FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 7/92 p. 2
  • Ireo Fivoriana Momba ny Asa Amin’ny Jolay

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ireo Fivoriana Momba ny Asa Amin’ny Jolay
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1992
  • Lohatenikely
  • Herinandron’ny 6 Jolay
  • Herinandron’ny 13 Jolay
  • Herinandron’ny 20 Jolay
  • Herinandron’ny 27 Jolay
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1992
km 7/92 p. 2

Ireo Fivoriana Momba ny Asa Amin’ny Jolay

Herinandron’ny 6 Jolay

Hira 30, Hira 81

10 min: Fampandrenesana mifanentana avy ato amin’ny Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana ary fampandrenesana eo an-toerana. Ankoatra izany, dia asongadino ny hevitra azo resahina roa avy ao amin’ny gazety farany.

15 min: “Asongadino ireo bokikely mba hizarana ny fanantenanao momba ilay Fanjakana”. Fiaraha-midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny; fampisehoana. Ampahafantaro amin’ny kongregasiona ireo bokikely ao amin’ny tahiry, ary anontanio amin’ny mpanatrika izay bokikely hifanentana indrindra amin’ny faritany eo an-toerana. Eo am-pandinihana ny fehintsoratra faha-9, dia manaova fampisehoana ny amin’ny fomba azo anolorana bokikely mifanentana iray eo am-panaovana fanambarana tsy ara-potoana amin’ny mpifanila trano, na amin’ny mpiara-miasa, na any an-toeran-kafa. Arakaraka ny hamelan’ny fotoana hanao izany, dia asaivo mitantara fanandraman-javatra hitany mifandray amin’ny fampiasana ireo bokikely ny mpitory voatendry mialoha. Ampirisiho amin-kafanam-po ireo rahalahy mba handray anjara feno amin’ny fanolorana ireo bokikely mandritra ny volana Jolay.

20 min: “Fivoriamben’ny distrika 1992 ‘Ireo mpitondra fahazavana’ ” — Fizarana voalohany. Fandinihana ny fehintsoratra 1-10 miaraka amin’ny mpanatrika. Mety ho tian’ireo mpitory ny hiara-mandinika hevitra mifanentana tsara avy amin’izany amin’ireo miara-mianatra Baiboly aminy izay hanatrika ilay fivoriambe.

Herinandron’ny 13 Jolay

Hira 13, Hira 11

10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Filazana momba ny toe-bola. Vaovao Teokratika. Ampahatsiahivo ny kongregasiona ireo fandaharana ho amin’ny asa fanompoana.

15 min: “Ny fomba ampifandraisana ny fampidiran-dresatsika amin’ireo zavatra vita an-tsoratra”. Lahateny fohy sy fampisehoana. Omano ny hisian’ny mpitory tanora hanao fampisehoana momba ny fomba fampiseho araka ny Soratra Masina hampiasana ireo fanipazan-kevitra voasoritra ao amin’ny fehintsoratra faha-2. Rehefa mampiditra ny Isaia 65:21-23, dia ampiasao ny fanombohan-dresaka voasoritra ao amin’ny fehintsoratra faha-5. Ny mpitory hafa iray dia afaka mampiseho ny fanolorana ny bokikely “Indro”, amin’ny fampiasana ireo fanipazan-kevitra ao amin’ny fehintsoratra faha-3 sy faha-4. Ao amin’ireo fampisehoana roa ireo, ny mpitari-draharaha dia hanamafy ny fomba nampifandraisana ilay fomba fampiseho tamin’ny fanolorana ilay zavatra vita an-tsoratra. Ao amin’ny fampisehoana iray, dia asehoy ny fomba hampiasain’ny mpitory iray raha tsy maneho fahalianana manokana ilay tompon-trano. Ampahatsiahivo ny kongregasiona mba haka bokikely sy gazety aorian’ny fivoriana.

20 min: “Fivoriamben’ny distrika 1992 ‘Ireo mpitondra fahazavana’ ” — Fizarana faha-2. Fandinihana ny fehintsoratra 11-18 miaraka amin’ny mpanatrika ary famerenana fohy ny “Fampahatsiahivana amin’ny fivoriamben’ny distrika” arakaraka ny hamelan’ny fotoana hanao izany. Ampidiro eto ny fampahatsiahivana mifanentana avy ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Septambra 1989, pejy 10-20. Ampirisiho ireo fianakaviana mba hijery indray, hevitra sasantsasany avy amin’ireo lahatsoratra ireo, alohan’ny hanatrehana ny fivoriambe.

Herinandron’ny 20 Jolay

Hira 5, Hira 21

15 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Diniho miaraka amin’ny kongregasiona ny filazana asa tamin’ny volana Jona, ka manomeza teny fiderana sy fampirisihana eo amin’izay ilàna fanatsarana. Asehoy fa ny fisaintsainana momba ny teny natao ho an’ny taona sy ny teny manodidina azy io, dia manampy antsika hahita fahasambarana marina eo am-pandraisantsika anjara amin’ny asa fanompoana sy amin’ny fiarahantsika amin’ny kongregasiona. (Rom. 12:9-16). Raha mamela hanao izany ny fotoana, dia manolora hevitra azo resahina iray na roa hampiasaina eo amin’ny asa fanompoana amin’izao faran’ny herinandro izao.

15 min: “Manolotra fampianarana Baiboly ve ianao?” Fiaraha-midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny, arahin’ny fitantarana fanandraman-javatra voafantina tsara izay hampiseho ny fomba azo anombohana fampianarana Baiboly amin’ny fitsidihana voalohany na amin’ny fiverenana mitsidika iray.

15 min: Fanontaniana momba ny Hara-magedona. Lahateny hamelabelatra ny fanazavana avy ao amin’ny boky Fanjohian-kevitra, pejy 280-284.

Herinandron’ny 27 Jolay

Hira 100, Hira 73

10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Valin’ireo Fanontanianareo. Azo tendrena hanao ity anjara ity ny mpiandraikitra ny asa.

20 min: “Aoka isika hanolokolo ny fahalianan’ny olona amin’ny hafatra momba ilay Fanjakana”. Aorian’ny fampidiran-dresaka fohy, dia manaova fampisehoana momba ny fiverenana mitsidika 1) olona iray nandray ireo gazety farany, 2) olona iray nampiseho fahalianana nefa tsy nandray zavatra vita an-tsoratra, ary 3) olona iray nandray ny bokikely “Indro”. Amin’ny tsirairay amin’ireo, dia manorena fototra ho an’ny fiverenana mitsidika hafa.

15 min: “Aoka isika hanaiky sy hampihatra ary handray soa avy amin’ny Tenin’Andriamanitra”. Manasà mpitory hilaza teny fohy voaomana mialoha maneho fankasitrahana ireo fivoriamben’ny fizaran-tany amin’ny ankapobeny. Azo atao ny manintona ny saina ho amin’ny hevitra sarobidy nianarana tamin’ny fivoriamben’ny fizaran-tany farany. Avy eo dia manaova fandinihana ilay lahatsoratra eo amin’ny pejy voalohany amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny. Ampahafantaro ny datin’ny fivoriamben’ny fizaran-tany manaraka, raha fantatra, ary ampirisiho ny rehetra mba hanatrika izany.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara