FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 3/01 p. 7
  • Fampandrenesana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fampandrenesana
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2001
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2001
km 3/01 p. 7

Fampandrenesana

◼ Zavatra atolotra amin’ny Martsa: Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay. Hanao ezaka manokana isika mba hanombohana fampianarana Baiboly. Aprily sy May: Gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! Manolora boky Fahalalana na bokikely Takina, ho fikendrena ny hanomboka fampianarana Baiboly. Jona: Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika?, na Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay. Mifantoha amin’ny fanombohana fampianarana Baiboly.

◼ Ny mpitory maniry ho mpisava lalana mpanampy amin’ny Aprily dia tokony hanao ny fandaharany dieny izao, ary hanome ny fangatahany aloha be. Izany dia hanampy an’ireo anti-panahy,a eo amin’ny fandaminany ny fanompoana eny amin’ny saha, sy ny fanafarany gazety sy zavatra vita an-tsoratra hafa ampy. Tokony holazaina amin’ny kongregasiona ny anaran’izay rehetra nekena ho mpisava lalana mpanampy.

◼ Hatao ny alahady 8 Aprily 2001 aorian’ny filentehan’ny masoandro ny Fahatsiarovana. Tsy hisy fivoriana hafa ankoatra ireo fivoriana ho amin’ny fanompoana eny amin’ny saha, hatao amin’io andro io. Afaka manao fandaharana mety tsara mba hitarihana ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana amin’ny fotoana hafa ireo anti-panahy.

◼ Hatao ny alahady 1 Aprily ny lahateny manokana amin’ny vanim-potoan’ny Fahatsiarovana taona 2001. Ny foto-kevitr’ilay lahateny dia hoe “Iza no Mety ho Voavonjy?” Hisy planina homena. Hanao ilay lahateny manokana amin’ny herinandron’ny 9 Aprily, ireo kongregasiona tsidihin’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany na fivoriamben’ny fizaran-tany na fivoriambe manokana, amin’io faran’ny herinandro io. Tsy tokony hisy kongregasiona hanao ilay lahateny manokana alohan’ny 1 Aprily 2001.

◼ Ny Fikambanana dia tsy mikarakara ny fanafarana zavatra vita an-tsoratra alefan’ny mpitory isam-batan’olona. Tokony hampanao fampandrenesana isam-bolana ny mpiandraikitra mpitantan-draharaha, alohan’ny handefasan’ny kongregasiona ny fanafarany zavatra vita an-tsoratra isam-bolana atỳ amin’ny Fikambanana. Amin’izay, izay rehetra maniry hanafatra zavatra vita an-tsoratra ho an’ny tenany dia hampahafantatra izany amin’ilay rahalahy mpikarakara ny boky. Tadidio hoe zavatra vita an-tsoratra inona avy no anisan’ireo zavatra hafarana manokana.

◼ Zavatra vita an-tsoratra misy ao amin’ny tahiry indray:

Les Témoins de Jéhovah — Qui sont-ils? — Frantsay

Voalamina mba Hanatanteraka ny Fanompoantsika (Fanontana Nohavaozina) — Malagasy

◼ CD vaovao misy:

Mélodies du Royaume No. 9 — Anglisy

[Fanamarihana ambany pejy]

a Anti-panahy no anarana vaovao iantsoana ny loholona.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara