Fandaharana ho An’ny Herinandron’ny 8 Febroary
HERINANDRON’NY 8 FEBROARY
□ Fianarana Baiboly:
lv toko 16 § 15-22, efajoro p. 194
□ Sekolin’ny Fanompoana:
Famakiana Baiboly: Mpitsara 11-14
No. 1: Mpitsara 13:1-14
No. 2: Inona no Ianarantsika avy Amin’ny Tenin’i Jesosy ao Amin’ny Lioka 16:9-13?
No. 3: Inona Ilay ‘Fampijaliana Mandrakizay’ Resahin’ny Apokalypsy? (rs p. 31 § 1-2)
□ Fivoriana Momba ny Fanompoana:
5 min: Fampandrenesana.
10 min: Famaliana Fanontaniana Momba ny Fety. Lahateny misy fiaraha-midinika miorina amin’ny boky “Fitiavan’Andriamanitra”, pejy 148-149 ary 151-152, fehintsoratra 13-14. Inona izao no fety mety hankalazain’ny olona ao amin’ny faritaninareo? Rahoviana sy aiza ianao no afaka manao fanambarana momba ny fety iray? Asio fampisehoana ahitana ray na reny iray mampiofana ny zanany hamaly an’ilay fanontaniana hoe: Nahoana ianareo no tsy manao Paka?
20 min: “Fanasana Fahatsiarovana Hozaraina Maneran-tany!” Fanontaniana sy valiny. Alohan’ny handinihana ny fehintsoratra faha-2, dia omeo taratasy fanasana iray avy ny rehetra, raha efa tonga izy io. Asongadino ireo lafiny mampiavaka azy io. Aorian’ny fehintsoratra faha-2, dia asio fampisehoana iray ahitana ny fomba hametrahana an’ilay fanasana. Anontanio ny mpiandraikitra ny fanompoana na anti-panahy iray hafa ny fandaharam-panompoana mandritra ilay ezaka manokana.