FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 11/91 p. 3-6
  • Fianarana ny fanompoana teokratika amin’ny 1992

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fianarana ny fanompoana teokratika amin’ny 1992
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1991
  • Lohatenikely
  • TOROMARIKA
  • FANDAHARANA
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1991
km 11/91 p. 3-6

Fianarana ny fanompoana teokratika amin’ny 1992

TOROMARIKA

Ho toy izao manaraka izao ny fandaharana amin’ny Sekolin’ny fanompoana teokratika amin’ny 1992

BOKY: Ny Baiboly (Fandikan-teny malagasy mahazatra), “Toute Ecriture est inspirée de Dieu et utile” (Fanontana taloha) [si], Boky ho an’ny Sekolin’ny fanompoana teokratika [sg], Ilay lehilahy niavaka indrindra teto an-tany [gt], Foto-dresaka araka ny Baiboly [td], ary Ny Fahatanoranao — Ny fomba handraisan-tsoa be indrindra avy amin’izany [yy] no ho fototry ny anjara.

Hanomboka amin’ny hira sy ny vavaka, ary teny fanokafana ny fianarana, ary avy eo dia ho toy izao ny fizotrany:

ANJARAN’NY N° 1: 15 minitra. Tokony hataon’ny loholona iray na mpikarakara momba ny asa mahay iray izy io. Ny foto-dresaka ho an’io famelabelarana io dia hiorina amin’ireo hevitra ao amin’ny boky “Toute Ecriture est inspirée de Dieu et utile” na ny Boky ho an’ny Sekolin’ny fanompoana teokratika. Io anjara io dia tokony haseho toy ny lahateny fampianarana 10 ka hatramin’ny 12 minitra arahina famerenana am-bava 3 ka hatramin’ny 5 minitra, amin’ny fampiasana ireo fanontaniana vita pirinty (ao anatin’ilay boky) ao amin’io fizarana io. Ny zava-kendrena dia tsy ny hamitana fotsiny ilay famelabelarana fa ny hampifantohana ny saina ho amin’ny hasarobidin’ny hevitra azo ampiharina amin’ilay fanazavana amin’ny fampisongadinana izay hanampy indrindra ny kongregasiona. Rehefa ilaina izany, dia tokony hifidy foto-kevitra iray. Ampirisihina ny rehetra hanao fiomanana mialoha amim-pitandremana mba handraisan-tsoa feno avy amin’io famelabelarana io.

Tokony hitandrina mba tsy hihoatra ny fotoana voafetra ireo rahalahy nomena io lahateny io. Azo atao ny manome torohevitra mitokana raha ilaina izany.

HEVI-DEHIBE AMIN’NY FAMAKIANA NY BAIBOLY: 6 minitra. Izy io dia tokony hataon’ny mpiandraikitra ny sekoly na loholona mahay hafa iray na mpikarakara momba ny asa notendren’ny mpiandraikitra ny sekoly. Tsy tokony ho famintinana fotsiny ny vakiteny voatondro izany. Aorian’ny filazana ambangovangony fohy ny amin’ireo toko voatondro, dia ampio ny mpanatrika hahatakatra hoe nahoana sy amin’ny ahoana ilay filazana no mahasoa antsika. Hamarino ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana ny hevitra mitondra fanazavana bebe kokoa. Avy eo, dia samy hasain’ny mpiandraikitra ny sekoly hamonjy ny kilasiny avy ny mpianatra.

FAMELABELARANA N° 2: 5 minitra. Izy io dia famakiana ny Baiboly voatondro hataon’ny rahalahy iray. Izany dia hampiharina ao amin’ny kilasy lehibe sy ireo kilasy fanampiny koa. Matetika no fohy ny anjara famakiana mba hamelana ilay mpianatra hanao fanazavana fohy eo amin’ny teny fanokafana sy famaranana ary na eo antenatenany koa aza. Azo ampidirina ny lafiny ara-tantara, ny heviny ara-paminaniana na ara-pampianarana, ary ny fampiharana ny fotopoto-pitsipika. Tokony hovakina avokoa raha ny marina ireo andininy voatondro rehetra.

FAMELABELARANA N° 3: 5 minitra. Homena ny anabavy io famelabelarana io. Ny foto-dresaka ho an’io famelabelarana io dia hiorina amin’ny boky Ilay lehilahy niavaka indrindra teto an-tany. Tokony hahay hamaky teny ilay mpianatra omena anjara. Afaka mipetraka na mitsangana ilay mpianatra rehefa manao ny famelabelarana. Hanendry mpanampy iray ny mpiandraikitra ny sekoly, nefa azo atao ny mampiasa mpanampy fanampiny. Tsaratsara kokoa ny hampisehoana ny faritra mahakasika asa fanompoana na fitoriana tsy ara-potoana. Afaka manomboka ny resadresaka ilay manao ny famelabelarana na ilay (ireo) mpanampy azy mba hamaritana ny faritra. Tsy ny faritra anefa no tokony hasiana fiheverana voalohany fa ilay ventin-kevitra velabelarina. Tokony hampiasa ny foto-kevitra voatondro ilay mpianatra.

FAMELABELARANA N° 4: 5 minitra. Homena rahalahy iray na anabavy iray. Ny foto-dresaka amin’io famelabelarana io dia hampifandimbiasana ny Foto-dresaka araka ny Baiboly sy Ny Fahatanoranao — Ny fomba handraisan-tsoa be indrindra avy amin’izany; ilay farany dia homena indrindra ny mpianatra tanora kokoa na vaovao kokoa. Tokony hahay hamaky teny ilay mpianatra omena anjara. Rehefa omena ny rahalahy iray izany, dia tokony ho lahateny ho an’ny mpihaino rehetra. Mazàna, dia tsara indrindra ho an’ny rahalahy ny manomana ny lahateniny amin’ny fiheverana ny mpihaino ao amin’ny Efitrano Fanjakana ka amin’izay dia tena hitondra fahalalana sy hahasoa an’ireo mandre tokoa izany. Kanefa raha toa ilay famelabelarana ka azo ampiharina sy mifanentana kokoa amin’ny karazana mpihaino hafa, dia afaka mifidy ny hamelabelatra ny lahateniny araka izany ilay rahalahy. Tokony hampiasa ny foto-kevitra voatondro ilay mpianatra.

Rehefa omena anabavy io famelabelarana io, dia tokony haseho sahala amin’izay voasoritra ho an’ny Famelabelarana N°3 izany.

TOROHEVITRA SY FANAMARIHANA: Isaky ny vita ny lahatenin’ny mpianatra, dia hanome torohevitra voafaritra tsara ny mpiandraikitra ny sekoly, tsy voatery hanaraka ny filaharan’ny torohevitra voalaza ao amin’ny taratasy Torohevitra Momba ny Lahateny (S-89) akory izany. Ireo lafiny ilain’ny mpianatra hohatsaraina kosa no tokony hifantohany. Raha “T” (Tsara) fotsiny no tandrifiny ho an’ilay mpianatra ka tsy misy torohevitra hafa voamarika “M” (Mihatsara) na “I” (Iezahana), dia hasian’ilay mpanome torohevitra faribolana fotsiny eo amin’ny faritra tokony hisy “T” na “M” na “I” amin’ny toetra takina amin’ny famelabelarana tokony hiezahan’ilay mpianatra amin’ny manaraka. Hampahafantariny ny amin’izany ilay mpianatra amin’io takariva io, ary hapetany koa eo amin’ny taratasy Fanomezana Anjara (S-89) azy manaraka io toetra takina amin’ny famelabelarana io. Tokony hipetraka eny aloha ireo manao lahateny. Hitsitsy fotoana izany ary hamela ny mpiandraikitra ny sekoly hanome ny toroheviny mivantana amin’ny mpianatra tsirairay. Araka ny hamelan’ny fotoana, aorian’ny nanomezana torohevitra am-bava nilaina, dia azon’ilay mpanoro hevitra atao ny manome fanazavana vitsivitsy mikasika lafiny fampahafantarana na fampiharana tsy voalazan’ireo mpianatra. Tokony hitandrina ny mpiandraikitra ny sekoly mba tsy handany mihoatra ny roa minitra amin’ny torohevitra sy fanamarihana aorian’ny famelabelarana tsirairay ataon’ny mpianatra. Raha misy hokianina amin’ny fomba fampisehoana ireo hevi-dehibe ao amin’ny Baiboly, dia azo atao ny manome torohevitra mitokana.

FANOMANANA IREO FAMELABELARANA: Tokony hifidy foto-kevitra ireo rahalahy manao ny Famelabelarana N°1 raha ilaina izany. Tokony hifidy foto-kevitra mamoaka tsara indrindra ilay famelabelarana ny mpianatra nomena ny lahateny faharoa. Tokony hampiasa ny foto-kevitra voatondro ny mpianatra nomena ny famelabelarana fahatelo sy fahefatra. Alohan’ny hanaovana famelabelarana, ny mpianatra dia haniry hamaky ao amin’ny Boky ho an’ny Sekolin’ny fanompoana teokratika ny fanazavana mifandray amin’ny toetra takina amin’ny famelabelarana natao hiezahany.

FAHARETANY: Tsy misy lahateny tokony hihoatra ny fotoana. Torak’izany koa ireo torohevitra sy fanamarihan’ny mpanome torohevitra. Tokony hotapahina amim-piheverana ireo famelabelarana N°2 ka hatramin’ny N°4 rehefa tapitra ny fotoana. Ilay notendrena hanome ny “famantarana fampijanonana” dia tokony ho mailaka hanao izany. Rehefa mihoatra ny fotoana ny famelabelarana N°1 ataon’ireo rahalahy, dia tokony homena torohevitra mitokana izy ireo. Tokony hijery amim-pitandremana ny fotoanany avokoa ny rehetra. Fandaharana manontolo: 45 minitra, tsy tafiditra amin’izany ny hira sy ny vavaka.

FAMERENANA AN-TSORATRA: Hisy famerenana an-tsoratra homena ara-potoana. Ho fiomanana, dia jereo indray ireo famelabelarana nanendrena hatao ary vitao ny fandaharana famakiana Baiboly nomena. Ny Baiboly ihany no azo ampiasaina mandritra ireo 25 minitra hanaovana ny famerenana. Holanjalanjaina ny fotoana hatokana ho an’ny dinidinika momba ny fanontaniana sy ny valiny. Hitsara ny taratasiny manokana ny mpianatra tsirairay. Hovakin’ny mpiandraikitra ny sekoly misesy ireo valiny rehetra ka hifantohany ireo fanontaniana sarotra kokoa mba hanampiana ny rehetra hahazo tsara ny valiny. Raha toa manery ny hanaovana izany ny antony sasany na fisehoan-javatra eo an-toerana, dia azo atao ny herinandro manaraka ilay voatondro ao amin’ny fandaharana ny famerenana an-tsoratra.

KONGREGASIONA LEHIBE SY KELY: Mety ho tian’ny kongregasiona izay miisa ho 50 no ho miakatra ny mpianatra ao aminy ny handamina mba hahafahana vondrona mpianatra vitsivitsy fanampiny hanao ireo famelabelarana voalahatra eo anoloan’ny mpanoro hevitra hafa. Mazava ho azy fa ny olona tsy vita batisa izay manana fiainana mifanaraka amin’ny fotopoto-pitsipika kristiana dia afaka misoratra anarana amin’ny sekoly ka hahazo anjara.

TSY FAHATONGAVANA: Afaka mampiseho ny fankasitrahany an’io sekoly io ny rehetra ao amin’ny kongregasiona amin’ny fiezahana ho eo isaky ny fotoam-pivoriana isan-kerinandro, amin’ny fanomanana tsara ny anjarany, ary amin’ny fandraisana anjara amin’ny fandaharana misy fanontaniana. Antenaina fa hihevitra amim-pitandremana ny anjara omena azy ny mpianatra rehetra. Raha tsy tonga ny mpianatra iray voatendry, dia afaka manolo-tena an-tsitrapo hanao ilay anjara ny iray hafa, amin’ny fanaovana izay rehetra fampiharana mety ho vitany ao anatin’ny fotoana fohy nandrenesany izany. Na, azon’ilay mpiandraikitra ny sekoly vitaina ilay famelabelarana, miaraka amin’ny fandraisan’ny mpihaino anjara amin’ny fomba mety.

FANDAHARANA

6 Jan. Famakiana ny Baiboly: Levitikosy 1 — 4

Hira N° 46

N° 1: Fampidiran-dresaka momba ny Levitikosy — Fizarana 1 (si p. 24-25 §§ 1-5)

N° 2: Levitikosy 1:1-13

N° 3: Famantarana ilay lehilahy niavaka indrindra teto an-tany (gt fampidiran-dresaka §§ 1-4)

N° 4: Ahoana no ho fihetsikao manoloana ny fifehezana? (yy Toko 13 §§ 10-17)

13 Jan. Famakiana ny Baiboly: Levitikosy 5 — 7

Hira N° 205

N° 1: Fampidiran-dresaka momba ny Levitikosy — Fizarana faha-2 (si p. 25-26 §§ 6-10)

N° 2: Levitikosy 5:1-13

N° 3: Niaina marina tokoa ve i Jesosy? (gt fampidiran-dresaka §§ 5-11)

N° 4: Ny fanahy masin’Andriamanitra dia ny heriny miasa (td 55F)

20 Jan. Famakiana ny Baiboly: Levitikosy 8 — 10

Hira N° 111

N° 1: sg p. 5-7 §§ 1-9

N° 2: Levitikosy 10:1-11

N° 3: Iza marina moa i Jesosy? (gt fampidiran-dresaka §§ 12-15)

N° 4: Ny alkaola sy ny heriny eo amin’ny olona (yy Toko 14 §§ 1-11)

27 Jan. Famakiana ny Baiboly: Levitikosy 11 — 13

Hira N° 224

N° 1: sg p. 7-9 §§ 10-16

N° 2: Levitikosy 11:1-12, 46, 47

N° 3: Izay nahatonga an’i Jesosy ho ny lehilahy niavaka indrindra (gt fampidiran-dresaka §§ 16-19)

N° 4: Fanafahana amin’ny fahoriana maneran-tany — Amin’ny fomba ahoana? (td 12A)

3 Feb. Famakiana ny Baiboly: Levitikosy 14, 15

Hira N° 105

N° 1: sg p. 9-11 §§ 1-12

N° 2: Levitikosy 14:1-13

N° 3: Ny antony hianarana ny amin’i Jesosy sy ny fomba hahafahantsika manao izany (gt fampidiran-dresaka §§ 20-23)

N° 4: Tokony hisotro zavatra misy alkaola ve ianao? (yy Toko 14 §§ 12-24)

10 Feb. Famakiana ny Baiboly: Levitikosy 16 — 18

Hira N° 180

N° 1: sg p. 12-13 §§ 13-20

N° 2: Levitikosy 16:1-14

N° 3: Niseho tamin’i Zakaria sy i Maria, i Gabriela (gt Toko 1)

N° 4: Ny hevitry ny fahoriana maneran-tany (td 12B)

17 Feb. Famakiana ny Baiboly: Levitikosy 19 — 21

Hira N° 170

N° 1: sg p. 14-17 §§ 1-10

N° 2: Levitikosy 19:1-15

N° 3: Nomem-boninahitra talohan’ny nahaterahany i Jesosy (gt Toko 2)

N° 4: Zava-mahadomelina — Misy ilàna azy ve? (yy Toko 15 §§ 1-12)

24 Feb. Famakiana ny Baiboly: Levitikosy 22 — 24

Hira N° 64

N° 1: Levitikosy — Ny ilàna azy — Fizarana 1 (si p. 28 §§ 28-35)

N° 2: Levitikosy 23:1-14

N° 3: Ny nahaterahan’i Jaona (gt Toko 3)

N° 4: Iza no fototry ny fahoriana maneran-tany (td 12D)

2 Mar. Famakiana ny Baiboly: Levitikosy 25 — 27

Hira N° 7

N° 1: Levitikosy — Ny ilàna azy — Fizarana faha-2 (si p. 28, 29 §§ 36-39)

N° 2: Levitikosy 25:1-12

N° 3: Nampakatra an’i Maria efa bevohoka i Josefa (gt Toko 4)

N° 4: Izay tokony ho fantatrao momba ny zava-mahadomelina (yy Toko 15 §§ 13-17)

9 Mar. Famakiana ny Baiboly: Nomery 1 — 3

Hira N° 172

N° 1: Fampidiran-dresaka momba ny Nomery — Fizarana 1 (si p. 29, 30 §§ 1-6)

N° 2: Nomery 3:38-51

N° 3: Ny nahaterahan’i Jesosy — Taiza ary oviana? (gt Toko 5)

N° 4: Nahoana Andriamanitra no namela ny ratsy hisy? (td 12E)

16 Mar. Famakiana ny Baiboly: Nomery 4 — 6

Hira N° 128

N° 1: Fampidiran-dresaka momba ny Nomery — Fizarana faha-2 (si p. 30 §§ 7-10)

N° 2: Nomery 6:1-12

N° 3: Ilay zanaka araka ny fampanantenana (gt Toko 6)

N° 4: Ahoana ny amin’ny fampiasana sigara sy paraky ary “marijuana”? (yy Toko 15 §§ 18-25)

23 Mar. Famakiana ny Baiboly: Nomery 7 — 9

Hira N° 106

N° 1: sg p. 17-19 §§ 11-17

N° 2: Nomery 8:14-26

N° 3: I Jesosy sy ireo mpanandro (gt Toko 7)

N° 4: Ny fanalavana ny andro farany dia mariky ny famindrampo (td 12F)

30 Mar. Famakiana ny Baiboly: Nomery 10 — 12

Hira N° 45

N° 1: sg p. 19-21 §§ 1-9

N° 2: Nomery 12:1-16

N° 3: Fandosirana ny tanan’ny mpanapaka jadona iray (gt Toko 8)

N° 4: Inona no fomba fijery voalanjalanja mikasika ny fanatanjahan-tena sy ny fialam-boly? (yy Toko 16 §§ 1-8, 17-19)

6 Apr. Famakiana ny Baiboly: Nomery 13 — 15

Hira N° 124

N° 1: sg p. 21-24 §§ 10-20

N° 2: Nomery 14:1-12

N° 3: Ny fiainam-pianakavian’i Jesosy nandritra ny fahazazany (gt Toko 9)

N° 4: Andriamanitra fa tsy ny olona no manana ny vahaolan’ny fahoriana maneran-tany (td 12G)

13 Apr. Famakiana ny Baiboly: Nomery 16 — 19

Hira N° 151

N° 1: sg p. 24-26 §§ 1-11

N° 2: Nomery 17:1-13

N° 3: Tany Jerosalema fony izy 12 taona (gt Toko 10)

N° 4: Ny antony ilànao hifantina tsara rehefa mijery sarimihetsika sy televiziona (yy Toko 16 §§ 9-16)

20 Apr. Famakiana ny Baiboly: Nomery 20 — 22

Hira N° 138

N° 1: sg p. 27-29 §§ 12-20

N° 2: Nomery 20:1-13

N° 3: Nanomana ny lalana ho an’i Jesosy i Jaona (gt Toko 11)

N° 4: Ny firoboroboan’ny ratsy fanahy dia mihelina ihany (td 12H)

27 Apr. Famerenana an-tsoratra. Vitao Lev. 1 — Nomery 22

Hira N° 217

4 May Famakiana ny Baiboly: Nomery 23 — 26

Hira N° 112

N° 1: sg p. 29-31 §§ 1-7

N° 2: Nomery 25:1-13

N° 3: Inona no nitranga rehefa natao batisa i Jesosy? (gt Toko 12)

N° 4: Ny antony ilàna fitandremana rehefa mifidy mozika na dihy (yy Toko 17 §§ 1-16)

11 May Famakiana ny Baiboly: Nomery 27 — 30

Hira N° 132

N° 1: sg p. 31-33 §§ 8-15

N° 2: Nomery 30:1-16

N° 3: Fianarana avy amin’ireo fakam-panahy nahazo an’i Jesosy (gt Toko 13)

N° 4: Ny fomba nidiran’ny ratsy teo amin’izao rehetra izao tonga lafatra (td 12I)

18 May Famakiana ny Baiboly: Nomery 31, 32

Hira N° 222

N° 1: Nomery — Ny ilàna azy — Fizarana 1 (si p. 33, 34 §§ 32-34)

N° 2: Nomery 31:1-12

N° 3: Ireo mpianatr’i Jesosy voalohany (gt Toko 14)

N° 4: Izay ambaran’ny safidinao eo amin’ny mozika sy ny dihy momba anao (yy Toko 17 §§ 17-25)

25 May Famakiana ny Baiboly: Nomery 33 — 36

Hira N° 160

N° 1: Nomery — Ny ilàna azy — Fizarana faha-2 (si p. 34 §§ 35-38)

N° 2: Nomery 35:9-25

N° 3: Fahagagana voalohany nataon’i Jesosy (gt Toko 15)

N° 4: Tsy maintsy manao fanapahan-kevitra ianao dieny izao (td 12J)

1 Jona Famakiana ny Baiboly: Deoteronomia 1 — 3

Hira N° 187

N° 1: Fampidiran-dresaka momba ny Deoteronomia — Fizarana 1 (si p. 35 §§ 1-6)

N° 2: Deoteronomia 1:29-46

N° 3: Zotom-po ho an’ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah (gt Toko 16)

N° 4: Ny fomba andraisan-tsoa amin’ny fitoerana ho madio ara-pitondrantena (yy Toko 18 §§ 1-11)

8 Jona Famakiana ny Baiboly: Deoteronomia 4 — 6

Hira N° 91

N° 1: Fampidiran-dresaka momba ny Deoteronomia — Fizarana faha-2 (si p. 36 §§ 7-9)

N° 2: Deoteronomia 5:6-22

N° 3: Fampianarana an’i Nikodemosy (gt Toko 17)

N° 4: Tsy maintsy milaza ny vaovao tsara ny kristiana rehetra (td 36A)

15 Jona Famakiana ny Baiboly: Deoteronomia 7 — 10

Hira N° 162

N° 1: sg p. 33-35 §§ 1-9

N° 2: Deoteronomia 7:1-11

N° 3: Nihena i Jaona, nitombo i Jesosy (gt Toko 18)

N° 4: Ny antony mampisy heviny ny fitsipika momba ny fitondrantena eo amin’ny lahy sy ny vavy (yy Toko 18 §§ 12-21)

22 Jona Famakiana ny Baiboly: Deoteronomia 11 — 14

Hira N° 206

N° 1: sg p. 36-38 §§ 10-17

N° 2: Deoteronomia 13:1-11

N° 3: Fampianarana vehivavy samaritana iray (gt Toko 19 §§ 1-14)

N° 4: Tsy maintsy atao hatrany ny fanambarana (td 36B)

29 Jona Famakiana ny Baiboly: Deoteronomia 15 — 19

Hira N° 150

N° 1: sg p. 39-41 §§ 1-11

N° 2: Deoteronomia 18:9-22

N° 3: Ny antony nampino ny Samaritana maro (gt Toko 19 §§ 15-21)

N° 4: Hazony mafy ny lalan’ny fitsipi-pitondrantena eo amin’ny lahy sy ny vavy (yy Toko 18 §§ 22-26)

6 Jolay Famakiana ny Baiboly: Deoteronomia 20 — 23

Hira N° 79

N° 1: sg p. 41-43 §§ 12-18

N° 2: Deoteronomia 23:9-25

N° 3: Fahagagana faharoa fony tany Kanana (gt Toko 20)

N° 4: Mety ny fanaovana fanambarana ny andro sabata alahady (td 36D)

13 Jolay Famakiana ny Baiboly: Deoteronomia 24 — 27

Hira N° 59

N° 1: sg p. 44-46 §§ 1-8

N° 2: Deoteronomia 24:10-22

N° 3: Nitory tao amin’ny tanàna niaviany i Jesosy (gt Toko 21)

N° 4: Ireo zava-manahirana hita amin’ny filalaovana fitia (yy Toko 19 §§ 1-13)

20 Jolay Famakiana ny Baiboly: Deoteronomia 28 — 30

Hira N° 175

N° 1: sg p. 46-48 §§ 9-20

N° 2: Deoteronomia 30:8-20

N° 3: Nantsoina ny mpianatra efatra (gt Toko 22)

N° 4: Tohanana ara-bola amin’ny fanomezana an-tsitrapo ny fitoriana (td 36E)

27 Jolay Famakiana ny Baiboly: Deoteronomia 31 — 34

Hira N° 41

N° 1: Deoteronomia — Ny ilàna azy (si p. 39, 40 §§ 30-34)

N° 2: Deoteronomia 32:1-14

N° 3: Fahagagana hafa koa tany Kapernaomy (gt Toko 23)

N° 4: Tena zava-dehibe ny fiomanana mety ho amin’ny fanambadiana (yy Toko 19 §§ 14-22)

3 Aog. Famakiana ny Baiboly: Josoa 1 — 5

Hira N° 40

N° 1: Fampidiran-dresaka momba ny Josoa (si p. 40, 41 §§ 1-5)

N° 2: Josoa 1:1-11

N° 3: Nahoana i Jesosy no tonga teto an-tany (gt Toko 24)

N° 4: Nomen-dalana hitory koa ny vehivavy sy ny ankizy (td 36F)

10 Aog. Famakiana ny Baiboly: Josoa 6 — 9

Hira N° 18

N° 1: sg p. 49-51 §§ 1-8

N° 2: Josoa 6:12-27

N° 3: Fampisehoana fangoraham-po tamin’ny boka iray (gt Toko 25)

N° 4: Inona no fitondrantena mendri-kaja eo amin’ny fifaneraserana? (yy Toko 19 §§ 23-32)

17 Aog. Famakiana ny Baiboly: Josoa 10 — 13

Hira N° 213

N° 1: sg p. 51-53 §§ 9-18

N° 2: Josoa 10:1-14

N° 3: Namela fahotana sy nanasitrana i Jesosy (gt Toko 26)

N° 4: Ny fanambarana dia tsy maintsy atao amin’ny karazan’olona rehetra (td 36G)

24 Aog. Famakiana ny Baiboly: Josoa 14 — 17

Hira N° 50

N° 1: sg p. 54-56 §§ 1-8

N° 2: Josoa 14:1-14

N° 3: Nantsoina ary nanao fanasana i Matio (gt Toko 27)

N° 4: Ny fomba hifaliana faran’izay betsaka amin’ny fanambadiana (yy Toko 20 §§ 1-18)

31 Aog. Famerenana an-tsoratra. Vitao ny Nomery 23 — Josoa 17

Hira N° 42

7 Sept. Famakiana ny Baiboly: Josoa 18 — 20

Hira N° 204

N° 1: sg p. 56-58 §§ 9-16

N° 2: Josoa 20:1-9

N° 3: Nanontaniana momba ny fifadian-kanina (gt Toko 28)

N° 4: Ny fanaovana fanambarana dia manafaka olona iray amin’ny trosan-dra (td 36H)

14 Sept. Famakiana ny Baiboly: Josoa 21 — 24

Hira N° 131

N° 1: Josoa — Ny ilàna azy (si p. 44 §§ 21-24)

N° 2: Josoa 24:1-15

N° 3: Fanaovana asa soa tamin’ny Sabata (gt Toko 29)

N° 4: Ny fomba ahafahanao mahita fahombiazana ao amin’ny fanambadiana (yy Toko 20 §§ 19-24)

21 Sept. Famakiana ny Baiboly: Mpitsara 1 — 4

Hira N° 26

N° 1: Fampidiran-dresaka momba ny Mpitsara (si p. 45, 46 §§ 1-8)

N° 2: Mpitsara 2:8-23

N° 3: Namaly ireo mpiampanga azy i Jesosy (gt Toko 30)

N° 4: Zava-poana ny fivavahana amin’ny razana (td 40A)

28 Sept. Famakiana ny Baiboly: Mpitsara 5 — 7

Hira N° 150

N° 1: sg p. 58-61 §§ 1-12

N° 2: Mpitsara 7:7-22

N° 3: Araka ny lalàna ve ny fiotazana salohim-bary amin’ny Sabata? (gt Toko 31)

N° 4: Zavatra mbola sarobidy kokoa noho ny fananana ara-nofo (yy Toko 21 §§ 1-9)

5 Okt. Famakiana ny Baiboly: Mpitsara 8 — 10

Hira N° 207

N° 1: sg p. 61-63 §§ 13-18

N° 2: Mpitsara 8:13-28

N° 3: Inona no araka ny lalàna ny fanaovana azy tamin’ny Sabata? (gt Toko 32)

N° 4: Azo atao ny manaja olombelona, nefa Andriamanitra ihany no tokony hivavahana (td 40B)

12 Okt. Famakiana ny Baiboly: Mpitsara 11 — 14

Hira N° 144

N° 1: sg p. 63-66 §§ 1-10

N° 2: Mpitsara 11:28-40

N° 3: Fanatanterahana ny faminanian’i Isaia (gt Toko 33)

N° 4: Katsaho ireo zavatra misy vidiny lehibe kokoa (yy Toko 21 §§ 10-15)

19 Okt. Famakiana ny Baiboly: Mpitsara 15 — 18

Hira N° 191

N° 1: sg p. 66-69 §§ 11-22

N° 2: Mpitsara 16:18-31

N° 3: Fifidianana ireo apostoliny (gt Toko 34)

N° 4: Adin’Andriamanitra ho famaranana ny faharatsiana (td 42A)

26 Okt. Famakiana ny Baiboly: Mpitsara 19 — 21

Hira N° 11

N° 1: Mpitsara — Ny ilàna azy (si p. 48, 49 §§27-29)

N° 2: Mpitsara 21:8-25

N° 3: Ilay toriteny malaza indrindra (gt Toko 35 §§ 1-6)

N° 4: Ireo vokatry ny tsy fanaovana ny marina (yy Toko 22 §§ 1-13)

2 Nov. Famakiana ny Baiboly: Rota 1 — 4

Hira N° 57

N° 1: Rota: Fampidiran-dresaka sy ny ilàna azy (si p. 49-51 §§ 1-3, 9, 10)

N° 2: Rota 1:7-22

N° 3: Iza no tena sambatra? (gt Toko 35 §§ 7-17)

N° 4: Anjara raisin’ny kristiana amin’ny ady farany hataon’Andriamanitra (td 42B)

9 Nov. Famakiana ny Baiboly: 1 Samoela 1 — 3

Hira N° 127

N° 1: Fampidiran-dresaka momba ny 1 Samoela (si p. 51, 52 §§ 1-6)

N° 2: 1 Samoela 3:2-18

N° 3: Fari-pitondrantena ambony ho an’ireo mpanara-dia azy (gt Toko 35 §§ 18-27)

N° 4: Ny antony tokony hanaovanao ny marina (yy Toko 22 §§ 14-22)

16 Nov. Famakiana ny Baiboly: 1 Samoela 4 — 7

Hira N° 45

N° 1: sg p. 69-71 §§ 1-8

N° 2: 1 Samoela 7:1-14

N° 3: Vavaka sy fatokiana an’Andriamanitra (gt Toko 35 §§ 28-37)

N° 4: Tsy mifanohitra amin’ny fitiavan’Andriamanitra ny fandringanana ny ratsy (td 42D)

23 Nov. Famakiana ny Baiboly: 1 Samoela 8 — 11

Hira N° 222

N° 1: sg p. 72, 73 §§ 9-13

N° 2: 1 Samoela 11:1-15

N° 3: Ny fomba fiaina (gt Toko 35 §§ 38-49)

N° 4: Ny fomba andraisan-tsoa be indrindra avy amin’ny fiainana (yy Toko 23 §§ 1-11)

30 Nov. Famakiana ny Baiboly: 1 Samoela 12 — 14

Hira N° 156

N° 1: sg p. 73-75 §§ 1-8

N° 2: 1 Samoela 13:1-14

N° 3: Ny finoana lehibe nananan’ny mpanao raharaha tao amin’ny tafika iray (gt Toko 36)

N° 4: Fepetra takina amin’ny kristiana ny batisa (td 6A)

7 Des. Famakiana ny Baiboly: 1 Samoela 15 — 17

Hira N° 86

N° 1: sg p. 75-78 §§ 9-17

N° 2: 1 Samoela 15:5-23

N° 3: Nampisinda ny alahelon’ny mpitondratena iray i Jesosy (gt Toko 37)

N° 4: Ny maha-zava-dehibe ny fananana an’Andriamanitra ho sakaizanao (yy Toko 23 §§ 12-21)

14 Des. Famakiana ny Baiboly: 1 Samoela 18 — 20

Hira N° 140

N° 1: sg p. 78-80 §§ 1-10

N° 2: 1 Samoela 18:1-16

N° 3: Tsy ampy finoana ve i Jaona? (gt Toko 38)

N° 4: Tsy manadio amin’ny fahotana ny batisa (td 6B)

21 Des. Famakiana ny Baiboly: 1 Samoela 21 — 24

Hira N° 138

N° 1: sg p. 80-84 §§ 11-24

N° 2: 1 Samoela 23:13-29

N° 3: Ny miavonavona sy ny manetry tena (gt Toko 39)

N° 4: Ny fomba hifaliana amin’ny hoavy mamirapiratra nomanin’Andriamanitra (yy Toko 24)

28 Des. Famerenana an-tsoratra. Vitao ny Josoa 18 — 1 Samoela 24

Hira N° 155

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara