Ireo Fivoriana Momba ny Asa Amin’ny Martsa
Herinandron’ny 1 Martsa
15 min: Fampandrenesana eo an-toerana sy Fampandrenesana avy ato amin’ny Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana. Hevi-dehibe ao amin’ny Vaovao Teokratika, izay manamafy ny fomba itahian’i Jehovah ny mpanompony any amin’ny faritra maro samihafa amin’ny tany. Azo atao koa ny mampiditra zavatra hitan’ny mpitory ao amin’ny kongregasiona eo an-toerana, raha mifanentana izany.
15 min: “Aza Mitsahatra Manao hoe: ‘Avia’ ” Fiaraha-midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny. Eo am-pandinihana ny fehintsoratra faha-4, dia asao ny mpitory iray niomana tsara mba hanasongadina hevitra sasantsasany avy ao amin’ny toko faha-42 amin’ny boky Fanambarana, eo amin’ny fehintsoratra faha-6-10, izay mamelabelatra ny Apokalypsy 21:4-6.
15 min: “Mahaiza Manovaova eo Amin’ny Fanompoanao”. Lahateny misy fandraisan’ny mpanatrika anjara. Asio fampisehoana fohy roa eo am-pandinihana ny fehintsoratra faha-3-5. Amin’ilay fampisehoana momba ilay hevitra ao amin’ny fehintsoratra faha-4 sy faha-5, dia asehoy ny fomba ahafahan’ny mpitory lehibe iray sy ny tanora iray miara-miasa eo amin’ny fanompoana isan-trano, araka ny voasoritra ao amin’ilay lahatsoratra. Hamafiso fa ilaina ny mahita fifaliana eo amin’ny fanompoana, na manao ahoana na manao ahoana vokatra azo.
Herinandron’ny 8 Martsa
5 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Tonòny ny isan’ireo hanao ny asan’ny mpisava lalana mpanampy amin’ny Aprily ka efa nekena. Ampirisiho ireo izay mikasa ny hanao ny asan’ny mpisava lalana mba hamerina aloha ny fangatahany.
20 min: “Afaka Manao Bebe Kokoa ve Ianao mba Hanomezam-boninahitra an’i Jehovah?” Fandinihana ny fehintsoratra 1-10 amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny.
20 min: Fanampiana Ireo Olona Miara-mianatra ny Baiboly Amintsika. Fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika, manamafy fa ilaina ny manolotra fanampiana fanampiny an’ireo olona mianatra ny Baiboly, ankoatra ny fitarihana ilay fampianarana fotsiny. (1 Tes. 2:8). Makà fotoana fanampiny mba hanairana faniriana avy amin’ny fo hanatrika ireo fivoriana sy handraisana anjara amin’izany. Manorena ao aminy fankasitrahana ny fandaminana sy ny fianakavian’ny mpirahalahy iraisam-pirenena amin’ny fanazavana momba ireo fivoriamben’ny fizaran-tany sy ireo andro fivoriambe manokana ary ireo fivoriamben’ny distrika. Azo atao ny miara-mijery aminy ilay vidéocassette hoe Les Témoins de Jéhovah: un nom, une organisation, ary asao ilay mpianatra hilaza izay zavatra nianarany avy amin’izy io. (Hampahafantarina ao amin’ny Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana ny fahatongavan’io vidéocassette io eto Madagasikara.) Asehoy miandalana ny fomba ahafahany mizara izay ianarany amin’ireo olona hitany. Ireo olona mianatra ny Baiboly izay mahafeno ireo fepetra voalaza eo amin’ny pejy faha-98 sy faha-99 ao amin’ny boky Voalamina, ka maniry handray anjara amin’ny asa fanompoana ampahibemaso, dia tokony hampiana mba ho tonga mpitory tsy vita batisa. Zava-dehibe ny hakana fotoana mandritra ny fianarana sy aoriany mba hanampiana ireo mpianatra hamboly faniriana ny hanolo-tena sy hatao batisa. Ho azo atao ny hampiseho aminy sary na lahatsoratra ao amin’ny gazety mivoaka eo an-toerana momba ny batisa atao any amin’ireo fivoriamben’ny distrikantsika. Fampisehoana: Mpitory iray manampy mpianatra ny Baiboly iray hanao fanambarana tsy ara-potoana. Mifidy hevitra azo ampiasaina eo amin’ny fitoriana avy ao amin’ny boky Hiaina Mandrakizay izy ary manao hoe: “Ho tsara ny hizaranao io hevitra io amin’ny sasany amin’ireo havanao sy mpiara-monina aminao. Mety ho azonao atao ny hilaza amin’izy ireo fa nianatra zavatra izay mbola tsy fantatrao taloha ianao avy tao amin’ny Baiboly.” Ampirisiho ireo mpitory mba hanampy ireo olona miara-mianatra ny Baiboly aminy, ka hanohy hampiseho fiahiana amim-pitiavana na dia aorian’ny batisan’izy ireny aza.
Herinandron’ny 15 Martsa
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana, anisan’izany ny filazana momba ny toe-bola sy ny fisaorana noho ny fanomezana natao. Asio firesahana ilay hoe “Hafatra Iray Amin’ny Fotoana Ilana Azy” eo amin’ny faran’ny tsanganana faharoa. Ampirisiho ny rehetra mba hanamarika ny lohatenin’ilay lahateny manokana hatao amin’ny 28 Martsa ary hanasa ireo olona liana mba hanatrika izany.
15 min: “Fanampiana Ireo Rehetra Nampiseho Fahalianana”. Lahateny misy fandraisan’ny mpanatrika anjara. Diniho ireo andinin-teny voalaza, raha mamela hanao izany ny fotoana. Manaova fampisehoana ampiasana ny fanoloran-kevitra eo amin’ny fehintsoratra faha-3. Asongadino fa ilaina ny manolokolo ny fahalianan’ireo izay tonga nanatrika voalohany.
20 min: “Afaka Manao Bebe Kokoa ve Ianao mba Hanomezam-boninahitra an’i Jehovah?” Fandinihana ny fehintsoratra faha-11-21 amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny.
Herinandron’ny 22 Martsa
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Ampirisiho ny rehetra mba hiomana hampitombo ny fandraisany anjara amin’ny fanompoana mandritra ny volana Aprily.
20 min: Fiahiana ny Amin’ireo Be Taona. Fiaraha-midinika sy fanadinadinana hataon’ny rahalahy roa. Tamin’ny Fivoriamben’ny Distrika “Ireo Mpitondra Fahazavana” farany teo, dia nisy fitohitohizan-dahateny natao tamin’ny alahady maraina ka nanasongadina ny loha hevitra hoe “Fifanehoana Fiahiana ao Amin’ilay Ankohonana Kristiana Misy Antsika”. Ny tapany farany hoe “Amin’ny Fiahiana ny Amin’ireo Be Taona” dia nanantitrantitra ny fanampiana sarobidy atolotr’ireo zokiolona ho an’ny fianakaviany sy ny kongregasiona. (Ohab. 16:31). Amin’ny fomba ahoana avy no azontsika anampiana ireo be taona? Ny fianakaviany no manana ny andraikitra voalohany indrindra ny amin’izany. (1 Tim. 5:3, 4, 8, 16). Ilaina ny fananana faharetana sy fiantrana. Ireo zanany sy zafikeliny efa lehibe dia manana fahafahana haneho ny fankasitrahany noho ireo taona maro nanoloran’ireo ray aman-dreniny sy raibe aman-drenibeny fitiavana sy asa ary fiahiana azy ireo. (wMG 1/9/87 p. 13-18). Afaka manampy ireo be taona koa ny kongregasiona. Mety hisy hila ny hampiana mba hahazoana fanampiana avy amin’ny fanjakana. Manehoa fahaiza-mampiantrano vahiny amin’ny fanasana azy ireny amin’ny fiaraha-misakafo na ny fiaraha-mikorana. (Rom. 12:13). Ampio izy ireny eo amin’ny asa fanompoana. Ento any amin’ireo fivoriana sy fivoriambe izy ireny. Ampio izy ireny eo amin’ny fiantsenana sy ny fikarakarana ny tranony. (wMG 1/9/87 p. 4-7). Manehoa fanajana foana an’ireo be taona. (1 Tim. 5:1, 2). Manadinadìna olona be taona iray na roa izay ohatra tsara. Asongadino ny soa noraisiny avy tamin’ny hatsaram-panahy nasehon’ny fianakaviany sy ny kongregasiona taminy.
15 min: Loholona iray manadinadina mpitory telo na efatra izay hanao ny asan’ny mpisava lalana mpanampy amin’ny Aprily na izay efa nanao izany tamin’ny lasa. Inona no nanosika azy ireo hanao ny asan’ny mpisava lalana? Inona avy no fiomanana nataon’izy ireo ho an’ny volana Aprily? Tamin’ny ahoana no nanampian’ny fanaovana ny asan’ny mpisava lalana azy ireo manokana? Ampirisiho ireo rehetra miomana hanao ny asan’ny mpisava lalana mpanampy amin’ny volana manaraka mba haka fangatahana ka hamerina izany haingana.
Herinandron’ny 29 Martsa
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Ampahatsiahivo ny rehetra mba hanasa ireo olona liana sy ireo olona mianatra ny Baiboly mba hanatrika ny fankalazana ny Fahatsiarovana. Ampiasao tsara ireo taratasy fanasana vita pirinty. Ampirisiho ireo mpitory mba hanoratra amin’ny fomba madio eo amin’ireo taratasy fanasana ny fotoana sy ny adiresy hankalazana ny Fahatsiarovana.
25 min: “Fankalazana Ilay Fahafatesana Izay Manome Fanantenana Fiainana Mandrakizay”. Fiaraha-midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny hataon’ny mpiandraikitra prezidà. Ampidiro eto ilay fanazavana ao amin’ilay faritra voafefy hoe “Ho Fanomanana ny Fahatsiarovana”. Aorian’ny fandinihana ny fehintsoratra faha-5 amin’ilay lahatsoratra, dia asio fampisehoana iray momba ny fomba anasan’ny mpitory iray olona mianatra ny Baiboly iray hanatrika ny Fahatsiarovana. Hazavain’ilay mpitory ilay fandaharana momba ny famakiana andinin-teny ao amin’ny Baiboly voafidy sasany manomboka amin’ny 1 ka hatramin’ny 6 Aprily. Avy eo izy dia manolotra ny haka ilay olona ho any amin’ny Fahatsiarovana.
10 min: Fanasongadinana Ny Tilikambo Fiambenana mandritra ny volana Aprily. Manasongadìna hevitra sy foto-kevitra azo resahina voafaritra tsara izay mety ho azo asongadina mandritra ny volana. Aoka ianareo ho mailaka hisarika ny sain’ny olona ho amin’ireo hevitra ao amin’ireo gazety isaky ny azo atao izany.