Fandaharana Vaovao ho An’ny Fivoriamben’ny Fizaran-tany
1 Ho fankatoavana ireo tenin’i Jesosy ao amin’ny Matio 6:33 (NW), ny Kristiana marina dia nihazona foana ilay Fanjakana ho eo amin’ny toerana voalohany eo amin’ny fiainany. Noho izany, ny hoe “Aza Mitsahatra Mikatsaka Ilay Fanjakana Voalohany Indrindra” dia foto-kevitra mifanentana tsara ho an’ny fandaharan’ny fivoriamben’ny fizaran-tany izay hanomboka tsy ela aorian’ny Septambra 1993.
2 Raha vao eo am-piandohana, ilay fandaharana dia hanasongadina ny maha-tena misy ilay Fanjakana, ka hanantitrantitra fa izy io dia fitondram-panjakana iray miasa izay manana faritany anjakany, mpanapaka, olom-pehezina ary lalàna. Raha ny marina aza, ny maro amin’ireo lalàn’ireo fitondram-panjakan’olombelona izay andraisan’ny olona soa amin’izao andro izao, dia miorina amin’ireo lalàn’ny Baiboly.
3 Hodinihina amin’izany ny fiarovana sy ny fitahiana azontsika avy amin’ny fanomezana ho an’ilay Fanjakana ny toerana voalohany eo amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainantsika. Hisy torohevitra mahasoa hampiseho amintsika ny fomba azontsika analavirana ny fanahiana tsy ilaina. Hisy lahateny sy fampisehoana ary fiaraha-midinika hampiseho ny antony maha-zava-dehibe aoka izany ny fihazonana ny masontsika ho tsotra.
4 Ny asabotsy amin’io fivoriambe io, ireo mpilatsaka hatao batisa mahafeno fepetra dia ho afaka hanao fanambarana ampahibemaso ny fanolorany tena ho an’i Jehovah. Ary ny alahady, isika rehetra dia haniry hanatrika ny lahateny ampahibemaso, mitondra ny lohateny hoe “Izay Hataon’ny Fanjakan’Andriamanitra ho An’ny Taranak’olombelona”.
5 Aza hadinoina ny manao fandaharana mba hanatrika ireo andro roa amin’io fivoriamben’ny fizaran-tany io. Ny fandaharan’ilay fivoriambe, miaraka amin’ny fifaneraserana mahafinaritra amin’ireo rahalahy, dia hanome fampaherezana hamelombelona izay tsy ho tian’iza na iza amintsika havela handalo fotsiny.