Zava-nisongadina teo Amin’ny Fanompoana
Septambra
Nahatratra 23 888 ny mpitory. Hita amin’izany fa be zotom-po sy be fitiavana ireo rahalahy. Nisy tampon’isa vaovao koa teo amin’ny isan’ny mpisava lalana: Nahatratra 3 257 ny isan’izy ireo. Mino izahay fa hitondra fitahiana be dia be ho an’ny vahoakan’i Jehovah any amin’ireo fiangonana sy antoko-mpitory, miisa 537 eran’ny nosy, ny asa mafy kasaina hatao amin’ireo volana ho avy.