FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 7/05 p. 2
  • Fivoriana Momba ny Fanompoana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fivoriana Momba ny Fanompoana
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2005
  • Lohatenikely
  • Herinandron’ny 11 Jolay
  • Herinandron’ny 18 Jolay
  • Herinandron’ny 25 Jolay
  • Herinandron’ny 1 Aogositra
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2005
km 7/05 p. 2

Fivoriana Momba ny Fanompoana

Fanamarihana: Hisy fandaharana ho an’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana isan-kerinandro foana ato amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana, mandritra ireo volana misy fivoriambe. Azo ovana araka izay ilaina ilay fandaharana, rehefa hanatrika ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra “Mankatoava An’Andriamanitra” ny fiangonana. Raha mety, dia manokàna 15 minitra amin’ilay Fivoriana Momba ny Fanompoana alohan’ny fivoriambe, mba hijerena indray ireo torohevitra sy fampahatsiahivana avy ao amin’ny takelaka fanampiny amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Jona 2005. Afaka iray na roa volana aorian’ny fivoriambenareo, dia manokàna 15 ka hatramin’ny 20 minitra mba hamerenana ireo hevitra nisongadina tamin’ny fivoriambe. Ataovy mandritra ny Fivoriana Momba ny Fanompoana izany (angamba atao solon’ny Zavatra ilain’ny fiangonana). Afaka hanazava ny fomba ampiharantsika izay nianarantsika tany amin’ny fivoriambe isika amin’io fotoana io, sady hiresaka momba izay hevitra hitantsika fa manampy antsika hahita vokatra kokoa eo amin’ny fanompoana.

Herinandron’ny 11 Jolay

Hira 49, Hira 88

10 min: Fampandrenesana eo an-toerana sy fampandrenesana sasany eo amin’ny pejy 7. Manaova fampisehoana roa miorina amin’ny fanoloran-kevitra eo amin’ny pejy 8, mba hametrahana ny Mifohaza! 8 Jona sy Ny Tilikambo Fiambenana 15 Jona. Azo atao koa ny mampiasa fomba fampiseho hafa mifanaraka amin’ny zava-misy eo an-toerana. Asehoy amin’ireo fampisehoana roa ireo, ny fomba samy hafa hamaliana ny olona milaza hoe: “Sahirana aho.”—Jereo ny boky Fanjohian-kevitra, pejy 19-20.

15 min: Valin’ny Fanontanianareo. Fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika, ataon’ny anti-panahy.

20 min: Manolora Bokikely Amin’ny Jolay sy Aogositra. Lahateny sy fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika, miorina amin’ilay takelaka fanampiny. Hazavao vetivety ny fomba fampiasa ilay takelaka fanampiny. Asongadino ny hevitra ao amin’ilay efajoro eo amin’ny pejy 3 sy ireo hevi-dehibe ao amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Janoary 2005, pejy 8. Resaho ireo soso-kevitra momba ny fanolorana bokikely rehefa mitory. Ataovy fampisehoana ny roa na telo amin’ireo soso-kevitra omena ao amin’ilay takelaka fanampiny. Ankizy mpitory no manao ny iray amin’ireo fampisehoana.

Herinandron’ny 18 Jolay

Hira 173, Hira 10

10 min: Fampandrenesana. Diniho vetivety izay resahin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Aogositra 2000, pejy 32. Antitrantero ireo soa azo avy amin’ny famakiana ny Baiboly isan’andro, na dia any am-panaovana vakansy aza, na koa amin’ny fotoana hafa ialana amin’ny fanao andavanandro.

15 min: “Fitarihana Fampianarana Baiboly Mandroso—Fizarana 11.”a Asio fampisehoana iray. Miomana hanao fiverenana mitsidika ny mpitory vaovao iray sy ny mpampianatra azy. Resahin’izy ireo ny hevitra nodinihina niaraka tamin’ilay olona tamin’ny voalohany, ary mifidy hevitra tsara horesahina mandritra ny fiverenana mitsidika izy ireo. Manomana fampidiran-dresaka tsotra koa izy ireo, sy fanontaniana iray hapetraka amin’ilay olona amin’ny faran’ilay fitsidihana. Hifarana ilay fampisehoana rehefa handeha hamerina ny zavatra nomaniny izy ireo.

20 min: Ampio ny Olona Hankasitraka ny Baiboly. Fiaraha-midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny, miorina amin’ny boky Mivavaha, pejy 24-25, fehintsoratra 3-6. Ireo fanontaniana ao amin’ilay boky ampiasaina. Miresaha hevitra avy ao amin’ny bokikely Boky Iray ho An’ny Olona Rehetra, pejy 32.

Herinandron’ny 25 Jolay

Hira 138, Hira 82

15 min: Fampandrenesana. Vakio ny tatitra momba ny kaonty sy ny fankasitrahana ireo fanomezana. Manaova fampisehoana roa miorina amin’ny fanoloran-kevitra eo amin’ny pejy 8, mba hametrahana Ny Tilikambo Fiambenana 1 Jolay sy ny Mifohaza! 8 Jolay. Fitoriana tsy ara-potoana eny an-tsena ny iray amin’ireo fampisehoana.

10 min: Ampianaro ny Fahamarinana ny Zanakao. (Deot. 6:7) Lahateny ataon’ny anti-panahy, miorina amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Aogositra 2002, pejy 30-31. Asongadino ireo toro lalana omen’ny Soratra Masina momba ny fitaizan-janaka, mihatra amin’ny Vavolombelon’i Jehovah manambady tsy mitovy finoana aminy.

20 min: “Ananan’ny Olona Trosa Isika.”b Miresaha hevitra avy ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Jolay 2000, pejy 11, fehintsoratra 13.

Herinandron’ny 1 Aogositra

Hira 187, Hira 218

15 min: Fampandrenesana. Ampahatsiahivo ny mpitory mba hamerina ny tatitra momba ny fanompoana Jolay. Asao ny mpanatrika mba hanokatra ny boky Sekolin’ny Fanompoana, pejy 70, ary iaraho midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny ny fehintsoratra 1-2, sy ilay efajoro hoe “Fanomezana Valin-teny any Am-pivoriana.”

15 min: “Ampio Handroso Amin’ny Fanompoana ny Zanakao.” Lahateny sy fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika. Asio fampisehoana iray. Ankizy miara-mitory amin’ny rainy na ny reniny, ary mampiasa fomba fitory tsotra. Ilay ray na ilay reny no mamarana ny resaka amin’ilay olona itoriana, ary manazava vetivety ny fandaharana momba ny fanomezana.

15 min: “Mitoria Amin’ny Olona Maro Araka Izay Azo Atao.”c Eo amin’ny fehintsoratra 5, dia resaho indray ireo soso-kevitra azo ampiharina eo amin’ny faritanin’ny fiangonana, ao amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Jona 2005, pejy 8.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ ny mpanatrika avy eo.

b Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ ny mpanatrika avy eo.

c Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ ny mpanatrika avy eo.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara