Hanao Mpisava Lalana Mpanampy ve Ianao?
1. Nahoana no fotoana tsara hanompoana bebe kokoa ny vanim-potoanan’ny Fahatsiarovana?
1 Fotoana tsara hanompoana bebe kokoa ny vanim-potoanan’ny Fahatsiarovana, izany hoe ny volana Martsa sy Aprily ary Mey. Tena tia antsika i Jehovah, ka nanome ny Zanany ho vidim-panavotana. (Jaona 3:16) Misaintsaina an’izany isika amin’io, ka lasa mankasitraka kokoa an’i Jehovah. Vao mainka àry isika te hiresaka momba azy sy izay efa nataony ho antsika hatramin’izao. (Isaia 12:4, 5; Lioka 6:45) Manasa ny olona sy ny havana aman-tsakaiza hankalaza ny nahafatesan’i Jesosy koa isika, rehefa vanim-potoanan’ny Fahatsiarovana. Miezaka mitsidika sy mampianatra an’izay tonga nanatrika isika avy eo. Hanao mpisava lalana mpanampy àry ve ianao amin’ity?
2. Nahoana no tena tsara hanaovana mpisava lalana mpanampy amin’ny Martsa?
2 Ilay Volana Tsara Indrindra ho Anao! Amin’ny Martsa no tena tsara hanaovana mpisava lalana mpanampy. Hahazo hifidy mantsy ianao amin’io na hanatratra 30 ora na 50 ora. Raha mitsidika anareo koa ny mpiandraikitra ny faritra, dia azonao atao ny manatrika hatramin’ny farany an’ilay fivoriana hiarahany amin’ny mpisava lalana maharitra sy manokana. Nohalavaina koa ny fotoana hizarantsika ny fanasana amin’ny Fahatsiarovana. Amin’ny 1 Martsa isika, dia efa hizara izany, na dia mbola amin’ny 26 Martsa aza ny Fahatsiarovana. Misy faran’ny herinandro dimy koa amin’ny Martsa. Manaova àry mpisava lalana amin’io, dia ho hitanao fa io no ho volana tsara indrindra aminao!
3. Inona no azonao atao dieny izao?
3 Amboary Dieny Izao ny Fandaharam-potoananao: Eritrereto hoe inona no azo amboarina amin’ilay izy mba hahafahana hanao mpisava lalana. Mila mifanampy koa ny mpianakavy, ka resaho mandritra ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana hoe inona no eritreretinareo hatao, ary manaova fandaharam-potoana avy eo. (Ohab. 15:22) Aza kivy anefa raha tsy afaka manao mpisava lalana ianao. Nahoana raha mijanona ela kokoa rehefa manompo, na manompo andro hafa ankoatra ny andro efa mahazatra anao?
4. Inona no soa ho azonao raha manompo bebe kokoa ianao amin’ny Martsa sy Aprily ary Mey?
4 Faly sy sambatra isika rehefa manompo an’i Jehovah sy manampy ny olona hahalala ny vaovao tsara. Vao mainka hitombo izany, raha manompo bebe kokoa ianao amin’ny Martsa sy Aprily ary Mey. (Jaona 4:34; Asa. 20:35) Tsy vitan’izay fa ho faly i Jehovah satria nahafoy tena ho azy ianao.—Ohab. 27:11.