Ireo Fivoriana Momba ny Asa Amin’ny Aogositra
Herinandron’ny 3 Aogositra
Hira 4, Hira 50
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana sy Fampandrenesana nofantenana avy ato amin’ny Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana. Diniho ireo hevitra azo ampiasaina avy amin’ireo gazety farany. Ampirisiho ny rehetra mba handray anjara amin’ny asa fanompoana amin’izao faran’ny herinandro izao.
15 min: “Fampidiran-dresaka Izay Hanaitra Fahalianana”. Fandinihana ilay lahatsoratra amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny. Manaova fampisehoana momba ireo hevitra voasoritra eo amin’ny fehintsoratra faha-5.
20 min: “Fanaovana Dingana Hentitra mba Hitohizan’ny Fandrosoana”. Velabelaro ho toy ny lahateny ireo fehintsoratra roa voalohany amin’ilay takelaka fanampiny. Manaova fandinihana ny tapany farany amin’ilay lahatsoratra amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny. Antitrantero ireo hevitra tokony hampiharina eo an-toerana. Farano amin’ny alalan’ny famintinana fohy.
Herinandron’ny 10 Aogositra
Hira 68, Hira 66
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana, anisan’izany ny filazana momba ny toe-bola sy ny fisaorana noho ny fanomezana natao. Anaovy teny fiderana ny kongregasiona noho ny fanohanany ara-bola ny kongregasionany manokana ary koa ny asan’ny Fikambanana maneran-tany.
20 min: Fampitomboana ny Fahalianan’ny Olona Mandritra Ireo Fiverenana Mitsidika. Hataon’ny mpiandraikitra ny asa. Maro no mahita fa mahafinaritra ny miresaka amin’ny olona sy ny mametraka zavatra vita an-tsoratra. (omMG p. 87-88). Tafiditra amin’ny andraikitsika ny fampitomboana ny fahalianana ao am-pon’ireo izay iresahantsika. Manolora fampisehoana fohy iray momba ny fomba azo ampiasana taratasy mivalona mba hampitomboana ny fahalianan’ilay olona mandritra ny fiverenana mitsidika iray, izay tsy nametrahana zavatra vita an-tsoratra tamin’ny fitsidihana voalohany. Aza manasongadina afa-tsy hevitra iray na roa ihany. Manolora fampisehoana fohy iray momba ny fomba azo ampiasana koa ny fizaham-pejy ao amin’ny boky Fanjohian-kevitra. Antitrantero ireo hevitra voafintina tsara sady mivantana ao amin’ilay boky ka azo ampiasaina mba hampitomboana ny fahalianan’ilay olona amin’ny Baiboly. Asehoy ny fomba hanaovana fandaharana ho amin’ny fitsidihana manaraka.
15 min: “Babylona Lehibe”. Fandinihana ny pejy faha-72-77 ao amin’ny boky Fanjohian-kevitra. Fampisehoana: Miara-mandinika amin’ny mpianatra ny Baiboly iray ny fandrosoana vitan’io, ny mpitory iray. Manamafy ny ilana ho hitan’i Jehovah ho masina sy mendrika ny hahazo ny fanampiany sy ny fitahiany, ilay mpitory. (1 Pet. 1:15, 16). Antitrantero ny maha-zava-dehibe ny handosirana an’i Babylona dieny izao sy ny hiarahana amin’ny fandaminana masin’i Jehovah. Mamarana ny mpitari-draharaha amin’ny fampirisihana ireo rahalahy mba hampiasa ireo zavatra vita an-tsoratra mba hitarihana ireo mpianatra ho amin’ny fandaminana, ary koa mba hanararaotra ny fanampiana atolotr’ireo loholona.
Herinandron’ny 17 Aogositra
Hira 62, Hira 34
15 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Vaovao Teokratika. Fiaraha-mandinika ny lahatsoratra hoe “Aoka Isika Hiaina Amin’ny Fananana Saina Mahay Mitsara Zavatra sy Araka ny Rariny”. Ampirisiho ireo rahalahy mba hanao volavolan-kevitra mialoha mba hanatrika ny fandaharan’ny andro fivoriambe manokana amin’ny taom-piasana 1993. Lazao ny daty sy ny toerana hanaovana azy, raha fantatra. Ankoatra izany, dia ampirisiho ny fandraisana anjara amin’ny asa fanompoana amin’ny faran’ny herinandro.
20 min: “Ny Fanaovana Fiverenana Mitsidika — Zava-tsarotra Tsy Maintsy Resena”. Fanontaniana sy valiny. Aorian’ny fandinihana ny fehintsoratra faha-5 sy faha-6, dia manaova fampisehoana roa. 1) Asehoy ny fomba azo ampiasana taratasy mivalona mba hanombohana fampianarana Baiboly. 2) Mifidiana foto-kevitra iray avy ao amin’ny boky Fanjohian-kevitra ary asehoy ny fomba azo ampiasana izany mba hamaliana fanontaniana iray mandritra ny fiverenana mitsidika iray. Asongadino ny hasarobidin’ny fanaovana fandaharana fanazaran-tena. Ampirisiho ny fanolokoloana ny fahalianana hita rehetra.
10 min: Lahateny fohy miorina amin’ny lahatsoratra hoe “Fifaliana toy inona moa ny mipetraka eo amin’ny latabatr’i Jehovah!”, ao amin’ny wMG 1/11/91, pejy faha-25. Tsy natao ho famakiana ilay lahatsoratra fotsiny ny anjara toy ity, fa antitrantero kosa ireo hevi-dehibe izay azon’ireo rahalahy ampiharina eo an-toerana. Asongadino ny soa azo avy amin’ny famakiana ny fanandraman-javatra hitan’ireo rahalahintsika any amin’ny tany hafa, ary ampirisiho ny rehetra hihazona fandaharana manokana hamakiany ireo gazetin’ny Fikambanana. Mitandrema mba tsy hihoatra ny fotoana.
Herinandron’ny 24 Aogositra
Hira 12, Hira 1
5 min: Fampandrenesana eo an-toerana.
15 min: “Fanaovana ny Fanompoana Isan-trano Amin’ny Fomba Mandaitra”. Fiaraha-mandinika ilay lahatsoratra amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny. Ampirisiho ny fanaovana ny asan’ny mpisava lalana mpanampy amin’ny Septambra. Lazao fa ireo izay manao ny asan’ny mpisava lalana mpanampy mazàna dia mbola be asa hatao kokoa foana mandritra ireo volana manaraka izany.
15 min: Alefaso any An-tsekoly, Amin’ny Fananany ny Fomba Fihevitr’Andriamanitra ao Am-pony Ireo Zanakareo. Lahateny hataon’ny loholona iray. Miaina eo amin’ny tontolo iray izay tapa-kevitra ny hanery antsika hanaraka ny fomba fanaony, isika. Ary tena marina indrindra izany ny amin’ireo tanorantsika. Mila ny ho mailaka ny hahatsapa ny zavatra ilain’izy ireo sy ny zava-manahirana azy ireo, ny ray aman-dreny. (Ohab. 20:5). Ampianaro azy ireo lalàna sy ny fitiavan’Andriamanitra, miaraka amin’ny fitiavan’ny ray aman-dreny ho an’ny zanany. Fampisehoana: Miara-mandinika ny fomba fampiasa ny bokikely Sekoly ny fianakaviana iray. Hiditra hianatra voalohany ny iray amin’ireo ankizy, fa ny roa hafa kosa efa nankany an-tsekoly efa hatramin’ny taona vitsivitsy. Mifidiana hevitra iray izay ho azo ampiharina amin’ireo toe-javatra misy ny tsirairay avy aminy. Asao ireo ankizy hiresaka amin’ny rainy na ny reniny izay haka ny toeran’ny mpampianatra, ka hilaza ny heviny amin’ny fomba fiteniny manokana. Ataovy azo antoka fa takatr’ireo ankizy ireo fotopoto-pitsipika tafiditra. Ilay rahalahy manao ity anjara ity dia mampirisika ny hisian’ny fianaram-pianakaviana mifototra amin’ny Baiboly. Antitranteriny koa ny ilan’ireo ray aman-dreny hanana fifandraisana akaiky sady misy fifankahazoana am-po amin’ireo zanany.
10 min: “Ampiasao ny boky Hiaina Mandrakizay any Amin’ireo Fiverenana Mitsidika”. Diniho vetivety ireo hevitra hita ao amin’ny fehintsoratra roa voalohany. Avy eo, dia manaova fampisehoana momba ny fiverenana mitsidika iray ampiasana ny fanombohan-dresaka mivantana mba hanombohana fampianarana Baiboly.
Herinandron’ny 31 Aogositra
Hira 36, Hira 40
5 min: Fampandrenesana eo an-toerana.
15 min: Moa ve Ianao Mandroso eo Amin’ny Lafiny Ara-panahy? Hataon’ny loholona iray. Moa ve ireo ao amin’ny kongregasiona nahatratra zava-kendrena voafaritra tsara nandritra iny taom-piasana lasa iny? Raha tsy izany no izy, inona no antony? Manoroa hevitra ny amin’ny zava-kendrena sasany azo ferana. Ilaina ny mandroso mba hiarovana ny fahasalamana ara-panahy. (Fil. 3:16). Manaova fampisehoana fohy iray momba ny fianakaviana iray manao fianaram-pianakaviana ka mandinika indray ny fanompoany mba hamantarana hoe eo amin’ny lafiny inona no hahafahany handroso ara-panahy.
10 min: Zavatra ilaina eo an-toerana, na fandinihana ny asa vitan’ny kongregasiona teo amin’ny fanompoana, hataon’ny loholona iray.
15 min: Asongadino Ny Bokiko amin’ny volana Septambra. Lahateny arahina fampisehoana. Diniho ireo hevitra sy sary azo ampiasaina ka azo asongadina rehefa manolotra Ny Bokiko. Azo atao ny mampiasa hevitra sasany ao amin’ny boky Fanjohian-kevitra, eo ambanin’ny lohateny hoe “Paradisa” (p. 351-355), rehefa mety ny hanaovana izany. Angamba hanintona ilay tompon-trano ny fanazavana ao amin’ny tantara faha-115 hoe “Paradisa vaovao ho eto an-tany”. Asao ny mpitory mahay iray hanao fampisehoana momba ny fomba fanolorana, amin’ny fampiasana ny Apokalypsy 21:3, 4 sy ny sary eo amin’ireo pejy ireo, ary amin’ny fanasongadinana fa ho tanteraka tsy ho ela ny antony voalohany namoronan’Andriamanitra ny tany.