Fampandrenesana
◼ Mey: Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! Rehefa miverina mitsidika ny olona liana ianao, dia tsidiho koa ireo nanatrika Fahatsiarovana sy/na fandaharana hafa, nefa mbola tsy tena miaraka amin’ny fiangonana. Miezaha hametraka ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? Ataovy tanjona ny hanomboka fampianarana Baiboly amin’io boky io. Jona: Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? Raha efa manana ilay olona, dia atolory ny boky Apokalypsy. Azo omena boky soratra lehibe ireo tsy mahita tsara. Jolay sy Aogositra: Iray amin’ireto bokikely 32 pejy ireto: Afaka ny ho Sakaizan’Andriamanitra Ianao!, Efa Hitanao ve ny Lalana Mankany Amin’ny Fiainana Mandrakizay?, Ny Anaran’Andriamanitra Izay Haharitra Mandrakizay, Ny Fanahin’ireo Maty—Afaka Manampy Anao ve Izy Ireo sa Afaka Manisy Ratsy Anao? Tena Misy Tokoa ve Izy Ireo?, Rehefa Nodimandry ny Olona Iray Tianao, ary Tena Miahy Antsika ve Andriamanitra?
◼ Zavatra vaovao misy:
“Andao Hanara-dia Ahy”—MP3 (mpcf-MG) malagasy
Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 2010 (yb10-F) frantsay
Fandresen-dahatra Miorina Amin’ny Soratra Masina (rs-MG) malagasy
Tonga dia alefanay any amin’ny fiangonana ny boky Fandresen-dahatra. Manaova fanafarana raha mila fanampiny ianareo.