Fandaharana ho An’ny Herinandron’ny 10 Mey
HERINANDRON’NY 10 MEY
□ Fianarana Baiboly:
□ Sekolin’ny Fanompoana:
Famakiana Baiboly: 2 Samoela 4-8
No. 1: 2 Samoela 6:1-13
No. 2: Inona no Fantatsika Momba ny Fetin’ny Mpifankatia (Saint-Valentin) sy ny Fetin’ny Reny ary Ireo Fetim-pirenena? (rs p. 207 § 3–p. 208 § 4)
No. 3: Nahoana no Lazaina fa Fanompoan-tsampy ny Faniriana Tsy Mety Afa-po? (Efes. 5:5)
□ Fivoriana Momba ny Fanompoana:
5 min: Fampandrenesana.
10 min: Manaova Zavatra mba Hanampiana ny Olona eny Amin’ny Faritany. Lahateny misy fiaraha-midinika, miorina amin’ny boky Sekolin’ny Fanompoana (p. 188 § 4–p. 189 § 4). Anontanio vetivety ny olona iray nandroso satria niahy azy ny hafa.
10 min: Manome Voninahitra An’i Jehovah ny Efitrano Fanjakana Madio. Lahateny ataon’ny anti-panahy. Andriamanitra masina i Jehovah. Tokony ho zava-dehibe amin’ny vahoakany àry ny fahadiovana. (Eks. 30:17-21; 40:30-32) Manome voninahitra an’i Jehovah isika raha ataontsika madio sy kojakojaintsika tsara foana ny toeram-pivavahantsika. (1 Pet. 2:12) Manadinadìna rahalahy iray tompon’andraikitra amin’ny fanadiovana sy fikojakojana ny efitrano eo an-toerana. Mitantarà zava-nitranga teo an-toerana na tamin’ny boky sy gazety, mampiseho fa nahafahana nitory tamin’ny manodidina ny Efitrano Fanjakana tsara tarehy. Ampirisiho hikojakoja ny Efitrano Fanjakana ny rehetra.
10 min: “Tsy Maintsy ‘Hotorina ny Vaovao Tsara.’ ” Fanontaniana sy valiny.