Aprily — Fotoana ‘Ikelezantsika Aina sy Iezahana’
1 Fotoana fisaintsainana ireo herinandro manodidina ny Fahatsiarovana, ho an’ny vahoakan’i Jehovah. Izany dia fotoana ieritreretana izay vokatry ny fahafatesan’i Kristy sy andinihana ny fanantenana nomen’Andriamanitra antsika, ho tanteraka noho ny ra nalatsak’i Jesosy. Inona no tonga ao an-tsainao rehefa mieritreritra indray ny 19 Aprily tamin’ny herintaona ianao? Tadidinao ve ireo olona hitanao tamin’io takariva io? Ny rivo-piainana ara-panahy tena tsara nandritra ny Fahatsiarovana? Ny lahateny ara-baiboly sy ireo vavaka avy amin’ny fo? Mety ho tapa-kevitra ny haneho bebe kokoa ny halalin’ny fankasitrahanao ny fitiavana nasehon’i Jehovah sy i Jesosy taminao ianao. Inona no vokatr’izany fisaintsainana izany aminao izao?
2 Mazava fa tsy an-tendro-molotra fotsiny ny fankasitrahan’ny vahoakan’i Jehovah. (Kol. 3:15, 17). Tamin’ny Aprily lasa teo indrindra, dia niezaka mafy isika mba haneho fankasitrahana ny fandaharam-pamonjen’i Jehovah, ka tsy nitsitsy aina tamin’ny fanompoana kristianina. Nisy 1 497 ny mpisava lalana mpanampy tamin’io volana io. Noho ny ezak’izy ireo sy ny mpitory ilay Fanjakana hafa, dia fampianarana Baiboly 26 273 no notarihina, ary nisy tampon’isa vaovao tamin’ny mpanatrika Fahatsiarovana!
3 Manosika antsika hanao zavatra tokoa ny fanantenantsika azo antoka. Izany dia araka ny nosoratan’ny apostoly Paoly, manao hoe: “Izany no ikelezanay aina sy iezahanay, satria izahay manantena an’Andriamanitra velona, Izay Mpamonjy ny olona rehetra, indrindra fa izay mino.” — 1 Tim. 4:10.
4 Amin’ity fotoan’ny Fahatsiarovana ity, ahoana no hanehoanao finoana ny fandaharan’i Jehovah hanomezana fiainana? Nisy 11 186 ny tampon’isan’ny mpitory teto amintsika tamin’ny Aprily lasa teo. Afaka mihoatra an’io isa io ve isika amin’ity Aprily ity? Vitantsika tsara izany. Mila mandray anjara anefa ny mpitory rehetra, na vita batisa izy na tsia. Mety hahafeno fepetra handray anjara koa ny vaovao maro. Noho izany, rehefa manao fandaharana mba hikely aina sy hiezaka ianao amin’ity Aprily ity, dia diniho ireo fomba azonao anentanana ny hafa hiaraka aminao, anisan’izany ireo vaovao sy tsy za-draharaha loatra.
5 Ampio hiverina hitory ireo tsy mitory intsony: Raha misy mpitory fantatrao fa tsy nanompo teny amin’ny saha nandritra ny iray na roa volana, dia mety ho azonao ampaherezina izy, ary asaina hiaraka aminao amin’ny fanompoana. Raha nanjary tsy nitory intsony ny sasany tao amin’ny kongregasiona, dia hanao ezaka manokana ny anti-panahy mba hitsidika azy ireny sy hampirisika azy ireny hitory indray amin’ny Aprily.
6 Tsy maintsy mangataka hatrany ny fanahin’i Jehovah isika rehetra mba hanatanjaka antsika eo amin’ny fanompoana azy. (Lioka 11:13). Inona no tsy maintsy ataontsika mba hahazoana io fanahy io? Vakio ny Teny ara-tsindrimandrin’Andriamanitra. (2 Tim. 3:16, 17). Tsy maintsy ‘mihaino izay lazain’ny fanahy amin’ny fiangonana’ koa isika, amin’ny fanatrehana ireo fivoriana dimy isan-kerinandro. (Apok. 3:6). Izao no fotoana mety anampiana ireo mpitory tapatapaka sy tsy mitory intsony mba hanatsara ny fahazarany mianatra sy hanana fahazarana mivory tsy tapaka. (Sal. 50:23). Sady manao izany isika no mijery akaiky ny fahasalamantsika ara-panahy koa. Misy zavatra hafa takina koa anefa.
7 Nanazava ny apostoly Petera fa “nomen’Andriamanitra ny manaiky Azy” ny fanahy masina. (Asa. 5:32). Anisan’ny fanekena azy ny fanarahana ilay didy “hitory amin’ny olona sy hanao fanambarana feno”. (Asa. 1:8; 10:42, NW ). Marina aloha fa mila ny fanahin’Andriamanitra isika mba hanatanjaka antsika amin’ny fitoriana; kanefa rehefa manomboka maneho ny faniriantsika hampifaly an’i Jehovah isika, dia vao mainka izy hanampy antsika bebe kokoa. Enga anie isika tsy hanao tsinontsinona na oviana na oviana ny halehiben’ny fanaovana ireo dingana voalohany eo amin’ny fankatoavana an-tsitrapo ireo!
8 Ampio ny tanora: Ry ray aman-dreny, hitanareo ve fa maniry hiresaka amin’ny hafa momba ny fahamarinana ny zanakareo? Niara-nanompo taminareo ve izy? Fakan-tahaka ve ny fitondran-tenany? Raha izany no izy, inona no mampisalasala? Miresaha amin’ny iray amin’ireo anisan’ny Komitin’ny Fanompoan’ny Kongregasiona, ka fantaro raha mahafeno fepetra ho mpitory ny zanakareo amin’ity Aprily ity. (Jereo ny boky Ny Fanompoantsika, pejy faha-100.) Ekeo fa afaka mandray anjara amin’ny hiakam-piderana mafy ho an’i Jehovah ny zanakareo amin’ity fotoan’ny Fahatsiarovana ity. — Matio 21:15, 16.
9 Nampirisika foana ny zanany vavikely hiresaka amin’ny hafa momba an’i Jehovah ny reny kristianina iray any Géorgie, Etazonia. Niara-nanompo tamin-dreniny ilay zazavavy kely, tamin’ny herintaona, ka nahapetraka bokikely Takina tamin’ny lehilahy iray sy nanazava fohifohy ny loha hevitra tao anatiny. Nanontanian’ilay lehilahy izy hoe: “Firy taona indrỳ?” “Fito”, hoy izy. Gaga ilay lehilahy nahita azy nanao fanazavana mirindra toy izany. Hita avy eo fa nianatra ny fahamarinana ilay lehilahy tamin’ny fahakeliny, saingy tsy tena nanaraka azy io mihitsy. Tsy ela dia nampianarina Baiboly ilay lehilahy sy ny vady aman-janany.
10 Maro ny tanora efa mpitory, ary mahafinaritra antsika ny miara-manompo amin’izy ireny. Afaka mandrisika sy mampahery ny tanora toa azy izy ireny. Fotoana mety koa anefa ny Aprily mba hanamafisan’ny fianakaviana tsirairay ny fifamatorany sy hanatanjahana ny fahasalamany ara-panahy, amin’ny fiaraha-miasa amin’ny fanompoana masina. Tokony hitari-dalana amin’izany ny loham-pianakaviana. — Ohab. 24:27.
11 Ampio ny vaovao: Ary ahoana ireo vaovao miara-mianatra Baiboly aminao? Afaka mandray anjara amin’ny ezaka manokana amin’ity Aprily ity ve izy ireo? Mety ho naneho ny faniriany hiresaka amin’ny hafa ny zavatra nianarany izy, rehefa nianatra ny boky Fahalalana, toko faha-2, fehintsoratra faha-22, na ny toko faha-11, fehintsoratra faha-14. Raha efa akaiky ho tapitra ilay boky, dia miomàna hiresaka mazava ilay raharaha, rehefa mianatra ny toko faha-18, fehintsoratra faha-8 ianareo. Hoy izy io hoe: “Azo inoana fa dodona ny hilaza amin’ireo havanao sy namanao ary ny hafa koa momba izay ianaranao ianao. Raha ny marina aza, dia mety ho efa nanao izany ianao, tsy misy hafa amin’ny nizaran’i Jesosy ny vaovao tsara tamin’ny hafa, teo amin’ny faritra fahita andavanandro. (Lioka 10:38, 39; Jaona 4:6-15). Izao ianao dia mety haniry hanao bebe kokoa.” Toy izany ve ireo miara-mianatra ny Baiboly aminao?
12 Mino ny Tenin’Andriamanitra ve ilay mpianatrao? Nampihatra ireo foto-pitsipika ara-baiboly ve izy? Nampifanaraka ny fiainany tamin’ireo fari-pitsipik’Andriamanitra ve izy? Manatrika ireo fivorian’ny kongregasiona ve izy? Maniry hanompo an’i Jehovah Andriamanitra ve izy? Raha izany, maninona raha ampirisihina hiresaka amin’ireo anti-panahy izy, mba hahitan’izy ireo raha mahafeno fepetra ho mpitory tsy vita batisa izy, na tsia ka hiara-miasa aminao amin’ny Aprily? (Jereo ny boky Ny Fanompoantsika, pejy faha-97-99.) Amin’izay, dia izy mihitsy no hahita fa manohana azy eo amin’ny fiezahany hanompo an’i Jehovah ny fandaminan’i Jehovah.
13 Marina fa haingana kokoa ny fandroson’ny mpianatra sasany. Noho izany, araka ny toromarika ao amin’Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Jona 2000, pejy faha-4, fehintsoratra faha-5-6, dia maro no nianatra boky faharoa tamin’ireo naneho fahalianana tamin’ny voalohany, nefa nila fanampiana bebe kokoa mba havitrika kokoa hiaraka amintsika. Manantena foana isika fa ho tonga tena mpianatr’i Kristy ireny olona tso-po ireny, “na ho ela, na ho haingana”. (Asa. 26:29, NW ). Na dia azo heverina “ho ela” aza anefa ny fotoana niarahanao nianatra tamin’ireny olona ireny, moa ve ity fotoan’ny Fahatsiarovana ity tsy fahafahana tsara ho an’ny mpianatrao mba hanombohany hampiseho ny halalin’ny fankasitrahany ny avotr’i Kristy?
14 Ahoana no anampiana azy hitory? Rehefa mandinika ny fomba fampiofanan’i Jesosy ny hafa isika, dia mahita fomba maro anampiana ireo mahafeno fepetra hanomboka hanao asa fanompoana. Tsy nasainy nitory tamin’ny olona hitany fotsiny akory ny apostoliny. Nanantitrantitra aloha izy fa ilaina ny asa fitoriana, nampirisika ny hivavahana izy, ary avy eo dia nanome azy ireo fanampiana fototra telo: namana, faritany ary hafatra hotorina. (Matio 9:35-38; 10:5-7; Marka 6:7; Lioka 9:2, 6). Afaka manao toy izany koa ianao. Na zanakao, na mpianatra vaovao iray, na olona iray tsy nitory elaela no ampianao, dia ho tsara ny hiezahana manokana hanatratra ireto zava-kendrena ireto.
15 Asongadino ny zavatra ilaina: Alenteho ao an-tsain’ilay olona fa zava-dehibe ny asa fitoriana. Resaho amin’ny fomba mahafinaritra izany. Milazà fitantarana mampiseho ny zava-bitan’ny kongregasiona teo amin’ny fanompoana. Manehoa ny toe-tsaina nasehon’i Jesosy ao amin’ny Matio 9:36-38. Ampirisiho ilay olona mety ho tonga mpitory na ilay tsy nitory intsony mba hivavaka momba ny fandraisany anjara amin’ny fanompoana, sy mba hahombiazan’ilay asa maneran-tany.
16 Asao ilay olona hieritreritra ireo fahafahana maro hitoriana: Ampahafantaro azy fa afaka miaraka amin’ireo iray Fianarana ny Boky aminy izy mba hitory isan-trano. Lazao aminy fa afaka miresaka amin’ny havany sy ny olom-pantany izy, na amin’ireo mpiara-miasa sy mpiara-mianatra, mandritra ny fiatoana amin’ny sakafo. Rehefa mandeha amin’ny fitateram-bahoaka, dia azo atao ny manombo-dresaka, amin’ny fanehoana fiheverana manokana fotsiny ny mpiara-mandeha. Raha manao ny dingana voalohany isika, dia matetika izany no manokatra fahafahana hanao fanambarana tsara. Misy fahafahana maro tokoa hizarana ny fanantenantsika amin’ny hafa “isan-andro isan-andro”. — Sal. 96:2, 3.
17 Toa hety kokoa anefa raha manomboka, haingana araka izay azo atao, miara-miasa isan-trano ianao sy ilay mpitory vaovao. Raha nikendry ny hampitombo ny fanompoanao ianao mandritra ny Aprily, dia anontanio ny mpikarakara ny faritany raha misy faritany mety aminao azo iasana. Raha misy izany, dia afaka hamita azy io tanteraka ianao. Ohatra, rehefa avy manompo ianao na handeha hivory na ho any an-toeran-kafa, dia mety ho voamarikao fa misy olona ao amin’ny trano tsy nahitana olona teo aloha, na nisy olona liana. Raha mety, dia miresaha vetivety amin’ilay olona, amin’ny fotoana mampety azy indrindra. Izany indray kosa dia hahatonga anao ho afa-po sy ho faly amin’ny fanompoana.
18 Manomàna hafatra mahaliana: Tsy ampy ny maniry fotsiny hitory momba ilay Fanjakana, fa ilainy koa ny hatoky tena amin’ny fomba firesahany izany, indrindra raha vaovao ilay olona na efa ela tsy nivoaka nanompo. Tsy very maina ny fotoana anampiana ireo vaovao sy tsy nitory intsony mba hanomana. Na dia mety hanome hevitra mahasoa aza ny Fivoriana Momba ny Fanompoana sy ny fivoriana alohan’ny fanompoana, dia tsy misy mahasolo ny fanomanana manokana.
19 Ahoana no azonao anampiana ny vaovao mba hanomana ny fanompoany? Fomba fampiseho gazety anombohana azy, ka ataovy tsotra sy fohy! Asao izy hieritreritra momba ny vaovao mety hahaliana ny olona eo amin’ny faritany, ary avy eo dia mitadiava hevitra iray mifandray amin’izany ao amin’ny iray amin’ireo gazety farany. Miaraha manao fanazarana momba ilay fomba fampiseho, ka ampiasao haingana araka izay azo atao eny amin’ny fanompoana.
20 Ampio ireo izay mety hanatevin-daharana antsika amin’ny hoavy: Nihoatra ny 14,8 tapitrisa ny mpanatrika Fahatsiarovana tamin’ny herintaona. Maherin’ny enina tapitrisa monja anefa ny isan’ny mpitory nanao tatitra. Midika izany fa misy olona liana valo hetsy sy valo tapitrisa eo ho eo nanatrika an’io fandaharana manokana io sy nihaino fanazavana momba ny fampianarana lehibe avy ao amin’ny Baiboly. Nanjary nahafantatra ny sasany tamintsika izy ireny, ka azo inoana fa nisy vokany tsara teo aminy izany. Maro aminy no midera antsika, sy manohana ara-bola ny asantsika maneran-tany, ary miaro antsika eo anatrehan’ny hafa. Ireny olona ireny no azo inoana fa hahatonga ny fitomboana amin’ny hoavy. Inona no azontsika atao hanampiana azy ireny handroso bebe kokoa?
21 Manatrika ny Fahatsiarovana ny ankamaroan’ireo vaovao, noho ny fanasana manokana avy amintsika. Matetika dia midika izany fa misy olom-pantany iray, fara fahakeliny, manatrika ao. Raha misy olona nasaintsika tonga ao, dia andraikitsika ny manao izay hahatsiarovany ho noraisina tsara sy manampy azy handray soa feno amin’ilay fandaharana. Ampio izy hahita toerana, satria ho feno ilay efitrano. Ampindramo Baiboly izy, ary asao hiara-mijery ny fihirana aminao. Valio izay mety ho fanontaniany rehetra. Mety ho antony lehibe hampitombo ny fahalianany ny fiahianao azy tsara. Mazava ho azy fa andraikitsika rehetra izany. Raha misy olona vaovao hitantsika, dia arahabao tonga soa izy, ary miresaha vetivety aminy mba hahafantarana azy.
22 Mety tena hisy heriny eo amin’ny fisainan’ny olona iray ny fanatrehana ny Fahatsiarovana. Ny fanatrehany azy io dia mety hilaza fa tsy nahita izay notadiaviny tany an-toeran-kafa izy, ary manolotra azy zavatra ilaina hodinihina akaiky kokoa isika. Mety ho zava-baovao tanteraka amin’ny olona iray tsy mahafantatra mihitsy ny fitiavana lehibe nasehon’i Jehovah ny fanazavana ny fandaharana mahatalanjona momba ny avotra. Mety ho hitany avy hatrany fa miavaka isika, izany hoe tsotra, sariaka, be fitiavana ary manaja. Tsy misy itovizana amin’izay nety ho hitany tany amin’ireo fiangonana misy sary sy fombafomba tsy misy heviny ny ao amin’ny efitranontsika. Azo antoka fa ho voamariky ny vaovao hoe misy olona avy amin’ny fari-piainana rehetra manatrika ao, ary tsy misy fanantazan-drakitra. Izany zavatra hitany izany dia mety ho tena hampirisika azy hiverina indray.
23 Aorian’ny Fahatsiarovana, dia tokony ho mailaka ny mpitory mba hanohy ny fanampiana ny vaovao rehetra nanatrika. Manana andraikitra manokana ianao raha nanasa olona vaovao. Alohan’ny handehanany, dia ataovy azo antoka fa fantany ny fivoriana hafa ao amin’ny Efitrano Fanjakana. Lazao ny lohatenin’ny lahateny manaraka. Ampahafantaro azy ny toerana sy ny oran’ny Fianarana ny Bokin’ny Kongregasiona akaiky azy indrindra. Omeo boky Fahasambaram-pianakaviana izy any aoriana, ary ampahafantaro azy fa ny fianarana amin’ny herinandron’ny 30 Aprily, dia hoe “Afaka Mahomby Ireo Fianakaviana Tsy Misy Afa-tsy ny Ray na ny Reny!” Hazavao hoe nahoana ny kongregasiona manontolo no manao fandaharana mba hanatrehana ny fivoriamben’ny distrika hatao tsy ho ela eny akaiky eny.
24 Tsiditsidiho any an-tranony izy. Ataovy azo antoka fa manana bokikely Takina sy boky Fahalalana izy. Hampahafantatra azy ny fampianarana fototra ao amin’ny Baiboly ireo boky ireo. Tolory fampianarana Baiboly izy, raha mbola tsy mianatra. Asaivo vakiny ny bokikely Vavolombelon’i Jehovah, izay mampiseho mazava ny fomba fiasan’ny fandaminantsika. Asao izy hijery ny vidéo-ntsika, raha mety; anisan’izany Ny Vavolombelon’i Jehovah — Ilay Fandaminana ao Ambadik’ilay Anarana. Ataovy izay hihaonany amin’ny olon-kafa ao amin’ny kongregasiona. Mifandraisa tsy tapaka amin’ireo vaovao, mandritra ireo volana manaraka; asao hanatrika fivoriana izy rehefa mitsidika ny mpiandraikitra ny fizaran-tany, na rehefa misy fivoriamben’ny fizaran-tany na fivoriambe manokana iray andro. Omeo azy ny fahafahana rehetra mba hampisehoany fa ‘mirona araka ny mety ho amin’ny fiainana mandrakizay’ ny tenany! — Asa. 13:48, NW.
25 Inona no azon’ny anti-panahy atao? Hiankina be dia be amin’ny anti-panahy ny fahombiazan’ny fampitomboana ny ezaka eo amin’ny fanompoana amin’ity Aprily ity. Raha mpitarika ny fianarana ny boky ianao, dia ataovy lisitra ireo zavatra azonao atao anampiana ny tsirairay ao amin’ny fianarana ny bokinao mba handray anjara amin’io asa manokana io. Misy tanora, vaovao, mpitory tapatapaka, na tsy mitory intsony ve ao amin’ny fianarana ny bokinao? Jereo raha misy zavatra nataon’ny ray aman-dreny, mpisava lalana, na mpitory hafa mba hanampiana azy ireny. Manomeza fanampiana manokana araka izay azonao atao. Nandany maherin’ny 50 ora tamin’ny fanompoana ny anabavy iray tsy nitory nandritra ny roa taona, tamin’ny Aprily lasa teo. Inona no nanampy azy? Ny fitsidihana nampahery nataon’ireo anti-panahy, hoy izy.
26 Tokony hiara-miasa ny anti-panahy sy ny mpanampy amin’ny fanompoana mba hahazoana antoka fa ampy ny faritany sy ny gazety ary ny boky hampiasaina amin’ny volana manaraka. Azo atao ve ny mandamina fivoriana alohan’ny fanompoana ankoatra ny mahazatra? Raha izany, dia ampahafantaro momba izany ny hafa. Ambonin’ny zava-drehetra, dia angataho ao amin’ny vavaka ampahibemaso sy manokana ataonao, ny hitahian’i Jehovah ny volana hampitomboana ny asan’ilay Fanjakana. — Rom. 15:30, 31; 2 Tes. 3:1.
27 Tamin’ny Aprily lasa teo, dia tena nampirisika ny hampitomboana ny asa fanompoana tokoa ny anti-panahy tao amin’ny kongregasiona iray tany Caroline Avaratra, Etazonia. Tamin’ny fivoriana isan-kerinandro, dia nasain’izy ireo nandinika tamim-bavaka ny mpitory raha ho afaka hirotsaka ho mpisava lalana mpanampy. Rehefa nisy fahafahana, ny mpiandraikitra rehetra dia niresaka tamin-kafanam-po momba ny hanaovana ny Aprily ho ny volana tsara indrindra hatramin’izay. Ho vokany, dia 58 isan-jaton’ny mpitory no nirotsaka ho mpisava lalana mpanampy tamin’io volana io, ary anisan’izany ireo anti-panahy sy mpanampy amin’ny fanompoana rehetra tao amin’ny kongregasiona!
28 Fifaliana ateraky ny fandraisana anjara feno: Inona avy no fitahiana azo noho ny ‘fikelezantsika aina sy fiezahana’ amin’ny fanompoana? (1 Tim. 4:10). Nanoratra toy izao ireo anti-panahy voalaza tetsy ambony, momba ny fanompoana tamin-jotom-po nataon’ny kongregasiona tamin’ny Aprily lasa teo: “Matetika ireo rahalahy sy anabavy no niresaka fa nitombo ny fitiavana sy ny fifamatoran’izy ireo, hatramin’izay niaraha-niasa bebe kokoa tamin’ny fanompoana teny amin’ny saha izay.”
29 Efa ela ny rahalahy tanora iray malemy tongotra no niandrandra ny handray anjara tamin’ny asa manokana tamin’ny Aprily lasa teo. Rehefa nandamin-javatra tsara izy, ary nampian’ny reniny sy ny rahalahiny sy anabaviny ara-panahy, dia nankafy volana nahitam-bokatra tamin’ny asan’ny mpisava lalana mpanampy. Inona no tsapany momba ny zavatra niainany? Hoy izy: “Sambany teo amin’ny fiainako aho vao nahatsapa ho sahala amin’ny lehilahy natanjaka.”
30 Tsy isalasalana fa mitahy be dia be an’ireo mihevitra ho sarobidy ny tombontsoany hiresaka momba ny fanjakany i Jehovah. (Sal. 145:11, 12). Rehefa mahatsiaro ny fahafatesan’ny Tompo isika, dia takatsika fa ho betsaka kokoa ny fitahiana azo vokatry ny fifikirana amin’Andriamanitra, amin’ny hoavy. Niandrandra fatratra ny fiainana mandrakizay ho valisoa ny apostoly Paoly. Fantany anefa fa tsy hoe andrasana eo fotsiny izany dia ho tonga. Izao no nosoratany: “Ary ny hahatanteraka izany no ikelezako aina koa sy iezahako fatratra araka ny fiàsan’ny herin’Ilay miasa mahery ato anatiko.” (Kol. 1:29). Nomen’i Jehovah tanjaka tamin’ny alalan’i Jesosy i Paoly mba hanatontosa fanompoana mamonjy aina, ary afaka manao toy izany ho antsika amin’izao andro izao koa Izy. Ho toy izany ve no ho hitanao amin’ity Aprily ity?
[Teny notsongaina, pejy 3]
Iza no Azonao Ampirisihina Hitory Amin’ny Aprily?
Ny zanakao ve?
Sa ny mpianatra ny Baiboly iray?
Sa ireo nanjary tsy nitory intsony?