Fandaharana Amin’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana
Herinandron’ny 10 Febroary
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Fampandrenesana nofantenana avy ato amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana. Manaova fampisehoana roa, miorina amin’ny fanoloran-kevitra eo amin’ny pejy 8, mba hametrahana Ny Tilikambo Fiambenana 1 Febroary sy Mifohaza! 8 Febroary. Na iray ihany aza no resahina, dia atolory miaraka izy ireo, ao amin’ireo fampisehoana ireo.
35 min: “Mitoria ary Manaova Fanambarana Feno.”a Ataon’ny mpiandraikitra ny fanompoana. Ampirisiho izay rehetra afaka, mba hanao ny asan’ny mpisava lalana mpanampy, amin’ny Martsa sy Aprily. Asao hiresaka momba ny asan’ny mpisava lalana, ireo nanao izany tamin’ny Fahatsiarovana tamin’ny herintaona. Inona no fandaharana nataony? Inona no ezaka sy fanitsiana tsy maintsy nataony? Inona no fifaliana sy fitahiana azony? Jereo ireo fandaharam-potoana eo amin’ny pejy 4. Lazao fa azo atao ny maka taratasy fangatahana ho mpisava lalana mpanampy, aorian’ny fivoriana.
Herinandron’ny 17 Febroary
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Tatitra momba ny kaonty. Resaho ny zavatra atolotra amin’ny Martsa. Milazà fanoloran-kevitra iray na roa, ao amin’ny takelaka fanampiny amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Janoary 2002, mba hametrahana ny boky Fahalalana. Antitrantero fa ny hanomboka fampianarana Baiboly no tanjona.
15 min: “Azonao Atolotra ve ny Tranonao?” Lahateny ataon’ny mpiandraikitra fianarana boky. Milazà hevitra avy ao amin’ny Valin’ny Fanontanianareo ao amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Aprily 2001. Lazao ny isan’ny fianarana boky eo aminareo, sy ny salanisan’ny mpanatrika. Manasà mpitory iray na roa hilaza ny soa noraisiny sy ny fianakaviany, satria nisy fianarana boky tao an-tranony. Izay rehetra te hanolotra ny tranony dia tokony hampahafantatra izany amin’ny mpiandraikitra mpitantan-draharaha.
20 min: “Inona no Zava-dehibe Indrindra Aminao?”b Ampiomano mialoha ny mpitory iray na roa hilaza ny fanitsiana nataony mba hampitomboana ny fanompoany.
Herinandron’ny 24 Febroary
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Ampahatsiahivo ny mpitory mba hamerina ny tatitra momba ny fanompoana Febroary. Manaova fampisehoana roa, miorina amin’ny fanoloran-kevitra eo amin’ny pejy 8, mba hametrahana Ny Tilikambo Fiambenana 15 Febroary sy Mifohaza! 8 Febroary. Na iray ihany aza no resahina, dia atolory miaraka izy ireo, ao amin’ireo fampisehoana ireo.
10 min: “Fanampiana Amin’ny Fotoana Mety.” Lahateny ataon’ny anti-panahy. Asongadino fa fanehoam-pitiavana avy amin’i Jehovah ny ezaka atao mba hanampiana an’ireo tsy mitory intsony.
25 min: Valin’ny Fanontanianareo. Fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika. Resaho koa fa mety hampidi-doza ny lanonana amin’ny fampakaram-bady, raha tsy voalamina mialoha. Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 1 Mey 2000, pejy 19-22.
Herinandron’ny 3 Martsa
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Resaho vetivety ny “Fandaharana Vaovao ho An’ny Fitahirizam-bokin’ny Efitrano Fanjakana.” Lazao izay ho mpiandraikitra ny fitahirizam-bokin’ny Efitrano Fanjakana.
15 min: Zavatra ilaina eo an-toerana.
20 min: “Aoka Isika ho Hendry fa efa Antomotra ny Farany.”c Eo amin’ny fehintsoratra 3 sy 4, manasà mpitory hilaza ny tanjona ara-panahy iezahany tratrarina. Milazà hevitra avy ao amin’ny boky Mivavaha, pejy 176.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.
b Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.
c Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.