Ianaro Ireo Boky Hiaina Mandrakizay sy Tafaray ao Amin’ny Fanompoam-pivavahana
1 Ireo taratasy mivalona, ireo bokikely sy ireo gazety ary ireo boky — dia azo ampiasaina avokoa mba hanombohana fampianarana Baiboly any an-tokantrano amin’ireo olona liana. Noho ny fielezany sy noho izy manintona aoka izany dia nampiasaina mba hanombohana fampianarana ny boky Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany. Tsy misy isalasalana fa tokony hampirisihina ny olona tsirairay mba hamaky sy hianatra azy io. Isika dia nanao izany, tamin’ny fanomanana sy tamin’ny fanatrehana tsy tapaka ny Fianarana ny Bokin’ny Kongregasiona.
2 Kanefa, misy boky roa manokana tokony hianarana miaraka amin’ireo vaovao mba hanampiana azy ireny hahatakatra ireo foto-pampianarana ao amin’ny Baiboly ary koa ireo fari-pitsipika kristiana momba ny fiainana. Ireto izany: Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa Eto An-tany sy Tafaray ao Amin’ny Fanompoam-pivavahana Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina. Toroana hevitra ireo mitarika fampianarana amin’ny zavatra vita an-tsoratra hafa mba hifindra amin’ny iray amin’ireo boky ireo tsy ho ela araka izay azo atao. Raha fianarana amin’ny boky Ilay Lehilahy Niavaka no notarihina, dia ampirisiho ilay mpianatra hanohy hamaky azy io manokana. Tokony hotohizina ny fampianarana Baiboly iray mandra-pahavitan’ireo boky Hiaina Mandrakizay sy Tafaray ao Amin’ny Fanompoam-pivavahana, na dia vita batisa aza ny olona iray alohan’ny hamitana ny boky faharoa. Izany fomba fanaovan-javatra izany dia hanome fahatakaran-javatra bebe kokoa sy tsy fihilangilanana ara-panahy ho an’ilay mpianatra ny Baiboly.