Valin’ny Fanontanianareo
◼ Inona no boky roa tokony hampianarantsika Baiboly?
Ny boky Ampianarina no fitaovana lehibe indrindra ampiasaintsika mba hanombohana sy hitarihana fampianarana Baiboly. Tsy voarara ny manomboka fampianarana amin’ny boky hafa na taratasy mivalona, nefa tokony hafindra amin’ny boky Ampianarina ny fianarana, raha vao afaka manao izany. Tokony hatao izany, raha mahay mamaky teny tsara ilay mpianatra, sady hita fa hahazo ny hevitra ao amin’ilay boky. Raha tsy izany, dia tsara kokoa raha ampianarina amin’ny bokikely Mifalia na Takina aloha izy. Mitondra vokatra tsara ny fanombohana fampianarana amin’ny boky Ampianarina.
Tokony hotohizina amin’ny boky Mivavaha ny fianarana, raha vao vita ny boky Ampianarina ary mandroso tsara ilay mpianatra. (Kol. 2:7) Hoy ny fanazavana eo amin’ny pejy 2 amin’ny boky Mivavaha: ‘Mampirisika an’izay rehetra tia an’Andriamanitra ny Baiboly mba “hamantatra tsara ny sakany sy lavany ary ny haavony sy halalin’io” fahamarinana sarobidy io. (Efesianina 3:18) Natao ho amin’izany ity boky ity. Antenainay fa hanampy anao izy ity mba hitombo ara-panahy, sy ho ampy fitaovana kokoa hanaraka ilay lalana tery mankany amin’ny fiainana ao amin’ny tontolo vaovao sy marin’Andriamanitra.’
Tokony hotohizina hatramin’ny farany ny fianarana an’ireo boky roa ireo, na dia mahafeno fepetra hatao batisa alohan’ny hahavitany izany aza ilay mpianatra. Na dia efa vita batisa aza izy, dia mbola hanisa ny ora ampianarany azy ilay mpampianatra, ary hanisa ny fiverenana mitsidika sy fampianarana Baiboly. Hanisa ora koa ny mpitory miaraka amin’ilay mpampianatra.