Famerenana An-tsoratra Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika
Famerenana tsy misy fijerena boky, miorina amin’ireo hevitra voadinika tamin’ireo anjara natao tamin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika nanomboka ny herinandron’ny 1 Septambra ka hatramin’ny herinandron’ny 22 Desambra 1997. Mampiasà taratasy hafa hanoratana ny valiny ho an’ny fanontaniana betsaka araka izay azonao atao ao anatin’ny fotoana omena hanaovana izany.
[Fanamarihana: Mandritra ny famerenana an-tsoratra, dia ny Baiboly ihany no azo ampiasaina mba hamaliana ireo fanontaniana rehetra. Natao ho an’ny fikarohanao manokana ny fanondroam-pejy eo aorian’ireo fanontaniana. Mety tsy hiseho miaraka amin’ny fanondroana rehetra momba Ny Tilikambo Fiambenana ny nomeraon’ny pejy sy ny fehintsoratra.]
Valio hoe Marina na Diso ireto fanambarana manaraka ireto:
1. Tsy ho nisy ny faharatsiana raha tsy nomen’Andriamanitra safidy malalaka ireo zavaboariny manan-tsaina. [rs p. 112 feh. 2]
2. Ao amin’ny Lioka 22:30, ny hoe “firenen’Isiraely roa ambin’ny folo” dia mitovy hevitra amin’ny ao amin’ny Matio 19:28, izay manitatra ny fampiharana azy ankoatra an’ireo mpisorona lefitr’i Jesosy nateraky ny fanahy, mba hahafaoka ny olombelona hafa rehetra. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 1/6/87 p. 27 feh. 10; p. 28 feh. 12.]
3. Ny antony nahatonga ireo mpianatr’i Jesosy ho gaga rehefa nahita azy niresaka tamin’ny vehivavy samaritana iray dia noho izy io ratsy fitondran-tena. (Jaona 4:27). [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 15/7/95 p. 15 feh. 1-2.]
4. Ny fitenenana hoe “hatramin’ny voalohany” ao amin’ny Jaona 6:64 dia mampiseho fa fantatr’i Jesosy hatramin’ny fotoana nifidianany an’i Jodasy ho apostoly fa izy no ilay hamadika Azy. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo ad-F p. 868 feh. 6, 7; p. 869 feh. 1.]
5. Ny fankafizana fiainam-pianakaviana kristiana dia fialana fotsiny amin’ny fahalotoam-pitondran-tena eo amin’ny lahy sy ny vavy ary fananana fanambadiana voasoratra ara-dalàna. [uw p. 139 feh. 1]
6. Ny Eksodosy 21:22, 23 dia manampy antsika hahatakatra fa mihevitra ny zazakely mbola tsy teraka ho aina sarobidy Andriamanitra. [kl p. 128 feh. 21]
7. Ny “andro firavoravoan’ny Jiosy” voalaza ao amin’ny Jaona 5:1 dia miresaka ny Paska tamin’ny 31 am.f.i. [si p. 194 feh. 8]
8. Raha manafintohina antsika ny mpiara-manompo iray, dia tsy hety ny hanilihana ilay nanafintohina antsika tsy ho eo amin’ny fiainantsika intsony, ka tsy hananana fifandraisana aminy mihitsy. [uw p. 134 feh. 7]
9. Isika rehetra dia mila torohevitra sy famaizana. [uw p. 130 feh. 12]
10. Na heverina ho manao ny rariny na tsia ireo manam-pahefana sivily, ny Kristiana marina dia tokony hampanoratra ara-dalàna ny fanambadiany eo anatrehan’izy ireny. [kl p. 122 feh. 11]
Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:
11. Mifanaraka amin’ny ohatr’ireo Kristiana tany Efesosy tamin’ny taonjato voalohany, dingana iray tena ilaina inona no tsy maintsy atao mba hanoherana ireo fanahy ratsy? (Asa. 19:19). [kl p. 114 feh. 14]
12. Ahoana no nanotan’ny anjely sasany tamin’ny andron’i Noa? [kl p. 109 feh. 4]
13. Nahoana i Jesosy no tsy nety nitsabaka tamin’ny fifandirana iray momba ny lova? (Lioka 12:13, 14). [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 1/4/97 p. 28.]
14. Inona no tsy fantatr’ireo mpianatra fony izy ireo nanontany an’i Jesosy raha hampody ny Fanjakana ho an’ny Isiraely izy, araka ny voarakitra ao amin’ny Asan’ny Apostoly 1:6? [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 15/7/90 p. 11 feh. 4.]
15. Milazà lafin-javatra roa izay mahatonga ny fanambadiana iray haharitra. [uw p. 140 feh. 4]
16. Nahoana ny vehivavy kristiana no misaron-doha amin’ny toe-javatra sasany? [rs p. 429 feh. 2]
17. Nahoana ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao no milaza hoe “ny Teny dia andriamanitra iray” fa tsy hoe “ny Teny dia Andriamanitra”, toy ny ataon’ny fandikan-teny hafa eo amin’ny Jaona 1:1? [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo rs p. 299 feh. 3.]
18. Araka ny bokin’ny Apokalypsy, aiza no hiafaran’ireo “mpanao ody ratsy [“mpanao spiritisma”, NW ]” raha tsy mibebaka sy miova lalana izy ireo? [kl p. 112 feh. 8]
19. Koa satria i Jesosy lehilahy lavorary sady niaiky ny naha-Mpampianatra azy, nahoana izy no tsy nanaiky ny hantsoina hoe “Mpampianatra tsara”? (Lioka 18:18, 19). [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 1/3/95 p. 15 feh. 7.]
20. Inona no naha-vaovao ny didy voalaza ao amin’ny Jaona 13:34? [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 1/5/90 p. 21 feh. 5-6.]
Omeo ny teny na ny fitambaran-teny ilaina mba hamenoana ny tsirairay amin’ireto fanambarana ireto:
21. Raha fantatsika fa manana alahelo amintsika ny rahalahintsika, dia mitaky _________________________ omban’ny _________________________ ny fanaovana ny dingana voalohany sy ny fiezahana hamerina _________________________. [uw p. 135 feh. 10]
22. Ireo “farantsa folo” dia mampiseho _________________________ izay azon’ny mpianatra voahosotry ny fanahy ampiasaina mba hanaovana _________________________ ny Fanjakana any an-danitra maro kokoa. (Lioka 19:13). [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 1/1/90 p. 8.]
23. Ny fiampangana telo namelezan’ny Jiosy an’i Jesosy teo anatrehan’i Pilato, governora romana tany Jodia, dia nahafaoka ny fampiodinana ny _________________________, sy ny fandrarana tsy handoa _________________________, ary ny filazany tena ho _________________________. (Lioka 23:2). [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 1/3/91 p. 9 feh. 1.]
24. Ny Kristiana marina dia tsy mankalaza ny Krismasy na izay fety hafa rehetra miorina amin’ny finoana ara-pivavahan-diso, satria izy ireo manolotra _________________________ amin’i Jehovah; tsy mitandrina fety izay manao olona mpanota na firenena ho _________________________ koa izy ireo. [kl p. 126 feh. 16]
25. Amin’ny maha-mpianatra ny Baiboly antsika, dia tokony hianatra hampiasa ireo indeksa isika mba hanaovana fikarohana, tsy tokony hanantena ny hahazo valiny hoe _________________________ na _________________________ ho an’ny fanontaniana tsirairay, ary tokony hanao _________________________ mampiseho ny fitiavantsika an’i _________________________ sy ireo mpianakavintsika. [uw p. 144 feh. 13]
Fanteno izay valin-teny marina ao amin’ny tsirairay amin’ireto fanambarana manaraka ireto:
26. Araka ny apostoly Petera, i Jehovah dia naneho (hatsaram-panahy; fitiavana; faharetana) mandraka ankehitriny, mba hahafahantsika hampiseho fa (mibebaka; mahatoky; mankatò) isika. (2 Pet. 3:9). [rs p. 113 feh. 3]
27. Ny marina manafaka ny olona dia ny marina momba ny (siansa; fivavahan-diso; Jesosy Kristy) satria amin’ny alalan’izy io ihany no anafahana antsika amin’ny (fampianaran-diso; fampielezan-kevitr’izao tontolo izao; ota mitarika ho amin’ny fahafatesana). (Jaona 8:12-36). [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 1/8/88 p. 9 feh. 5.]
28. Ny fananantsika fiainana araka an’Andriamanitra dia manome antoka fa (hoentin’ny hafa amin’ny fomba tsara foana isika; hanana fahatondrahana ara-nofo isika dieny izao; hahazo ny tsikim-pankasitrahan’Andriamanitra isika, satria manao izay tsara). [kl p. 118 feh. 2]
29. Fony i Jesosy nanontany ny apostoly Petera hoe: “Moa ny fitiavanao Ahy mihoatra noho ny fitiavan’ireto?”, dia nanontany an’i Petera Izy raha toa izy ka tia Azy mihoatra noho (ny fitiavany ireo mpianatra hafa ireo; ny fitiavan’ireto mpianatra hafa ireto an’i Jesosy; ny fitiavany ireto zavatra ireto, toy ny trondro). (Jaona 21:15). [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 1/2/89 p. 31 feh. 9.]
30. Tao amin’ny fanoharana ny amin’ny (“tena voaloboka”; “Mpiandry Tsara”; ‘ondry sy osy’) no nampahafantarin’i Jesosy ilay firaisan-tsaina mahatalanjona, tsy eo amin’ny mpanara-dia azy marina sy ny tenany ihany, fa amin’ny Ray koa. (Jaona 15:1). [si p. 198 feh. 32]
Ampifanandrifio amin’ireo fanambarana voatanisa eto ambany ireto andinin-teny manaraka ireto:
Eks. 31:12, 13; Ohab. 3:9, 10; Matio 5:14-16; Lioka 9:60, 62; 13:4, 5
31. Nanohitra ny fanjohian-kevitra ahitana taratry ny finoana ny anjara i Jesosy, nanisy firesahana ny amin’ny loza iray izay fantatr’ireo mpihaino azy tsara ary niharihary fa notondroiny ho avy amin’ny fotoana sy ny sampona. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 1/9/96 p. 5 feh. 5.]
32. Tsy natao hamatotra ny olombelona rehetra velively ny Lalàn’i Mosesy. [uw p. 147 feh. 5]
33. Ilaina ny fifikirana tsy mizarazara mba hidirana ao amin’ilay Fanjakana. [si p. 192 feh. 32]
34. Hitahy antsika i Jehovah noho isika mampiasa ny fotoanantsika sy ny tanjatsika ary ny fananantsika hafa, anisan’izany ny volantsika, mba hampandrosoana ny fanompoam-pivavahana marina. [kl p. 121 feh. 8]
35. Ireo izay Kristiana dia tsy maintsy ho vavolombelona marisika eo anatrehan’izao tontolo izao momba ny anaran’Andriamanitra sy ny fikasany. [rs p. 287 feh. 3]