‘Torio ny Tenin’Andriamanitra’
1 Rehefa mahazo zavatra tsara ianao, tsy asehonao amin’ny fihetsikao sy ny ataonao ve fa tena mankasitraka azy io ianao? Izany mihitsy! Mariho ny fihetsiky ny apostoly Paoly noho ny hatsaram-po sy ny hatsaram-panahy miharo fitiavana nasehon’i Jehovah tamin’ny olombelona. Hoy izy: “Isaorana anie Andriamanitra noho ny fanomezany tsy hay visavisaina”! Mahafaoka inona izany “fanomezana” izany? “Ny haben’ny fahasoavan’Andriamanitra” rehetra nasehony antsika, ka ny lehibe indrindra tamin’izany dia ny nanomezany ny Zanany ho avotra noho ny fahotantsika.—2 Kôr. 9:14, 15, Dikanteny Iombonana Eto Madagasikara; Jaona 3:16.
2 Tamin’ny teny fotsiny ve i Paoly no naneho ny fankasitrahany? Tsy izany velively! Nasehony tamin’ny fomba maro fa lalina ny fankasitrahany. Tena niahy ny amin’ny fahasalamana ara-panahin’ny Kristianina namany izy ary naniry hanao izay vitany, mba hanampiana azy ireo handray soa faran’izay betsaka avy amin’ny fitiavana sy ny hatsaram-panahin’Andriamanitra. Hoy i Paoly momba azy ireo: “Toy izany no nahazoto anay, noho ny fitiavanay anareo indrindra, hanome anareo, tsy ny filazantsaran’Andriamanitra ihany, fa ny ainay koa aza, satria efa malalanay hianareo.” (1 Tes. 2:8) Nanampy ireo efa anisan’ny fiangonana i Paoly mba ho azo antoka ny famonjena azy ireo. Tsy nitsahatra nitory ny vaovao tsara koa izy, ka nanao dia an-tanety sy an-dranomasina an’arivo kilaometatra, mba hahitana ireo manana fihetsika mety ho amin’ny fiainana mandrakizay. Tena lalina ny fankasitrahan’i Paoly, noho izay rehetra nataon’i Jehovah taminy, ka voatosika ‘hitory ny tenin’Andriamanitra an-tsakany sy an-davany’ izy.—Kol. 1:25, Fandikan-teny Katolika.
3 Tsy manosika antsika hanome fanampiana ara-panahy ho an’ireo mila izany, eo anivon’ny fiangonantsika ve ny fankasitrahantsika izay rehetra nataon’i Jehovah ho antsika? (Gal. 6:10) Ary tsy voatosika handray anjara betsaka araka izay azo atao amin’ny fitoriana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana manerana ny faritanintsika ve isika?—Matio 24:14.
4 Fahafahana haneho fankasitrahana: Ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy atao isan-taona dia fotoana manokana hanehoantsika fankasitrahana izay nataon’i Jehovah sy Jesosy ho antsika. Tsy hoe fivoriana hafa na fahatsiarovana fisehoan-javatra fotsiny izy io. Hoy i Jesosy: “Izao no ataovinareo ho fahatsiarovana Ahy.” (Lioka 22:19) Fotoana hisaintsainana momba ireo toetran’i Jesosy ny Fahatsiarovana ny nahafatesany. Io no fotoana hanekena fa velona sy miasa izy ankehitriny ary nomem-boninahitra sy fanjakana, noho izy tsy nivadika sy nanao sorona ny tenany. Io fankalazana io koa dia fotoana ampisehoantsika fa manaiky ny fitarihan’i Kristy ny raharaha sy asan’ny fiangonana kristianina isika. (Kol. 1:17-20) Tokony hanatrika amim-panajana ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy ny vahoakan’Andriamanitra rehetra. Hatao ny alakamisy 28 Martsa 2002, aorian’ny filentehan’ny masoandro izy io amin’ity taona ity.
5 Noho ny ezaka mafy nataontsika talohan’ny Fahatsiarovana tamin’ny taon-dasa, dia nahazo tampon’isa vaovao isika teto Madagasikara, satria nisy 58 937 ny mpanatrika. Firy no hanatrika azy io amin’ity taona ity? Izany dia miankina be dia be amin’ny ‘fikelezantsika aina sy ny fiezahantsika’, hanampy olona betsaka araka izay azo atao hanatrika azy io.—1 Tim. 4:10.
6 Ankoatra ny fanatrehantsika ny Sakafo Harivan’ny Tompo, dia mety ho afaka hampitombo ny fanompoantsika eny amin’ny saha isika. Azo antoka fa rahalahy sy anabavy an’alina no ho mpisava lalana mpanampy mandritra ny iray volana na mihoatra. Nandritra ireo dimy taona farany, dia nisy mpisava lalana mpanampy 894 isan-taona tamin’ny antsalany, nandritra ny fotoan’ny Fahatsiarovana, izany hoe ny Martsa ka hatramin’ny May. Afaka mandamina ny asa aman-draharahanao ve ianao, mba hanananao io tombontsoa io amin’ity taona ity? Amin’izay ianao dia tena ho afaka haneho ny fankasitrahanao ny fanomezana feno fitiavana nataon’Andriamanitra, dia ny soron’i Kristy. Azo antoka fa hitahy anao i Jehovah, araka ireto tantara ireto.
7 Mpisava lalana mpanampy ny anabavy iray miasa manontolo andro, tamin’ny volana Martsa lasa teo. Hoy izy: “Nampirisika izay rehetra afaka ny ho mpisava lalana mpanampy ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Febroary 2001, mba hanao izany nandritra ny fotoan’ny Fahatsiarovana. Nety tsara tamin’ny fandaharam-potoanako izany satria nisy asabotsy dimy ny volana Martsa. Tapa-kevitra ny hisoratra anarana àry aho.” Rehefa nanomboka ny fanompoana izy tamin’iny volana iny, dia ny hanomboka fampianarana Baiboly no tanjony. Tratrany ve io tanjona io? Eny tokoa, tamin’ny ora faha-52 nitoriany! Inona àry ny fanatsoahan-keviny? “Mitondra fitahiana lehibe ny fiezahana bebe kokoa.”
8 Inona no soa raisin’ny fianakaviana miara-manao ny asan’ny mpisava lalana? Nanao izany ny fianakaviana iray nisy efa-mianaka, tamin’ny volana Aprily lasa teo, ka tsy hohadinoin’izy ireo mihitsy iny volana iny. Hoy ilay renim-pianakaviana: “Faly foana izahay isan’andro, satria tafaray tamin’ny fanompoana! Finaritra erỳ izahay rehefa nisakafo ny hariva, satria niresadresaka momba ny zavatra nataonay teny amin’ny fanompoana nandritra ny andro.” Hoy ny zanany lahy: “Faly aho niara-nanompo tamin’i Dada nandritra ny herinandro. Miasa foana mantsy izy amin’ny fotoana toy io.” Nanampy toy izao ny rainy: “Afa-po aho amin’ny maha loham-pianakaviana ahy, satria fantatro fa niara-nanao ilay asa sarobidy indrindra amin’ny androntsika izahay.” Afaka miara-manao ny asan’ny mpisava lalana ve ny fianakavianao? Nahoana raha iarahanareo mianakavy dinihina raha afaka ny ho mpisava lalana mpanampy ianareo rehetra, mandritra ity fotoan’ny Fahatsiarovana ity?
9 Afaka manao ny Martsa ho ny volana tsara indrindra ho antsika ve isika? Nanontany toy izao Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana tany am-piandohan’ny taona 2000: “Afaka Manao ny Aprily 2000 ho ny Volana Tsara Indrindra ho Antsika ve Isika?” Inona no vokany? Maromaro ny tampon’isa vaovao teo amin’ny mpisava lalana mpanampy, ora, gazety voapetraka, ary ny fiverenana mitsidika. Tsaroanao ve ny hafanam-pon’ny fiangonanao nandritra iny volana manokana iny, noho ny fanompoana be dia be natao? Afaka mamerina, na manao mihoatra noho izany ve isika amin’ity taona ity? Mety ho lasa “Ny Volana Tsara Indrindra ho Antsika” ny Martsa 2002, raha mifarimbona isika rehetra. Nahoana no Martsa?
10 Misy antony roa tokony hahatonga ny Martsa ho volana miavaka amin’ny fanompoana. Voalohany, hatao amin’ny faramparan’ny Martsa ny Fahatsiarovana, ka ampy tsara ny fotoana hanasantsika olona faran’izay betsaka mba hanatrika azy io. Faharoa, misy faran’ny herinandro dimy ny volana Martsa amin’ity taona ity, ka ho mora kokoa ho an’ny mpiasa na ny mpianatra ny hanao ny asan’ny mpisava lalana mpanampy. Nahoana raha manao fandaharam-potoana mety dieny izao, ka mampiasa ilay kalandrie ato amin’ity takelaka fanampiny ity? Mety ho mora kokoa noho ny iheverana azy ny asan’ny mpisava lalana mpanampy. Ohatra: Raha manao adiny valo isaky ny faran’ny herinandro ianao, dia adiny folo sisa no ilainao hatao mandritra ny fotoana hafa, mba hamenoana ny 50 ora.
11 Inona no azon’ny anti-panahy atao mba hanampiana ny rehetra eo anivon’ny fiangonana ‘hitory ny tenin’Andriamanitra an-tsakany sy an-davany’? Afaka mampirisika azy ireo izy rehefa manana anjara na miresadresaka aminy. Afaka manatona ny tsirairay ao amin’ny Fianarana Bokiny ireo mpiandraikitra ny Fianarana Boky sy ny mpanampy azy ka milaza fa hanampy azy manokana. Teny fampaherezana kely fotsiny, atao amin-katsaram-panahy, na soso-kevitra azo ampiharina vitsivitsy, dia mety ho ampy. (Ohab. 25:11) Maro no hahita fa ho afaka hahazo tombontsoa ho mpisava lalana mpanampy izy, raha ahitsiny kely fotsiny ny fandaharam-potoanany. Tany amin’ny fiangonana maromaro, dia ny ankabeazan’ny anti-panahy sy ny mpanampy amin’ny fanompoana ary ny vadin’izy ireo, raha tsy izy rehetra aza, no nanome ohatra tsara, satria niara-nanao ny asan’ny mpisava lalana mpanampy nandritra ny fotoan’ny Fahatsiarovana. Mpitory maro no nanatevin-daharana azy ireo, vokatr’izany. Mety tsy ho afaka ny ho mpisava lalana ny mpitory sasany noho ny aretina na kilema, na zavatra hafa. Azo ampirisihina haneho ny fankasitrahany anefa izy ireo, ka handray anjara betsaka araka izay azony atao amin’ny fanompoana, miaraka amin’ny fiangonana iray manontolo.
12 Miankina amin’ny fandaharana tsara ataon’ny anti-panahy ny fahombiazana. Tokony hatao amin’ny fotoana mety ny fivoriana alohan’ny fanompoana, mandritra ny herinandro. Raha azo atao, dia tokony hotendren’ny mpiandraikitra ny fanompoana mialoha ny rahalahy mahafeno fepetra, hitarika ny fivoriana rehetra alohan’ny fanompoana. Tokony hiomana tsara izy, mba tsy hihoatra ny 15 minitra ilay fivoriana, ka tafiditra amin’izany ny fizarana ny mpitory sy ny faritany, ary ny vavaka. (Jereo ny Valin’ny Fanontanianareo ao amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Septambra 2001.) Tokony hohazavaina tsara amin’ny fiangonana sy hapetaka eo amin’ny tabilao misy ny filazana, ny fandaharam-pitoriana mandritra ny volana.
13 Tokony hatao ampy tsara ny faritany. Tokony hiaraka handinika ny fomba hiasana ireo faritany tsy voasa matetika ny mpiandraikitra ny fanompoana sy ilay rahalahy mikarakara ny faritany. Tokony hoantitranterina ny fiverenana any amin’ireo tsy tratra an-trano, ny fitoriana eny an-dalana sy eny amin’ny toeram-pivarotana, ary ny fitoriana takariva. Mety ho azo ampiana hitory an-telefaonina ny mpitory sasany, any amin’ny toerana mety hanaovana izany.
14 Ampio izy ireo hanompo indray: Misy olona tsy mitory ny vaovao tsara intsony ve ao amin’ny faritaninareo? Mbola anisan’ny fiangonana ny olona toy izany ary mila fanampiana. (Sal. 119:176) Tena antomotra ny faran’ity tontolo tranainy ity ary efa akaiky ny tontolo vaovao, ka tokony hiezaka mihitsy isika mba hanampy ireo tsy mitory intsony. (Rom. 13:11, 12) Ahoana no hanampiantsika olona maro hamelona indray ilay fitiavana sy fatokisany tany am-boalohany?—Heb. 3:12-14.
15 Tokony hodinihin’ireo anti-panahy ny fomba hanampiana ireo efa tsy nitory intsony nandritra ireo taona faramparany. (Matio 18:12-14) Tokony hojeren’ny mpitan-tsoratra ny Firaketana ny Fanompoan’ny Mpitory, ka homarihiny izay rehetra tsy nitory intsony. Tokony hisy ezaka manokana hanampiana azy ireo amin’ny alalan’ny fitsidihan’ny mpiandry. Mety haniry hitsidika mpitory nifankahalala sy nifanerasera taminy taloha ny anti-panahy iray, na mety hisy mpitory hafa asaina hanampy azy. Ireo mpitory ireo angamba no nampianatra Baiboly an’io olona tsy mitory intsony io, ary ho faly izy ireo hanome fanampiana manokana, satria ilaina izany izao. Antenaina fa maro amin’ireo tsy mitory intsony no ho voatosika hitory ny tenin’Andriamanitra indray. Raha mahafeno fepetra izy ireo, dia ny fotoan’ny Fahatsiarovana no fotoana tsara indrindra hanombohany!—Jereo ny Valin’ny Fanontanianareo ao amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Novambra 2000, mba hahitana ny tsipiriany.
16 Misy olon-kafa mahafeno fepetra koa ve? Mitahy ny vahoakany hatrany i Jehovah, satria mampiditra ireo zavatra faniry eo amin’ny firenena. (Hagay 2:7) An’arivo no mahafeno fepetra ho mpitory tsy vita batisa isan-taona. Iza izy ireo? Zanaka Vavolombelon’i Jehovah sy mpianatra Baiboly mandroso. Ahoana no ahafantarantsika raha mahafeno fepetra hitory ny vaovao tsara izy ireo?
17 Zanaka Vavolombelon’i Jehovah: Ankizy maro no efa niara-nanao isan-trano tamin’ny ray aman-dreniny nandritra ny taona maro, na dia mbola tsy mpitory aza. Mety ho fotoana tsara hanombohan’izy ireo ny volana Martsa. Ahoana no ahafantaranao raha mahafeno fepetra ny zanakao? Milaza toy izao ny pejy faha-100, ao amin’ny Voalamina mba Hanatanteraka ny Fanompoantsika: “Rehefa manome ohatra ny ankizy iray eo amin’ny fitondran-tenany ary afaka manao fanambarana manokana ny finoany amin’ny firesahana amin’ny hafa ny vaovao tsara sady ny fony no manosika azy hanao izany.” Miresaha amin’ny anti-panahy iray anisan’ny Komitin’ny Fanompoan’ny Fiangonana, raha heverinao fa mahafeno fepetra ny zanakao.
18 Mpianatra Baiboly mahafeno fepetra: Mety haniry hitory ilay Fanjakana ny mpianatra Baiboly iray, rehefa nahazo fahalalana sy nivory nandritra ny fotoana kelikely. Diniho ireto fanontaniana ireto, raha ianao no miara-mianatra Baiboly aminy: Mandroso ve izy, raha jerena ny taonany sy ny fahaizany? Efa nanomboka nitory tsy ara-potoana tamin’ny hafa ve izy? Mitafy “ny toetra vaovao” ve izy? (Kol. 3:10) Fenony ve ny fepetra ho an’ny mpitory tsy vita batisa hita ao amin’ny boky Ny Fanompoantsika pejy faha-97-100? Raha mahafeno izany izy, dia tokony hiresaka amin’ny Komitin’ny Fanompoan’ny Fiangonana ianao, ka hisy anti-panahy roa hasaina hiara-midinika aminao sy ilay mpianatra. Raha mahafeno fepetra izy, dia holazain’ireo anti-panahy aminy fa afaka mandray anjara amin’ny fanompoana atao ho an’ny besinimaro izy.
19 Ahoana ny amin’ny Aprily sy May? Volana manokana ireo, mba hampitomboana ny fanompoana eny amin’ny saha. Maro amin’ireo mpisava lalana mpanampy amin’ny volana Martsa no mety ho afaka hanohy amin’ny volana Aprily sy/na May. Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! no tena hampiasaintsika eny amin’ny fanompoana mandritra ireo volana ireo. Tena nahasoa ny mpamaky azy tokoa izy ireo! Nandray anjara be dia be tamin’ny fitomboana nahavariana naneran-tany ireo gazety ireo. Hiezaka manokana isika amin’ny volana Aprily sy May mba hizara gazety amin’olona betsaka araka izay azo atao. Manaova fandaharana dieny izao mba handraisana anjara betsaka indrindra.
20 Mila mampitombo ny isan’ny gazety hafaranao ve ianao, satria hihabetsaka ny fandaharam-pitoriana? Nandritra ny taom-panompoana, dia manolotra gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! isika isaky ny asabotsy, Andron’ny Gazety. Maro anefa no ho mpisava lalana mpanampy ary samy hanolotra gazety isika rehetra mandritra ny roa volana maninjitra, ka mety hilaina ny hampitomboanao ny gazety hafaranao. Raha izany, dia mba ilazao dieny izao ny mpikarakara ny gazetin’ny fiangonanao. Tokony hahazo antoka koa ny mpikarakara ny boky fa ampy ho an’ny rehetra ny tahiry amin’ilay taratasy mivalona hoe Tianao ve ny Hahafantatra Tsara ny Baiboly?
21 Maro no nankasitraka ilay lahatsoratra hoe “Fomba Fanolorana Gazety” ao amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana. Efa nampiasa azy io ve ianao, ka nianatra ireo fomba fanolorana gazety? Nahoana raha maka fotoana kely amin’ny fianaram-pianakavianareo isan-kerinandro, mba hamerenana ireny fomba fampiseho ireny?
22 Ampiasao amin’ny fomba tsara indrindra ity fotoan’ny Fahatsiarovana ity: Aoka hasehontsika an’i Jehovah, toa an’i Paoly, fa mankasitraka ny “fanomezany tsy hay visavisaina” isika, ka handray anjara an-tsakany sy an-davany amin’ny asa ara-panahy alamina mandritra ity fotoan’ny Fahatsiarovana ity. Tafiditra amin’izany ny 1) fanatrehana ilay fankalazana lehibe indrindra amin’ny taona, dia ny Sakafo Harivan’ny Tompo, hatao ny alakamisy 28 Martsa 2002; 2) fanampiana ireo tsy nitory intsony, mba hamelomana indray ‘ny fitiavan’izy ireo voalohany’ (Apok. 2:4; Rom. 12:11); 3) fanampiana ny zanatsika sy ireo mpianatra Baiboly mahafeno fepetra, mba ho tonga mpitory tsy vita batisa; ary ny 4) fandraisana anjara betsaka araka izay azo atao amin’ny fitoriana ny filazantsara, ka hanao ny asan’ny mpisava lalana mpanampy mihitsy aza ny volana Martsa sy aorian’izay.—2 Tim. 4:5.
23 Tena irinay ny handraisantsika rehetra anjara betsaka indrindra amin’ny fitoriana ny vaovao tsara momba ilay Fanjakana mandritra ity fotoan’ny Fahatsiarovana ity. Hasehontsika amin’izany ny fankasitrahantsika lalina izay rehetra nataon’i Jehovah ho antsika.
[Efajoro, pejy 6]
Fandaharam-potoanako ho An’ny Fanompoana Martsa 2002
Alahady Alatsinainy Talata Alarobia Alakamisy Zoma Asabotsy
1 2
Andron’ny
Gazety
3 4 5 6 7 8 9
Andron’ny
Gazety
10 11 12 13 14 15 16
Andron’ny
Gazety
17 18 19 20 21 22 23
Andron’ny
Gazety
24 25 26 27 28 29 30
FAHATSIAROVANA Andron’ny
AORIAN’NY Gazety
FILENTEHAN’NY
MASOANDRO 31
Afaka mameno 50 ora ve ianao amin’ny Martsa, mba ho mpisava lalana mpanampy?