‘Manomeza Fanazavana Feno Momba ny Vaovao Tsara’
1. Inona no vaovao tsara torintsika?
1 Tombontsoa ho antsika ny ‘manome fanazavana feno momba ny vaovao tsara’ eto amin’ity tontolo tsy dia ahitana vaovao tsara ity. (Asa. 20:24) Ampahafantarintsika ny olona fa hifarana tsy ho ela ny “andro farany”, ary hitondra tontolo vaovao hanjakan’ny fahamarinana i Jehovah, ka ho “lasa ny zavatra taloha.” (2 Tim. 3:1-5; Apok. 21:4) Tsy hisy intsony ny aretina. (Isaia 33:24) Hivoaka ny fasana ireo havan-tiana nodimandry, ary ho tafaray amin’ny havana aman-tsakaizany. (Jaona 5:28, 29) Ho lasa paradisa tsara tarehy ny tany manontolo. (Isaia 65:21-23) Santionany fotsiny amin’ny vaovao tsara torintsika ireo!
2. Nahoana no tena azo hararaotina hitoriana ny vaovao tsara ny vanim-potoan’ny Fahatsiarovana?
2 Tena azo hararaotina hanambarana ny vaovao tsara ny volana Martsa sy Aprily ary Mey. Mety tsara mba hampitomboana ny fanompoana ny toetrandro amin’ny ankapobeny, amin’io fotoana io. Hatao eran-tany ny asabotsy 22 Martsa aorian’ny filentehan’ny masoandro koa ny fankalazana lehibe indrindra ao anatin’ny taona, dia ny Fahatsiarovana. Mila miomana dieny izao àry isika mba hampitombo ny fanompoantsika.
3. Ahoana no azon’ny fianakaviana ampitomboana ny fanompoany?
3 Mpisava lalana mpanampy: Afaka mandamina ny fotoananao ve ianao, mba ho mpisava lalana mandritra ny iray, na roa, na telo volana? Nahoana raha dinihina mandritra ny fianaram-pianakavianareo manaraka izany? Raha mifanampy tsara ny mpianakavy, dia mety hisy iray na maromaro aminy ho afaka ny ho mpisava lalana. (Ohab. 15:22) Ataovy antom-bavaka izany, dia ho hitanareo fa hotahin’i Jehovah ny ezaka ataonareo. (Ohab. 16:3) Mety tsy hisy ho afaka ny ho mpisava lalana ianareo. Afaka manana tanjona voafaritra tsara daholo anefa ianareo mba hampitomboana ny fanompoanareo, sady hiara-miasa amin’izay afaka ny ho mpisava lalana.
4. Raha miasa tontolo andro isika, ahoana no azontsika andaminana fotoana mba ho mpisava lalana mpanampy?
4 Ahoana raha miasa tontolo andro ianao? Mety ho afaka hanao mpisava lalana ianao, raha mandamina tsara ny fotoananao. Afaka maka fotoana kely amin’ny fiatoana amin’ny antoandro angamba ianao mba hitoriana. Azo atao koa ny mangataka faritany tsy lavitra ny tranonao na ny toeram-piasanao, mba hitoriana mandritra ny adiny iray eo ho eo, alohan’ny hiasana na rehefa mirava. Hanam-potoana bebe kokoa ianao, raha ahemotrao ho amin’ny volana hafa izay zavatra nokasainao hatao ka tsy tena maika, ary manompo manontolo andro ianao rehefa faran’ny herinandro. Misy mpitory mangataka iray na roa andro tsy hiasana, mba hanaovana fanompoana.
5. Ahoana no hanampianao ny zokiolona na ireo efa osa, mba ho mpisava lalana mpanampy?
5 Raha zokiolona ianao, na efa osa, na kelikely hery, dia afaka ny ho mpisava lalana mpanampy raha manao fanompoana kelikely isan’andro. Mangataha “hery fanampiny” amin’i Jehovah. (2 Kor. 4:7) Nahavita nanao mpisava lalana mpanampy ny anabavy iray efa 106 taona! Nanampy azy ny havany Vavolombelona sy ny mpitory tao amin’ny fiangonana, ka afaka nitory isan-trano izy, nanao fitsidihana, nampianatra Baiboly, ary nandray anjara tamin’ny lafiny hafa amin’ny fanompoana. Nanampy tamin’ny fanombohana fampianarana folo izy. Hoy izy: “Tombontsoa lehibe ho ahy ny nanao ny asan’ny mpisava lalana. Rehefa mieritreritra an’ilay izy aho, dia tena mitombo ny fitiavako sy ny fankasitrahako an’i Jehovah sy ny Zanany ary ny fandaminany be fitiavana. Satriko hilaza hoe: ‘Misaotra anao aho Jehovah ô!’ ”
6. Inona no azon’ny tanora vita batisa atao mba ho mpisava lalana izy, na dia mbola mianatra aza?
6 Afaka ny ho mpisava lalana koa ianao, raha tanora vita batisa, na dia mbola mianatra aza. Azonao atokana hanaovana fanompoana ny faran’ny herinandro, toy ny ataon’ireo miasa tontolo andro ihany. Afaka mitory adiny iray eo ho eo koa ianao amin’ny andro sasany, rehefa mirava. Nahoana raha hararaotina hanompoana koa ny vakansy, raha misy amin’ireo volana ireo? Resaho amin’ny ray aman-dreninao ny fanirianao ho mpisava lalana.
7. Inona no azon’ny anti-panahy atao, mba hampahazoto ny fiangonana mandritra ny vanim-potoan’ny Fahatsiarovana?
7 Ataovy izay hampahazoto ny mpitory: Tena afaka mampitombo ny zotom-pon’ny fiangonana ny modely omen’ny anti-panahy. (1 Pet. 5:2, 3) Mety hanapa-kevitra ny hanisy fivoriana alohan’ny fanompoana fanampiny izy ireo, ho an’izay hanompo vao maraina, na rehefa mirava avy miasa na mianatra. Hanendry rahalahy efa za-draharaha ny mpiandraikitra ny fanompoana, mba hitarika an’ireny fivoriana ireny. Tokony hojereny koa raha ampy ny faritany sy ny boky aman-gazety hampiasaina amin’ireo volana manokana ireo.
8. Inona no ianarantsika avy amin’ny ezaka nataon’ny fiangonana iray?
8 Volana maromaro mialoha ny anti-panahy tao amin’ny fiangonana iray, dia efa nanentana ny mpitory mba ho mpisava lalana mpanampy. Nampandrenesin’izy ireo isan-kerinandro hoe firy no nekena ho mpisava lalana. Nahazo toky àry ireo naniry hampitombo ny fanompoany, fa maro no hanohana azy. Nasiana fivoriana alohan’ny fanompoana koa vao maraina sy tamin’ny takariva. Inona no vokany? Nisy 53 ny mpisava lalana mpanampy tamin’ny Aprily, izany hoe efa ho ny antsasaky ny fiangonana!
9. Nahoana ny vanim-potoan’ny Fahatsiarovana no tena mety mba hanombohana hitory?
9 Ampio ny hafa mba hitory: Mety hasaina hiaraka amin’ny mpitory za-draharaha ny vaovao sy ny tanora, rehefa mahafeno fepetra hitory. Mety hitranga izany mandritra ny vanim-potoan’ny Fahatsiarovana, satria maro no mampitombo ny fanompoany amin’izay. Efa mandroso tsara ve ny olona ampianarinao Baiboly, ary manaraka ny fitsipik’i Jehovah? Hendry sy mandroso tsara ve ny zanakao, fa mbola tsy mpitory? Raha milaza aminao ny mpianatrao na ny zanakao fa te hitory izy, ary hitanao fa fenony ny fepetra, dia miresaha amin’ny iray amin’ny anti-panahy. Hanasa anti-panahy roa ny mpiandraikitra mpitantan-draharaha avy eo, mba hiara-midinika aminao sy ilay zanakao, na ny mpianatrao.
10. Ahoana no azon’ny anti-panahy anampiana an’ireo tsy mitory intsony?
10 Fotoana mety tsara hiverenana hiara-miasa amin’ny fiangonana koa ireo volana ireo, ho an’ireo tsy mitory intsony. Tokony hiezaka mafy ireo mpiandraikitra Fianarana Boky sy ny anti-panahy hafa, mba hitsidika azy ireny sy hanasa azy amim-pitiavana mba hiaraka hanompo aminy. Raha efa ela izy ireo no tsy nitory, dia tokony hiresaka aminy aloha ny anti-panahy roa, mba hahafantarana raha mahafeno fepetra izy.—km 11/00 p. 3.
11. Inona no fomba lehibe indrindra anehoan’Andriamanitra “hatsaram-panahy tsy manam-paharoa”?
11 Miomàna ho amin’ny Fahatsiarovana: Ny vidim-panavotana no fomba lehibe indrindra anehoan’Andriamanitra “hatsaram-panahy tsy manam-paharoa.” (Asa. 20:24) Olona an-tapitrisany eran-tany no mankasitraka izany, ka hanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy, ny asabotsy 22 Martsa aorian’ny filentehan’ny masoandro. Hita taratra amin’io fotoan-dehibe io ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa asehon’i Jehovah amin’ny olombelona. Tiantsika hasaina amin’izany àry ny olona tso-po rehetra, sady hanampy azy isika mba ho tonga any.
12. Iza no tokony hasaintsika amin’ny Fahatsiarovana?
12 Ataovy lisitra ny olona tianao hasaina. Azo antoka fa hosoratanao ao ny havanao, ny mpiray tanàna aminao, ny olom-pantatrao any am-piasana na any am-pianarana, ny olona nampianarinao Baiboly taloha sy amin’izao fotoana izao, ary ny olona rehetra tsidihinao tsy tapaka. Raha misy manontany anao momba ny Fahatsiarovana ny olona asainao, dia azonao ampiasaina ny fanazavana fanampiny momba ny Sakafo Harivan’ny Tompo, ao amin’ny boky Ampianarina, pejy 206-208. Mety ho afaka hanomboka fampianarana Baiboly mihitsy aza ianao amin’izay, satria ilay boky fampiasantsika amin’izany no hasehonao azy.
13. Ahoana no nitahian’i Jehovah ny ezaka nataon’ny mpitory roa mba hanasana olona tamin’ny Fahatsiarovana?
13 Nanao lisitry ny fianakaviana 48 tiany hasaina ny anabavy iray. Isaky ny avy nanasa olona izy, dia notsipihiny ny anaran’ilay olona, ary nosoratany ny daty nanasany azy. Faly erỳ izy, satria 26 tamin’ireo no tonga! Nisy rahalahy iray nanasa lehilahy miasa ao amin’ny fivarotany. Pretra izy io taloha. Tonga tamin’ny Fahatsiarovana izy io, ary nilaza hoe: “Betsaka noho izay nianarako nandritra ny 30 taona tao amin’ny Eglizy Katolika, ny zavatra nianarako momba ny Baiboly tao anatin’ny adiny iray monja.” Nanaiky hianatra Baiboly tamin’ny boky Ampianarina izy, tsy ela taorian’ny Fahatsiarovana.
14. Inona ilay ezaka manokana hatomboka ny 1 Martsa?
14 Ezaka manokana: Hisy fanasana manokana ho amin’ny Fahatsiarovana hozaraina eran-tany, manomboka ny asabotsy 1 Martsa ka hatramin’ny 22 Martsa. Tokony handray anjara betsaka araka izay azo atao amin’io ezaka lehibe io isika rehetra. Tsara kokoa raha omena mivantana ny tompon-trano ilay fanasana, fa tsy apetraka eo am-baravarany. Raha lehibe anefa ny faritaninareo, dia mety hanapa-kevitra ny anti-panahy fa azo asiana fanasana eo am-baravaran’izay tsy tratra an-trano. Tokony ho malina anefa isika rehefa manao izany. Sady hanolotra taratasy fanasana isika no hanolotra gazety, rehefa faran’ny herinandro.
15. Inona no azontsika lazaina rehefa manolotra an’ilay fanasana?
15 Tsara raha ataontsika fohy ny tenintsika rehefa manolotra an’ilay fanasana, satria kely ny fotoana hizarana azy. Aoka ianao ho sariaka sy hafana fo. Afaka milaza zavatra mitovitovy amin’izao ianao: “Misy fankalazana lehibe hatao ny 22 Martsa. Tsy tianay ho diso anjara amin’izany ianao sy ny fianakavianao ary ny namanao, ka intỳ ny fanasana anareo. Efa ao anatiny ny tsipiriany momba izany.” Mety hametraka fanontaniana ilay olona, na mety hanaiky an’ilay fanasana ary hilaza mihitsy aza fa ho avy. Raiso an-tsoratra izay olona liana, ary miverena mitsidika azy.
16. Milazà fitantarana mampiseho fa misy vokany tsara ny ezaka manokana hanasana ny olona amin’ny Fahatsiarovana.
16 Nahita fanasana teo am-baravarany ny miaramila iray, tamin’ny herintaona. Te handeha izy, nefa tsy maintsy nangataka alalana tamin’ny lehibeny. Rehefa nasehony ny lehibeny ilay fanasana, dia tsy niteny mihitsy aloha izy io. Nilaza ilay lehibeny avy eo fa Vavolombelon’i Jehovah ny ray aman-dreniny, ary efa nivory niaraka tamin’izy ireo izy taloha. Sady navelany hamonjy ny Fahatsiarovana àry ilay miaramila, no niaraka taminy koa izy!
17. Ahoana no ampisehoantsika fa mahatratra ny zava-kendreny ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa asehon’Andriamanitra amintsika?
17 Aoka isika haneho fankasitrahana: Enga anie isika tsirairay ka hisaintsaina ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa asehon’i Jehovah amintsika, amin’izao an-katoky ny Fahatsiarovana izao. Hoy ny apostoly Paoly: “Miangavy anareo koa [izahay] mba tsy hoe hanaiky ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa nasehon’Andriamanitra ianareo nefa tsy hahatratra ny zava-kendren’izany.” (2 Kor. 6:1) Ahoana no tokony hataontsika mba tsy hitrangan’izany? Hoy i Paoly: “Amin’ny lafiny rehetra, dia mampiseho ny tenanay ho mpanompon’Andriamanitra izahay.” (2 Kor. 6:4) Mampiseho fankasitrahana ny fanomezan’i Jehovah àry isika, raha tsara fitondran-tena sy mazoto mitory. Mety tsara hampitomboana ny fanompoantsika ny vanim-potoan’ny Fahatsiarovana. Ho afaka hanome fanazavana feno momba ny vaovao tsara isika amin’izay.
[Efajoro, pejy 3]
Iza no Mety ho Afaka ny ho Mpisava Lalana Mpanampy?
◼ Ny fianakaviana
◼ Ireo miasa tontolo andro
◼ Ny zokiolona sy ireo efa osa
◼ Ny tanora mbola mianatra
[Efajoro, pejy 4]
Fomba Izarana Ilay Fanasana:
◼ Ataovy fohy ny teninao; aoka ianao hafana fo
◼ Raiso an-tsoratra izay olona liana, ary miverena mitsidika azy
◼ Mametraha gazety rehefa faran’ny herinandro