fiaraha-mandinika ilay lahatsoratra amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny. Rehefa mandinika ny fehintsoratra faha-2, dia mangataha mpivady iray mba hanao fampisehoana momba ny fampiasana ny Index, amin’ny fitanisana lohateny kely samy hafa mahaliana amin’ilay lohateny hoe “fanambadiana”.
Hira 48 sy vavaka famaranana.