FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 7/93 p. 3
  • Afaka Manao Azy Io ve Ianao?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Afaka Manao Azy Io ve Ianao?
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1993
  • Mitovitovy Aminy
  • Tanjona Mendrika Hotratrarina Amin’ny Taom-panompoana Vaovao
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2007
  • Tadiavina — Mpisava Lalana Mpanampy 600
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1997
  • Afaka ny ho mpitory maharitra mpanampy ve ianao?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1992
  • Valin’ireo Fanontanianareo
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1993
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1993
km 7/93 p. 3

Afaka Manao Azy Io ve Ianao?

1 ‘Manao inona?’, hoy ianao. Mamaly toy izao ny Ohabolana 3:27: “Aza mamihina ny soa amin’izay tokony homena azy, raha azon’ny tananao atao ihany”. “Azon’ny tananao atao” ve ny manitatra ny asanao ka handray anjara amin’ny asan’ny mpisava lalana mpanampy na maharitra? Afaka manao izany ve ianao?

2 Tena nampahery tokoa ny namaky tao amin’ny Annuaire 1993 fa nisy mpisava lalana maharitra sy mpanampy 583 tamin’ny antsalany teto Madagasikara, izany hoe kely sisa dia ho mpisava lalana 1 isaky ny mpitory 8. Ireo rahalahy sy anabavy ireo dia nandinika ny toe-javatra nisy azy ary nahita fa afaka ny hanao bebe kokoa teo amin’ny fanompoana ny tenany.

3 Ny asan’ny mpisava lalana mpanampy dia fomba iray hanaovana soa ho an’ny hafa. Tamin’ny taon-dasa dia nisy tampon’isa tamin’ny mpisava lalana mpanampy 476. Tena faran’izay tsara izany. Mpitory maro no mitady fomba hanaovana ny asan’ny mpisava lalana mpanampy matetika kokoa mandritra ny taona.

4 Mba hamantarana raha afaka ‘manao azy io’ ianao na tsia, dia mila ny mandinika ny faniriana ao am-ponao aloha ianao. (Matio 22:37-39). Hoy ny Asan’ny Apostoly 20:35: “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.” Tsy isalasalana fa ireo izay manome fanampiana ara-panahy amim-pahalalahan-tanana avy amin’ny fony dia manana ny faniriana tsara. Mba hahatongavana ho mpitory na mpisava lalana mahomby, dia tena ilaina ny faniriana toy izany.

5 Faharoa manaraka izany, dia diniho ny toe-javatra misy anao amin’izao fotoana izao. Afaka manisy fanovana eo amin’ny asa aman-draharaha ataonao isan’andro ve ianao mba hanompoana manontolo andro? Tsy ny rehetra no afaka manao izany. Kanefa, aorian’ny fandinihan-tena amim-bavaka, isan-taona dia an’arivony maro ireo izay mahita fomba ‘hanaovana azy io’. (Kol. 4:5; wMG 15/10/77 p. 617-618). Ohatra, ny fianakaviana sasany dia mifidy volana sasantsasany mba hanaovan’ny mpianakavy sasany na rehetra ny asan’ny mpisava lalana mpanampy. Ny fianakaviana hafa dia manohana ny iray aminy mba ho mpisava lalana maharitra. Moa ve ny fianakavianareo nanome fiheverana an’ireo fahafahana ireo? — Jereo ny Ohabolana 11:25.

6 Ny fanampiana ny hafa hahafantatra ny fahamarinana no mitondra fahafaham-po marina, na mpitory ianao na mpisava lalana. Fantatsika fa ny tena fifaliana dia azo avy amin’ny fanaovana soa ho an’ny hafa, indrindra fa “raha azon’ny tananao atao” izany.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara