FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 3/09 p. 3
  • Valin’ny Fanontanianareo

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Valin’ny Fanontanianareo
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2009
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2009
km 3/09 p. 3

Valin’ny Fanontanianareo

◼ Ireto misy fanontaniana mety hipoitra rehefa iangaviana hikarakara fandevenana ny fiangonana:

Iza no tokony hanao ny lahateny? Ny fianakaviana mana-manjo no misafidy, ka rahalahy tsara laza no mety hofidiny. Raha ireo anti-panahy no asaina mifidy, dia izay anti-panahy mahay no asainy manao lahateny miorina amin’ny drafitry ny fandaminana. Tsy handoka be an’ilay nodimandry izy. Mety ho tsara ihany anefa raha resahina ireo toetra fakan-tahaka nananany.

Azo ampiasaina ve ny Efitrano Fanjakana? Eny, raha mahazo alalana amin’ny anti-panahy rehetra, sady tsy mifanindry amin’ny ora fivoriana. Tokony ho tsara laza ilay nodimandry, ka anisan’ny fiangonana, na zanaka Vavolombelona mbola tsy ampy taona. Mety tsy hanaiky ny hampiasana ny Efitrano ny anti-panahy, raha malaza ho ratsy fitondran-tena ilay olona maty, na raha misy zavatra hafa mety hanala baraka ny fiangonana.—Jereo ny boky Voalamina, pejy 122-123.

Amin’ny ankapobeny, dia tsy ampiasaina amin’ny fandevenana olona tsy Vavolombelona ny Efitrano Fanjakana. Misy toe-javatra maningana ihany anefa. Izany dia ho an’ny havana akaikin’ny Vavolombelona vita batisa sy marisika: Azo ampiasaina ny Efitrano raha fantatry ny fiangonana hoe olona tia fahamarinana ilay nodimandry, ary malaza ho tsara fitondran-tena eo amin’ny manodidina, ka tsy asiana fombafomba tsy araka ny Soratra Masina amin’ny fandaharana.

Raha maniry ny hitondrana ny vatam-paty ao amin’ny Efitrano Fanjakana ny fianakaviana mana-manjo, dia hidinika izany amin’ny anti-panahy izy aloha. Mety hanaiky ny hampidirana an’ilay vata ao amin’ny Efitrano àry ny anti-panahy, arakaraka ny toe-javatra.

Ary raha tsy Vavolombelona ilay nodimandry? Mety hanao lahateny mampahery any an-tranony na eny am-pasana ny rahalahy iray, raha tsara laza eo amin’ny fiaraha-monina ilay olona. Tsy hokarakarain’ny fiangonana kosa ny fandevenana olona malaza ho ratsy fitondran-tena na mpandika lalàna na mandika an-kitsirano ny fitsipiky ny Baiboly. Tsy hampifangaro fivavahana ny rahalahy, izany hoe, tsy hanao na inona na inona izy raha misy mpitondra fivavahana hafa efa mandray anjara, na raha entina any am-piangonan’ny fivavahana anisan’ny Babylona Lehibe ilay faty.

Ary raha olona voaroaka ilay nodimandry? Amin’ny ankapobeny, dia tsy manao na inona na inona ny fiangonana, ary tsy ampiasaina ny Efitrano Fanjakana. Mety tsy hampaninona ny feon’ny fieritreretan’ny rahalahy iray anefa ny hanao lahateny any an-tranon’ilay voaroaka na eny am-pasana, raha hita taratra fa nibebaka izy ary naniry ho voaray indray talohan’ny nahafatesany. Fitoriana amin’ireo tsy Vavolombelona izany, sady hampahery an’ireo havany. Hendry anefa ilay rahalahy raha miresaka amin’ireo anti-panahy aloha ary mandinika tsara izay lazain’izy ireo, vao manapa-kevitra. Raha hita àry fa tsy fahendrena ny hanaovan’ilay rahalahy lahateny, dia mety ho tsara raha rahalahy iray havan’ilay fianakaviana mana-manjo no hanao lahateny hampaherezana ny mpianakavy.

Misy tari-dalana fanampiny ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Febroary 2009, pejy 29; 1 Janoary 2005, pejy 29-30; 15 Jona 2002, pejy 30-31; 15 Janoary 1991, pejy 30-31; 1 Aprily 1982, pejy 29-30; 15 Septambra 1980, pejy 5-7; 15 Desambra 1978, pejy 20-23; 1 Desambra 1977, pejy 731-732; 1 Aprily 1971, pejy 222-223.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara