FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 1/92 p. 2-3
  • Ireo Fivoriana Momba ny Asa Amin’ny Janoary

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ireo Fivoriana Momba ny Asa Amin’ny Janoary
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1992
  • Lohatenikely
  • Herinandron’ny 30 Desambra
  • Herinandron’ny 6 Janoary
  • Herinandron’ny 13 Janoary
  • Herinandron’ny 20 Janoary
  • Herinandron’ny 27 Janoary
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1992
km 1/92 p. 2-3

Ireo Fivoriana Momba ny Asa Amin’ny Janoary

Herinandron’ny 30 Desambra

Hira 35, Hira 48

10 min: Fampandrenesana eo an-toerana sy fampandrenesana avy ato amin’ny Ny Fanompoantsika ilay Fanjakana.

15 min: “Ny fivoriamben’ny distrikan’ny Mpianatra ny Baiboly 1992 ‘Ireo mpitondra fahazavana’ ”. Fandinihana ilay takelaka fanampiny hotarihin’ny mpitantsoratra amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny.

20 min: “Aoka hahafantatra ny rehetra fa akaiky ny filaminana maneran-tany”. Aorian’ny teny fampidirana fohy, dia diniho ny fomba fampitohizana tsirairay ary manaova fampisehoana ny amin’ny fomba fampiasa azy hataon’ny mpitory niomana tsara, arakaraka ny amelan’ny fotoana hanao izany. Raha mety, dia ho tsara ny manasa tanora iray hanao ny fampisehoana momba ny fomba fampitohizana faha-2. Ny fomba fampitohizana faha-3 dia ahafahan’ilay mpitory mamela ao an-tsain’ilay tompon-trano hevitra araka ny Soratra masina iray fara faharatsiny. Ampirisiho amin-kafanam-po ireo rahalahy mba hampiasa iray amin’ireo fampidiran-dresaka anolorana hevitra eo amin’ny pejy faha-8 sy iray amin’ireo fomba fampitohizana ireo.

Herinandron’ny 6 Janoary

Hira 1, Hira 34

5 min: Fampandrenesana eo an-toerana.

10 min: “Fomba fanaovan-javatra azo ampiharina mba hiomanana ho amin’ny asa fanompoana”. Diniho miaraka amin’ny mpanatrika ilay lahatsoratra, ary avy eo dia angataho ny mpitory telo na efatra notendrena mialoha mba hanome fanazavana voafaritra tsara momba ny fomba ahazoany mandray soa avy amin’io fomba fanaovan-javatra vaovao io. Azon’izy ireo atao, ohatra, ny miresaka momba ireo karazana fomba fampiseho samihafa, na ireo fomba azo ampifanarahana ilay fanazavana amin’ny faritany eo an-toerana, na ny fahaizana manova zavatra arakaraka izay miseho, na koa ny famelan’io fomba fanaovan-javatra io ireo mpitory hifidy izay mahavantana azy ny mampiseho azy. Ampirisiho ireo mpitory mba samy hitondra Ny Fanompoantsika ilay Fanjakana daholo any amin’ireo fivoriana ho amin’ny asa fanompoana.

18 min: “Fampidiran-dresaka izay misarika ireo tompon-trano hihaino”. Diniho vetivety izay mahaforona ny faritany eo an-toerana. Inona avy ireo fanontaniana heverin’ireo tompon-trano ho lehibe? Mifantoha amin’ny fampidiran-dresaka sy fomba fampisehoana azo inoana indrindra fa hahomby eo an-toerana. Asao ny mpitory iray niomana tsara hampiseho izany fomba fampisehoana izany sy hanolotra fitambarana boky roa. Tokony hanao ilay fomba fampisehoana voasoritra ao amin’ilay lahatsoratra ilay mpitory. Avy eo dia azon’ny tanora mbola mandeha mianatra iray atao ny manao fampisehoana momba io fomba fampisehoana io ihany ka hamarana amin’ny fanolorana gazety amin’ny olona liana iray. Ampirisiho ny rehetra hampiasa io fomba io eo amin’ny asa fanompoana.

12 min: Asain’ny mpitantsoratra hizarana ny Toromarika ara-pitsaboana avy ireo mpikambana vita batisa ao amin’ny kongregasiona, ary avy eo izy dia mandinika amin’ny fomba lalina ny taratasy tamin’ny 1 Janoary 1990 momba ny firaketana ara-pitsaboana ho an’ireo mpitory vita batisa sy ny Taratasy famantarana ho an’ireo zanaka Vavolombelon’i Jehovah tsy ampy taona tsy vita batisa. Hamafiso fa samy tokony hanatrika ny fametrahan’ilay tompon-karatra sy ilay vavolombelona iray hafa sonia eo amin’ilay firaketana ny tsirairay avy amin’izy ireo ary avy eo dia hanisy sonia izany koa ny tenany. Miaraha manjohy hevitra amin’ny mpanatrika ny amin’ny antony tokony hanarahana ireo toromarika amim-pitandremana mba hiarovan’ireny karatra ireny antsika amin’ny fomba mandaitra indrindra.

Herinandron’ny 13 Janoary

Hira 105, Hira 73

10 min: Fampandrenesana eo an-toerana sy Vaovao teokratika. Ampidiro eto ny filazana momba ny toe-bola sy ny fisaorana noho ny fanomezana natao.

15 min: Natao ho ahy ve ny asan’ny mpitory maharitra? Eto amin’ny tanintsika, ny 8 isan-jaton’ny mpitory rehetra eo ho eo dia mpitory maharitra mandavantaona. Omeo ireo tarehimarika eo an-toerana hanaovana fampitahana amin’izany. Azon’ny maro kokoa amintsika atao ve ny manao izay hahazoana hanao ny fanompoana manontolo andro, anisan’izany ireo tanora madiva hamita ny fianarana tsy maintsy ataony? Manadinadìna mpitory maharitra mandavantaona telo, tsara kokoa raha tanora iray, vehivavy mpikarakara tokantrano iray ary olona efa misotro ronono iray. (Raha tsy misy mpitory maharitra mandavantaona eo an-toerana, dia azo anontaniana ny mpitory maharitra mpanampy na mpitory efa nanao ny asan’ny mpitory maharitra.) Diniho amin’izany ny amin’ny vola. Karazana asa tapak’andro inona avy no misy eo amin’ny faritra misy anareo? Ahoana no ahafahan’ny tsirairay avy aminy mamelon-tena? Fiovana inona avy teo amin’ny fividianan-javatra no tsy maintsy nataony? Diniho ny amin’ny fandaharam-potoana mba hahatratrarana ireo ora takina. Misy manan-java-manahirana eo amin’ny fahasalamana ve amin’izy ireo? Ahoana no andreseny izany? Zava-tsarotra hafa inona avy no efa resiny tamim-pahombiazana? Tokony hanorina sy hampahery ireo fanadinadinana. Sariho amin-kafanam-po ny sain’ny mpanatrika mba handinika ny toe-javatra misy azy manokana mba hamantarana raha misy betsaka kokoa afaka manao ny fanompoana manontolo andro.

20 min: Ny fomba ahafahan’ireo ray na reny mitaiza irery ny zanany, manampy ny zanany. Fampidiran-dresaka fohy arahin’ny fampisehoana ny amin’ny reny iray sy ny zanany roa miomana ho amin’ny asa fanompoana. Misy fianakaviana tsy misy afa-tsy ny ray na ny reny betsaka kokoa ao anatin’ny fandaminana amin’izao andro izao noho ny hatramin’izay. Ny fomba nampidiran’ny renin’i Timoty sy ny renibeny miandalana ny fahamarinana tao aminy dia manome ohatra tsara dia tsara harahin’ny ray aman-dreny rehetra. (2 Tim. 1:5; 3:14, 15). Fampisehoana: Ilay reny, ny zanany vavy zatovo ary ny zanany vavy mbola kely kokoa eo amin’ny latabatry ny lakozia aorian’ny sakafo hariva. Milaza ilay reny fa, alohan’ny hanasan’izy ireo ny vilia, dia hamerina ireo fomba fampisehoana hampiasainy amin’ny fanompoana izy ireo ary izy no ho tompon-trano. Mifidy fampidiran-dresaka iray avy eo amin’ny pejy faha-8 amin’ny Ny Fanompoantsika ilay Fanjakana ilay zandriny ary mampiseho izany an-dreniny. Manao teny fiderana azy amin-kafanam-po mendrika ho azy ilay reniny ary mangataka azy hamaky ilay andinin-teny nanoloran’ny Fikambanana hevitra. Mitady haingana ny Isaia 9:5, 6 [6, 7, MN] ilay zandriny ary mamaky azy io. Avy eo ilay reny dia manontany ilay zokiny hoe ahoana no hanolorany ireo boky. Mifidy fomba fampitohizana iray avy eo amin’ny pejy voalohany amin’ny Ny Fanompoantsika ilay Fanjakana ilay zokiny ary mampiseho azy io an-dreniny. Manao teny fiderana azy ilay reniny ary avy eo dia mampirisika azy mirahavavy mba hanao famerenana ilay fampidiran-dresaka sy ilay fomba fampitohizana mba hanolorana ireo boky eny amin’ny asa fanompoana. Ilazany ireo zanany vavy fa mbola hanohy hanao famerenana izy ireo ary avy eo dia hamita ny fanasana vilia. Mamarana io anjara io ilay loholona amin’ny fampirisihana ny fianakaviana rehetra ao amin’ny kongregasiona mba hanome fanampiana feno fitiavana ny zanany.

Herinandron’ny 20 Janoary

Hira 13, Hira 14

15 min: Fampandrenesana sy zavatra ilaina eo an-toerana hataon’ny loholona iray. Arakaraka ny amelan’ny fotoana hanao izany, dia diniho ireo hevitra azo resahina avy amin’ireo gazety farany. Mifidiana iray izay mifanaraka tsara amin’ny iray amin’ireo fampidiran-dresaka sy fomba fampitohizana anolorana hevitra ato amin’ity Ny Fanompoantsika ilay Fanjakana ity. Avy eo dia asao ny mpitory niomana tsara iray hanao fampisehoana feno iray hampiasana ilay fampidiran-dresaka sy fomba fampitohizana ary hanolorana ireo gazety amin’ny olona liana iray. Mariho fa, amin’ny fampandraisana anjara ireo olona amin’ilay fifampiresahana sy amin’ny fampiasana ireo fomba fampiseho anolorana hevitra, dia tsy sarotra ny mamantatra ireo olona liana.

18 min: “Ekeo ny andraikitra hanao fiverenana mitsidika”. Fanontaniana sy valiny. Ampirisiho amin-kafanam-po ny rehetra mba handray anjara feno amin’ny asa fanaovana fiverenana mitsidika. Ampirisiho ny rehetra mba ho tonga indray amin’ny Fivoriana momba ny asa amin’ny herinandro ambony rehefa hodinihina izay azo lazaina amin’ny fiverenana mitsidika iray.

12 min: Fandinihana ny hoe “Fanalana zaza” ao amin’ny boky Fanjohian-kevitra, pejy faha-157-159. Aorian’ny fampidiran-dresaka fohy momba ilay foto-kevitra mampiseho izay lazain’ny filazam-baovao amin’izao fotoana izao momba izany sy ny fanahiana lehibe tsapan’olona an-tapitrisany maro momba azy io, dia ampidiro ny faritry ny fampisehoana iray misy anabavy iray mitarika fampianarana Baiboly. Mampahafantatra ilay anabavy ny amin’ny fanahiana lalina tsapany noho izy bevohoka ny mpianatra Baiboly vaovao iray. Hazavainy fa tena feno ahiahy izy, satria tsy tsara ny toerana ara-bolan’ny fianakaviana. Mampirisika azy hanala ilay zaza avy hatrany ny havany eo amin’izao tontolo izao. Manoro hevitra ny hitodihan’izy ireo any amin’ny boky Fanjohian-kevitra ilay anabavy sy ny hanaovana fikarohana ao amin’ny Soratra masina mba hahitana ny fomba fihevitr’i Jehovah momba ny ain’ny zaza mbola tsy teraka iray ary raha heveriny fa mety ny fanalana zaza. Mijery ny hevitry ny hoe fanalana zaza aloha izy ireo. Avy eo dia mandinika ireo fanontaniana, andinin-teny ary fanazavana hafa eo amin’ny pejy faha-157-159, izy ireo. Tokony hanampy ilay mpianatra hanjohy hevitra ka hahatakatra ny maha-masina ny aina ilay anabavy.

Herinandron’ny 27 Janoary

Hira 51 (vaovao), Hira 110

10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Ampirisiho ireo mpitory mba hanao fandaharana dieny izao mba hanaovana ny asan’ny mpitory maharitra mpanampy amin’ny Martsa sy Aprily. Ampirisiho ireo fianakaviana, ary koa ireo mpitory tanora izay hahazo fialan-tsasatra mandritra ny volana Martsa na Aprily, mba hijery raha afaka mandray anjara betsaka kokoa amin’ny asa fanompoana izy ireo.

20 min: “Inona no holazainao rehefa miverina mitsidika ianao?” Iaraho midinika amin’ny mpanatrika ilay lahatsoratra ary manasà mpitory efa niomana mba hanao fampisehoana momba ireo fanoloran-kevitra ao amin’ireo fehintsoratra arakaraka ny andinihana azy ireo. Tokony hanaovana fanomanana mialoha ireo fampisehoana fohy ireo.

15 min: “Inona moa no dikan’ny hoe manao ny marina?” Lahateny hataon’ny loholona iray momba ny lahatsoratra ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 May 1988, pejy faha-4-7. Antitrantero ny fotopoto-pitsipika ara-baiboly tafiditra amin’ny fanefana ny trosantsika.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara