Fandaharana Amin’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana
Herinandron’ny 10 Martsa
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Fampandrenesana nofantenana avy ato amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana. Manaova fampisehoana roa, miorina amin’ny fanoloran-kevitra ao amin’ny pejy 8, mba hametrahana Ny Tilikambo Fiambenana 1 Martsa sy Mifohaza! 8 Martsa. Na iray ihany aza no resahina, dia atolory miaraka izy ireo, ao amin’ireo fampisehoana ireo.
15 min: Ahoana no Ampisaintsainana ny Olona Amin’ny Alalan’ny Soratra Masina? Fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika. Ahoana no ahafahana manatsara ny fahaizantsika mampisaintsaina ny olona eny amin’ny fanompoana? 1) Manaova fianarana samirery, ary manatreha fivoriana, mba hananana fahalalana tsara ny Soratra Masina. 2) Saintsaino izay ianaranao, ary fakafakao ny fahamarinana. 3) Aza ny fanazavana ny andinin-teny fotsiny no jerena fa ny antony araka ny Soratra Masina maha marina izany koa. 4) Jereo ny fomba hanazavanao ireo andinin-teny amin’ny karazan’olona maro. 5) Jereo ny fomba ahafahanao manazava amin’ny ohatra ny hevitra sasany.
20 min: “Mazotoa Amin’izay Tsara!”a (Fehintsoratra 1-12) Rehefa vita ny fehintsoratra 6, dia ataovy fampisehoana vetivety ny mpitory mampiasa taratasy fanasana mba hanasana havana, mpiara-monina, mpiara-mianatra, mpiara-miasa, hanatrika ny Fahatsiarovana. Raha mbola tsy voazara ny taratasy fanasana, dia tokony hozaraina aorian’ny fivoriana.
Herinandron’ny 17 Martsa
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Tatitra momba ny kaonty.
15 min: Manehoa Fahendrena Rehefa Mifidy Namana. Lahateny ataon’ny anti-panahy, miorina amin’ny Mifohaza! 8 Martsa 1997, pejy 22, sy ilay fanazavana eo ambanin’ny lohateny hoe “Ny naman-dratsy”, ao amin’ny boky Fanjohian-kevitra, pejy 412. Asehoy fa mihatra amin’ny tanora sy ny olon-dehibe ireo toro lalana ireo. Asongadino ny soa raisina raha ireo tia an’i Jehovah sy miezaka hanaraka ny fitsipiny no fidina ho namana.
20 min: “Mazotoa Amin’izay Tsara!”b (Fehintsoratra 13-26) Ataon’ny mpiandraikitra mpitantan-draharaha. Rehefa eo amin’ny fehintsoratra 14, dia ataovy fampisehoana vetivety ny anti-panahy iray mitsidika sy mampahery rahalahy iray osa. Hazavainy amin-katsaram-panahy ny fomba ahafahan’io rahalahy io mandray anjara amin’ny fanompoana, mandritra ny vanim-potoan’ny Fahatsiarovana.
Herinandron’ny 24 Martsa
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Manaova fampisehoana miorina amin’ny fanoloran-kevitra ao amin’ny pejy 8, mba hametrahana Ny Tilikambo Fiambenana 1 Martsa.
15 min: Zavatra ilaina eo an-toerana.
20 min: Mitondra Soa ho An’ny Fiaraha-monina ny Vavolombelon’i Jehovah. Lahateny sy fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika. Manana fahafahana isika indraindray hanazava fa mitondra soa ho an’ny fiaraha-monina ny fanompoantsika sy ny ohatra omentsika. Asao hiresaka momba ireto hevitra ireto ny mpanatrika: 1) Mampianatra ny olona hiaina mifanaraka amin’ny fitsipi-pitondran-tenan’ny Baiboly isika. 2) Mampianatra ny olona hanao ny marina sy hanaja fahefana isika. 3) Mampianatra ny olona samy hafa firazanana sy firenena hiaina amim-pihavanana isika. 4) Manampy ny olona hanatsara ny fiainam-pianakaviany isika, ka mampirisika azy ireo hampihatra ny fitsipiky ny Baiboly. 5) Nampianatra olona an’arivo hamaky teny sy hanoratra isika. 6) Mikely aina manampy ny olona isika, rehefa misy loza. 7) Nandray anjara betsaka tamin’ny fahazoana fahalalahana ara-pivavahana, izay nandraisan’ny rehetra soa, isika.—Jereo ny Mifohaza! 8 Janoary 2003, pejy 9, 10.
Herinandron’ny 31 Martsa
12 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Ampahatsiahivo ny rehetra mba hamerina ny tatitra momba ny fanompoana Martsa. Lazao ny zavatra atolotra amin’ny Aprily. Resaho ilay hoe “Ampiasao ny Boky Mivavaha mba Hitarihana Fampianarana Baiboly.” Resaho ny hevi-dehibe ao amin’ny “Fampahatsiahivana Momba ny Fahatsiarovana.”
13 min: Fitantarana. Asao ny fiangonana hitantara ny zavatra hitany nandritra ny fampitomboana ny asa fanompoana tamin’ny Martsa. Derao izy ireo noho ny fiezahany, ary ampirisiho ny rehetra handray anjara amin’ny fomba feno araka izay azony atao, mandritra ny Aprily.
20 min: “Tokony Hoderaina Indrindra i Jehovah.”c Antitrantero fa zava-dehibe ny Fahatsiarovana. Asehoy ny fomba ahafahan’ny rehetra manampy ny olona hanatrika azy io. Hazavao izay azo atao mba hiresahana amin’ireo tsy mitory intsony mba hiverenany hitory. Asao ny mpanatrika hitantara izay zavatra nampahery hitany tamin’ny Fahatsiarovana tamin’ny taon-dasa.
Herinandron’ny 7 Aprily
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Vakio koa ny taratasy tamin’ny 22 Martsa 2000, ho an’ny fiangonana rehetra.
15 min: “Taratasy avy Amin’ny Filan-kevi-pitantanana.” Avy ao amin’ny Diary 2003, pejy 3-5. Lahateny ataon’ny anti-panahy. Ampirisiho ny fianakaviana hamaky tsikelikely ilay boky manontolo, ao anatin’ny taona. Milazà fomba ahafahantsika mampiasa ilay boky mba hitarihana ireo vaovao ho amin’ny fandaminan’i Jehovah sy hampirisihana azy ireo hivory.
20 min: “Manafaka Antsika ny Marina.”d Milazà hevitra avy ao amin’ny Faritra Voafefy amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Oktobra 1998, pejy 6. Asao ny mpanatrika hilaza ny fomba nanafahan’ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra azy ireo.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.
b Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.
c Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.
d Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.