Ireo fivoriana momba ny asa amin’ny Desambra
Herinandron’ny 2 Desambra
Hira 46, Hira 51
15 min: Fampandrenesana eo an-toerana sy fampandrenesana avy ato amin’ny Ny Fanompoantsika ilay Fanjakana. “Manome fampianarana teokratika ny Sekolin’ny Fanompoana ilay Fanjakana”. Asio fitenenana ny amin’ireo Gazety amin’ny Desambra izay miresaka momba ny fankalazana ireo fety. Manonòna hevitra voafaritra tsara izay azo aseho eo amin’ny fanompoana. Ampirisiho ny fanohanana ny asa fizarana gazety amin’ny asabotsy.
18 min: “Ilay lehilahy niavaka indrindra teto an-tany”. Fandinihana ilay lahatsoratra amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny. Rehefa mandinika ny fehintsoratra faha-4, dia asio fampisehoana fohy momba ny fomba hanolorana ilay boky. Hamafiso ny maha-zava-dehibe ny tokony hahafantaran’ny tena io zavatra vita an-tsoratra io.
12 min: Zavatra ilaina eo an-toerana na “Tsarovy ny mpanao anao lehibe amin’ny andro fahatanoranao”, lahateny miorina amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Aogositra 1990, p. 27-29.
Herinandron’ny 9 Desambra
Hira 47, Hira 24 (vaovao)
5 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Diniho ireo vaovao teokratika.
25 min: “Fomba fampiseho ny vaovao tsara — Amin’ny fampiasana ny boky Ilay lehilahy niavaka indrindra teto an-tany.” Hatao ho famelabelarana misy fandraisana anjara avy amin’ny mpanatrika. Asio fampisehoana roa. Ny voalohany amin’izany dia tokony hampiasa ilay fampisehoana nanolorana hevitra hita eo amin’ny fehintsoratra faha-3. Ny faharoa dia tokony hampiseho fohy ny fomba ahafahana manomboka fampianarana Baiboly amin’ny alalan’io boky vaovao io.
15 min: “Ny valin’ny fanontanianareo”. Hataon’ny loholona iray. Hamafiso ny antony tokony hampisehoantsika fiheverana ny fitondrantenantsika any amin’ny fanaovana batisa sy ny akon’izany eo amin’i Jehovah sy ny hafatra momba ilay Fanjakana.
Herinandron’ny 16 Desambra
Hira 19, Hira 65
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Ampidiro eto ny toe-bolan’ny kongregasiona sy ny fisaorana avy any amin’ny Fikambanana noho ny fanomezana nataon’ny kongregasiona. Sorito ireo fandaharana eo an-toerana ho amin’ny fitoriana amin’ny andro fety.
20 min: “Aoka isika ho be zavatra hatao foana eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah”. Fandinihana ilay lahatsoratra amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny. Asio fampisehoana iray hataon’ny fianakaviana iray efa-mianaka. Mampiasa fitadidianandro ho an’ny taona 1992 ilay raim-pianakaviana (azony raisina ny pejy mialoha ny farany amin’ny fitadidianandron’ny Vavolombelon’i Jehovah 1991 ka mampiseho ny “Janvier 1992”) ary miara-midinika amin’ny fianakaviany ny fandaharan’izy ireo avy ny fotoanany amin’ny Janoary. Hijery izy hoe andro inona avy no hatokany ho an’ny asa fanompoana sy ny fomba hiarahany miasa amin’ny mpikambana tsirairay avy amin’ny fianakaviany.
15 min: “Ny asan’ny mpitory maharitra — Fanompoana izay mitondra valisoa tondraka”. Fandinihana ilay lahatsoratra amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny. Manadinadìna mpitory maharitra roa. Vato misakana inona avy no tsy maintsy noreseny mba hirotsahana hanao ny asan’ny mpitory maharitra? Inona no antony nanosika azy ho mpitory maharitra? Inona no nanampy azy mba hahita fahombiazana tamin’ny asan’ny mpitory maharitra? Ampirisiho ny rehetra mba handinika amim-bavaka ny toe-javatra misy azy manokana.
Herinandron’ny 23 Desambra
Hira 107, Hira 32
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Manaova fampisehoana fanolorana ireo gazety farany. Asehoy ny fomba hahafantarana tsara raha tena liana marina ilay tompon-trano alohan’ny hanolorana ireo gazety. Diniho izay azo atao rehefa tsy hita miharihary fa misy fahalianana amim-pahatsorana.
20 min: “Aoka isika handray anjara amin’ny fitaran’ilay Fanjakana”. Fandinihana ilay lahatsoratra eo amin’ny takelaka fanampiny amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny. Mangataha tsindraindray teny fohy avy amin’ireo rahalahy maneho ny fankasitrahany noho ireo zavatra vita an-tsoratra avoakan’ny Fikambanana izay nandraisan’izy ireo soa manokana, na fitantarana fohy zava-nitranga momba ny fampiasana zavatra vita an-tsoratra teo amin’ny asa fanompoana.
15 min: “Ny fomba handraisan-tsoa amin’ny famakiana ny Baiboly”. Lahateny miorina amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Septambra 1985 p. 5-7.