Hararaoty Hanompoana Bebe Kokoa ny Vanim-potoan’ny Fahatsiarovana!
1. Nahoana isika no tokony hanompo bebe kokoa mandritra ny volana Martsa sy Aprily ary Mey?
1 Afaka manompo bebe kokoa ve ianao amin’ny vanim-potoan’ny Fahatsiarovana ho avy izao? Mety hahazo andro tsy hiasana na tsy hianarana ny mpitory sasany, ka azon’izy ireo anaovana fanompoana izany. Hanao ezaka manokana isika manomboka ny 2 Aprily, mba hanasana an’ireo olona liana hanatrika ny Fahatsiarovana amin’ny 17 Aprily. Hiezaka hampitombo ny fahalianan’ireo nanatrika isika aorian’izay, ary hanasa azy ireo hanatrika ny lahateny manokana, izay hatao ny herinandron’ny 25 Aprily. Tena tokony hanompo bebe kokoa àry isika mandritra ny volana Martsa sy Aprily ary Mey.
2. Inona no anisan’ny fomba tsara indrindra ampitomboana ny fanompoana?
2 Mpisava Lalana Mpanampy: Anisan’ny fomba tsara indrindra ampitomboana ny fanompoana ny fanaovana mpisava lalana mpanampy. Be atao anefa isika rehetra, ka mila miomana mialoha sy manamboatra fandaharam-potoana raha hanao izany. (Ohab. 21:5) Azonao ahemotra angamba ny zavatra tsy dia lehibe loatra fanaonao. (Fil. 1:9-11) Nahoana raha resahina amin’ny hafa hoe te hanao mpisava lalana ianao, sao dia mba ho afaka hanao koa izy?
3. Inona no azon’ny fianakaviana atao mba hampitomboany ny fanompoany?
3 Tsara raha resahinareo mandritra ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakavianareo manaraka ny tanjonareo. (Ohab. 15:22) Angamba ny sasany aminareo mety ho afaka hanao mpisava lalana mandritra ny volana iray na maromaro, raha mifanohana ianareo. Ahoana anefa raha tsy mety izany? Azonareo atao ny manokana takariva sasany hitoriana, na manompo elaela kokoa rehefa faran’ny herinandro.
4. Inona avy ny fitahiana ho azonao raha ampitomboinao ny fanompoanao amin’ny vanim-potoan’ny Fahatsiarovana?
4 Hitan’i Jehovah izay rehetra ataontsika mba hanompoana azy, ary ankasitrahany ny sorona ataontsika. (Heb. 6:10) Mahita fifaliana isika rehefa manome ho an’i Jehovah sy ho an’ny hafa. (1 Tan. 29:9; Asa. 20:35) Ampitomboy àry ny fanompoanao amin’ny vanim-potoan’ny Fahatsiarovana, dia hitombo ny fifalianao sy ny fitahiana ho azonao.