Ireo Fivoriana Momba ny Asa Amin’ny Febroary
Herinandron’ny 1 Febroary
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana sy Fampandrenesana voafantina avy ato amin’ny Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana. Asongadino ny fampisehoana gazety miorina amin’ireo nomerao farany.
20 min: “Fiaraha-miasa Amin’ny Mpitarika Fianarana ny Bokin’ny Kongregasiona Misy Antsika”. Fanontaniana sy valiny.
15 min: “Fampisehoana Tsotra Sady Mandaitra”. Fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika. Eo am-pandinihana ny fehintsoratra faha-3, dia manaova fampisehoana iray ny amin’ny fomba hanintonan’ny mpitory iray ny sain’ny tompon-trano ho amin’ny boky Hiaina Mandrakizay. Tokony hampiseho fahalianana miharihary ilay tompon-trano. Eo am-pandinihana ny fehintsoratra faha-5, dia asehoy ny fomba hampiasan’ny mpitory taratasy mivalona iray mba hanohizana ny resadresaka amin’ny tompon-trano izay tsy mampiseho afa-tsy fahalianana kely.
Herinandron’ny 8 Febroary
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Diniho ireo hevitra azo resahina ao amin’ireo gazety farany. Ampirisiho ny rehetra handray anjara amin’ny asa fanompoana amin’ity faran’ny herinandro ity.
20 min: “Mitariha Fampianarana Baiboly Amin’ny Boky Hiaina Mandrakizay”. Fandinihana amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny. Aorian’ny fandinihana ny fehintsoratra faha-6, dia manaova fampisehoana ny amin’ny fomba azon’ny tanora iray anolorana sy anombohana fianarana Baiboly, amin’ny fampiasana ny boky Hiaina Mandrakizay. Mitantarà zavatra teo an-toerana hitan’ireo tanora, izay afaka nanomboka fampianarana.
15 min: “Tsy Manao ny Tenin’Andriamanitra ho Filam-bola”. Lahateny ataon’ny mpiandraikitra prezidà na loholona hafa, miorina amin’ny pejy faha-26-29 amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana 1 Desambra 1992. Anaovy teny fiderana feno hafanam-po ireo rahalahy noho ny fandraisany anjara tamin’ny fanohanana ny asan’ny Fikambanana maneran-tany ary koa ny an’ny kongregasiona eo an-toerana. Azo atao koa ny milaza ny amin’izay nataon’ny kongregasiona tamin’ny fanohanana ny Famoriam-bolan’ny Fikambanana ho Amin’ny Fanamboarana Efitrano Fanjakana sy izay tetikasa momba ny fanorenana rehetra eo an-toerana, izay mety ho eo am-panaovana azy amin’izao fotoana izao.
Herinandron’ny 15 Febroary
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Filazana momba ny toe-bola. Lazao ireo fanehoam-pankasitrahana avy amin’ny Fikambanana noho ireo fanomezana nalefa, ary anaovy teny fiderana ny kongregasiona noho ny fanohanany tamim-pahatokiana amin’izay zavatra ilain’ny kongregasiona eo an-toerana. Ampirisiho ny fandraisana anjara amin’ny asa fanompoana amin’ny faran’ny herinandro.
20 min: “Mampianatra (...) Izay Rehetra Nandidiako Anareo”. Fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny. Eo am-pandinihana ny fehintsoratra faha-4 sy faha-5, dia manomeza ohatra ny amin’ny andinin-teny hafa sy zavatra vita an-tsoratra izay mifanentana amin’ny toe-javatra hita eo an-toerana. Manaova fampisehoana voaomana tsara ahitana ny fomba azo iampitana avy amin’ny resadresaka fampidirana nataonao mankeo amin’ny iray amin’ireo taratasy mivalona. Mandiniha fehintsoratra iray na roa amin’ilay taratasy mivalona araka ny amelan’ny fotoana. Ampirisiho ny rehetra haharitra amin’ny fiezahana ataony mba hanomboka fampianarana Baiboly vaovao.
15 min: “Ra”, boky Fanjohian-kevitra, pejy faha-357-359. Atao ao amin’ny faritry ny fiverenana mitsidika iray, izay ahitana tompon-trano manao ireo fanontaniana amin’ny sora-matevina. Ny valin-tenin’ilay mpitory dia tokony hiorina amin’ny fanazavana ao amin’ny boky Fanjohian-kevitra.
Herinandron’ny 22 Febroary
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Vaovao Teokratika.
20 min: “Fanehoana Fankasitrahana ny Avotra”. Lahateny ataon’ny loholona iray.
15 min: Izay zavatra ilaina eo an-toerana na lahateny manorina mifototra amin’ny fanazavana ao amin’ny lahatsoratra hoe “Mianara Fankatoavana Amin’ny Fanekena Fifehezana”, ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 Oktobra 1992. Asehoy hoe amin’ny fomba ahoana no andraisan’ny mpanompon’i Jehovah rehetra, tanora sy be taona, fifehezana ary diniho ireo soa azo avy amin’ny fijerena amin’ny fomba manorina ny fankatoavana.