FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 3/94 p. 2
  • Ireo Fivoriana Momba ny Asa Amin’ny Martsa

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ireo Fivoriana Momba ny Asa Amin’ny Martsa
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1994
  • Lohatenikely
  • Herinandron’ny 7 Martsa
  • Herinandron’ny 14 Martsa
  • Herinandron’ny 21 Martsa
  • Herinandron’ny 28 Martsa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1994
km 3/94 p. 2

Ireo Fivoriana Momba ny Asa Amin’ny Martsa

Herinandron’ny 7 Martsa

Hira 200, Hira 225

15 min: Fampandrenesana eo an-toerana sy Fampandrenesana voafantina avy ato amin’ny Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana. Diniho fohy ilay lahatsoratra hoe “Manolora boky Manontany ny Tanora”, ary ampirisiho ireo mpitory mba hampiasa io boky io rehefa mety izany.

15 min: “Tano Mafy Tsy Misy Fihozongozonana ny Fanambarana Ampahibemaso ny Fanantenanao”. Fiaraha-midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny ataon’ny mpitarika ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana. Asaivo milaza ny heviny ireo izay naharesy ny tahotra amin’ny fanomezana valin-teny any am-pivoriana. Antitrantero ny ilana fanomanana mialoha. Ampirisiho ny kongregasiona mba hiomana handray anjara feno amin’ny fianaran’ny kongregasiona Ny Tilikambo Fiambenana isan-kerinandro.

15 min: “Ambarao Ilay Hafatra Mampientam-po ao Amin’ny Apokalypsy”. Fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika. Asaivo manao fampisehoana momba ireo fomba fampiseho ao amin’ny fehintsoratra faha-2 sy faha-4 ny mpitory niomana tsara. Aorian’ny fampisehoana tsirairay, dia asao ny mpanatrika hilaza ny heviny momba izay nianarany avy tamin’ilay fomba fampiseho. Ampirisiho ny rehetra handray anjara amin’ny fanolorana ny boky Fanambarana amin’itỳ volana itỳ.

Herinandron’ny 14 Martsa

Hira 205, Hira 150

10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Vaovao Teokratika. Tariho ny saina ho amin’ireo hevitra voafaritra tsara ao amin’ireo gazety farany izay azo ampiasaina eny amin’ny asa fitoriana amin’itỳ herinandro itỳ.

15 min: “Afaka Mampitombo ny Fideranao an’i Jehovah ve Ianao Mandritra ny Aprily?” Fiaraha-midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny. Asaivo milaza ny heviny ireo izay nanao ny asan’ny mpisava lalana mpanampy tamin’ny lasa. Asaivo hazavain’izy ireo ny fomba nandaminany ny raharahany mba hanararaotana io tombontsoa io. Ampirisiho izay rehetra mikasa hanao ny asan’ny mpisava lalana mpanampy amin’ny Aprily mba hamerina ny fangatahan’izy ireo haingana araka izay azo atao.

20 min: “Ataovy Izay Hahatsapan’izy Ireo fa Raisina Tsara Izy any Amin’ny Fahatsiarovana”. Fiaraha-midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny. Aorian’ny fandinihana ny fehintsoratra faha-3, dia misy fampisehoana fohy ataon’ny mpikarakara momba ny asa iray mandray tsara ny olona iray vaovao amin’ny Fahatsiarovana.

Herinandron’ny 21 Martsa

Hira 143, Hira 121

10 min: Fampandrenesana eo an-toerana, tafiditra amin’izany ny filazana momba ny toe-bola sy ny fankasitrahana noho ireo fanomezana natao. Diniho ilay faritra voafefy mitondra ny lohateny hoe “Hanina Amin’ny Fotoana Mety”. Ampirisiho ny rehetra hanasa ireo olona liana mba hanatrika ny lahateny manokana hatao ny 10 Aprily.

20 min: “Ampio Izy Ireo Hanao Zavatra Mifanaraka Amin’ilay Hafatra”. Fiaraha-midinika. Manomàna fampisehoana voaomana tsara momba ireo fomba fampiseho eo amin’ny fehintsoratra faha-2 sy faha-3.

15 min: Zavatra ilaina eo an-toerana, angamba mifandray amin’ny fandaharana momba ny Fahatsiarovana. Na “Evaolisiona”, boky Fanjohian-kevitra, pejy faha-96-104. Atao amin’ny endrika fiaraha-midiniky ny fianakaviana. Ilay tanora izay nasaina hanoratra famelabelarana momba ny fivoarana miandalana ho an’ny kilasiny dia manazava amin’ny ray aman-dreniny izay hevitra hampiasainy sy ny fomba hamelabelarany azy. Iarahan’izy ireo mandinika hoe nahoana no tokony handaitra ireo fanaporofoan-kevitra harosony ireo. Midera azy amim-pahatsorana ireo ray aman-dreniny.

Herinandron’ny 28 Martsa

Hira 112, Hira 15

15 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Diniho sy anaovy fampisehoana ireo fomba mifanentana hanaovana fanambarana ao amin’ny faritany eo an-toerana miaraka amin’ny zavatra hatolotra amin’ny Aprily. Mitantarà zava-nitranga mampiseho ny fomba nahazoan’ny mpitory sasany famandrihana.

15 min: Amin’ny fampiasana hevi-dehibe voafantina avy ao amin’ny pejy faha-18-32 amin’ny Annuaire 1993, dia hamelabelatra ny amin’ny fitaran’ny asan’ilay Fanjakana maneran-tany ny loholona iray ary hanantitrantitra ireo lafiny manorina amin’ny fanohanana avy amin’ny kongregasiona eo an-toerana. Asehoy hoe amin’ny ahoana i Jehovah no mitahy be dia be ny vahoakany, anisan’izany ireo izay voafetra ihany ny zavatra azony atao.

15 min: “Ilay Mpanome ny ‘Fanomezan-tsoa Rehetra’ ”. Lahateny ataon’ny loholona iray, miorina amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 Desambra 1993, pejy faha-28-31.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara